Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra. Fiteny mahameloka no iresahany Anao, manonom-poana ny Anaranao ireo fahavalonao ireo. Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao? Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho. Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay. Ianao mitsirika ahy na mandeha na mandry, asa mahazatra anao ny lalako rehetra. Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza, efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Fa raha manameloka antsika ny fontsika dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra.
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
Ny mason’i Iaveh, dia amin’ny fitoerana rehetra; mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany! Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?
«Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.»
Azonao va ny fihevahèvan’ny rahona, ny zava-mahagaga ataon’Ilay manam-pahalalana tanteraka,
Ary ianao, ry Salômôna, zanako, mahalalà ny Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo mazava sy amin’ny fanahy mazoto, fa i Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hety ho hitanao Izy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Misy olona mahay miery amin’ny fierena va, ka tsy ho hitako? - teny marin’i Iaveh- Ny lanitra sy ny tany, moa tsy manerana azy va Aho? - teny marin’i Iaveh.-
Fa mitsinjo izay alehan’ny olona ny mason’Andriamanitra, ary hitany miharihary avokoa ny diany rehetra.
Mijery i Iaveh eny an-danitra; mahita ny zanak’olombelona rehetra Izy; eny amin’ny fitoeran’ny fonenany dia tazaniny ny mponina rehetra amin’ny tany, dia Izy mpamorona ny fon’izy rehetra, Izy mpamantatra ny asan’izy rehetra.
Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza. Iza àry no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Raha nanadino ny Anaran’Andriamanitra izahay, sy nanandra-tanana tamin’andriamani-kafa,
ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany, sy araka ny vokatry ny asany.
Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
Andriamanitra va no hotoroana fahendrena, nefa ny tafasandratra indrindra aza, mbola tsarainy?
nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy. sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
ary koa hoe: «Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany.»
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo. Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana.
Iza no nitari-dalana ny Fanahin’i Iaveh, ary iza no nanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany mba hanoro hevitra Azy sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana? ary hampianatra Azy ny fahendrena sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?
Kanjo kosa, hitako avokoa na ny fipetrakao, na ny fivoakanao sy ny fiditrao, na ny hatezeranao amiko.
Dia nilatsaka tato amiko ny Fanahin’i Iaveh; ka hoy Izy tamiko: «Mitenena hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Izany no teneninareo, ry taranak’i Israely! Fantaro ny mby ao an-tsainareo.
Raha hoy ianao: «Tsy mahalala izany anie izahay!» moa tsy mahita izany va Ilay mandanja ny fo? tsy mahalala izany va, Ilay mitandrina ny fanahinao? ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?
Fa eny amin’ny lalany rehetra ny masoko, ka tsy miafina eo anatrehan’ny Tavako izany; ary tsy takona amin’ny fijeriko ny helony.
Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany, ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.
apetrakao eo anoloanao ny helokay; ary eo amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ny fahadisoanay takona.
Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana. Fahaizany no nivakian’ny hantsana, sy ampitetevan’ny rahona ny ando.
Aza dia fatra-piteny avonavona na mamoaka vava midaondaom-poana. Fa Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra i Iaveh, ary velon-ko tsinontsinona ny asan’ny olombelona.
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.
Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra, ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.
Katsaho i Iaveh sy ny heriny, tadiavo lalandava ny tavany. Tsarovy ny zava-mahatalanjona nataony, ny fahagagany sy ny fitsaràn’ny vavany,
Loza ho an’izay manafina lalina tsy ho hitan’i Iaveh, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin’ny maizina, ka manao hoe: «Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?»
mihainoa any an-danitra any amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka mamelà heloka azy, tanteraho ka valio araka ny lalany rehetra avy izy, fa Ianao mahalala ny fony, Ianao irery no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,
Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»
araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!
Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.
Efa nandre izany ianao; jereo fa tanteraka avokoa izy; fa ianareo kosa, tsy hanambara izany va ianareo? Ankehitriny mampandre anao zava-baovao Aho, dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.
I Iaveh no mitarika ny dian’ny olona; ary ataon’izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?
Fantany anefa ny lalana falehako; raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao:
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika.
Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe: Fantatry ny Tompo ny Azy, sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetra manonona ny Anaran’ny Tompo.
Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza Izy;
Manangana an’i Jerosalema indray i Iaveh, angoniny ireo tafaely avy tamin’i Israely. Tsy mba nanao toy izany tamin’ny firenena hafa rehetra Izy, ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny. Aeloia! sitraniny ireo torotoro fo, ary feheziny ny ferin’izy ireo.
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.
dia ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
no anorotoroanao anay eo amin’ny fieren’ny amboadia, sy anaronanao anay amin’ny aloky ny fahafatesana. Raha nanadino ny Anaran’Andriamanitra izahay, sy nanandra-tanana tamin’andriamani-kafa,
Ny Seoly sy ny hantsana miharihary eo anatrehan’i Iaveh: ka mainka ny fon’ny zanak’olombelona!
Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany, sy manambara izany hatramin’ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny,
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
Andriamanitra! ...lavorary ny lalany. Ny tenin’Andriamanitra dia fantatra ho to; ampinga izy ho an’izay rehetra matoky azy.
Mba taiza moa ianao fony Aho nandatsaka ny fanorenan’ny tany? Lazao raha manam-pahalalana ianao. raha mamitsaka ao amin’ny lavany ireny, na manotrika ao amin’ny kirihitr’ala? Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny? Iza no nametra izay ho refiny? Fantatrao va? Iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany.
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.
Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo.
Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: «Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Fa izay toa fahadalàn’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana? ary hampianatra Azy ny fahendrena sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?
Hambaran’ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra, ary hankalazainy ny fahamarinanao.
sy ny hanazava amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra.
Ao amin’Andriamanitra no onenan’ny fahendrena amam-pahefana, ary ny fahalalana amam-pahazavan-tsaina.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany.
Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Dia namaly an’i Jôba i Iaveh tao anatin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe: raha nampanaiky azy ny didiko sy nanisy hidy amam-baravarana taminy, ka nilaza taminy hoe: ‹Hatreto alehanao, ka tsy hihoatra, fa eto no hijanona ny fianjonanjonan’ny onjanao?› Mba efa nandidy maraina va ianao hatrizay niainanao? Moa nanondro ny fitoerany tamin’ny mazava atsinanana, mba handraisany ny tany amin’ny sisiny, sy hanintsanany ny ratsy fanahy hiala eo, mba hananan’ny tany endrika toy ny tanimanga voatombokase, ary hisehoany voaravaka toy ny manao fanamiana; mba tsy hananan’ny mpanao ratsy ny fahazavany; ary hotapahina ny sandry efa voaainga hanao ratsy? Mba efa nidina tany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao sy efa nitsangantsangana tany amin’ny fanambanin’ny hantsana va ianao? Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin’ny fahafatesana, sy efa hitanao va ny varavaran’ny fonenana manjombona? Efa takatrao va ny halalahan’ny tany? Lazao raha mahalala izany rehetra izany ianao? Aiza ny lalana mankany amin’ny fonenan’ny mazava, ary aiza no fitoeran’ny maizina? «Iza moa izato manamaizina ny fandaharan’Andriamanitra amin’ny teny tsy misy fahalalana?
Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra;
Andriamanitra ô, masina ny lalanao, zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika.
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra! Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.
dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina,
Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy, na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.
Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?
Mihambo hanakatra ny halalinan’Andriamanitra va ianao, sy hahatratra ny fahalavorarian’ny Tsitoha? Avo tahaka ny lanitra izany, ka hataonao ahoana? lalina noho ny fonenan’ny maty izany, ka inona no ho fantatrao? Ny fandrefesana Azy lava noho ny tany, malalaka noho ny ranomasina.
Raha misy manao ny tenany ho mahalala zavatra, dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany akory izy. Fa raha misy tia an’Andriamanitra kosa dia fantany io.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
Mba efa nidina tany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao sy efa nitsangantsangana tany amin’ny fanambanin’ny hantsana va ianao?
Ny mamorona fikasana ao am-po no an’ny olona; fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Iaveh.
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy. Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.
Mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany, na an’ny mpanapak’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona; fa fahendren’Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika;
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina; ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako? Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, ianareo nitomany azy; mba hinonoanareo sy hivokisanareo, amin’ny nonon’ny fampiononany; ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana, ny hafenoan’ny voninahiny. Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana. Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo, no hanalako alahelo anareo, ka dia ho afaka alahelo ao Jerosalema ianareo. Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy, sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany. Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana, sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda. Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak’i Iaveh. Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly, eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany, izay mihinana hena kisoa sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy, dia hiara-devona avokoa, - teny marin’i Iaveh.- Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro, ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo. Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
ary Izy no mitana eo an-tanany ny ain’ny manana aina rehetra, mbamin’ny fofon’ain’ny olombelona rehetra?
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
He izany heloka mitambesatra aminy, ka aiza no hahafahany indray? Aringano amin’ny fahatezeranao ireo vahoaka ireo, ry Andriamanitra.
Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».
Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
Izany koa dia avy amin’i Iavehn’ny tafika; mahagaga amin’ny fisainanay Izy, sady be no azony enti-manatanteraka.
Alàny sarona ny zava-miafina amin’ny haizina ary asehony eo amin’ny mazava ny aloky ny fahafatesana.
mandra-pahatongan’ny andro hampitsaràn’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny asa takona ataon’ny olona, araka ny Evanjely ampianariko.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.
Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny na dia iray aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo.
satria mbola tsy teraka akory ireo, ka mbola tsy nanao soa na ratsy (mba tsy hiova ny laha-pifidianan’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fa amin’ny safidin’Izy niantso),
Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
I Iavehn’ny tafika nianiana hoe: «Eny, ho tò izay hevitra efa nokasaina; ary ho tanteraka izay efa notapahiko.
Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala: amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.