Mahavariana sy mahagaga ahy ny feon’Andriamanitra. Eritrereto ange e! Ao amin’ny Baiboly, dia miresaka mivantana amin’ny olony Izy, mampiseho ny sitrapony, manome fahendrena, ary mitarika ny lalany. Amin’ny alalan’ny feony no anehoany ny fitiavany tsy misy fepetra, ny fahamarinany, ary ny faniriany hiaraka amintsika tsirairay avy.
Mety ho amin’ny fomba maro samihafa no handrenesantsika ny feony. Indraindray, amin’ny alalan’ny mpaminany, mitondra ny teniny sy ny fampianarany. Indraindray koa, amin’ny alalan’ny nofy sy fahitana, tahaka ny tamin’ireo mpaminany fahiny. Ary fantatro koa fa ao am-poko ao, ao amin’ny fieritreretako no itarihany ahy, indrindra rehefa mila mahafantatra ny sitrapony aho.
Na dia amin’ny fiainana andavanandro aza, amin’ireo zavatra madinika sy toa tsotra, dia mety ho eo Andriamanitra miteny amiko, mampiseho ny drafiny sy ny fikasany. Mila mailo sy mihaino tsara aho satria mety ho amin’ny fomba tsy ampoizina no isehoany.
Tsy tahaka ny feo hafa reko eto amin’izao tontolo izao ny feon’Andriamanitra. Tsy manameloka izy fa maneho ny fitiavany sy ny famindram-pony tsy mety ritra. Feo mitarika ahy amin’ny làlana mahitsy sy ny fiadanana, mampahery ahy rehefa tojo zava-tsarotra, ary manoro lalana ahy rehefa very hevitra aho.
Tadidio i Abrahama, nandao ny taniny noho ny baikin’Andriamanitra, ka lasa rain’ny firenena maro. Ary i Mosesy koa, nanafaka ny Zanak’Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Ejipta, noho ny fitarihan’Andriamanitra. Ny feon’Andriamanitra dia mihoatra ny fotoana sy ny toerana, miantso antsika hatoky Azy sy hankatò ny didiny.
Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»
Nandefa kotroka avy any an-danitra i Iaveh ary nampanakoako ny feony, ny Avo indrindra.
Mikotrokotroka any ambony rano be ny feon’i Iaveh, mampikotrokorana ny Andriamanitry ny voninahitra; eny ambony rano be i Iaveh. Mafy ny feon’i Iaveh; be voninahitra ny feon’i Iaveh.
Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina Izy; vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.
Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, fanjakana eto an-tany, mankalazà ny Tompo ianareo! - Selà
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitr’i Iaveh ka saron’ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin’ny andro fahafito dia nantsoin’i Iaveh i Môizy, tao anatin’ny rahona.
Nanarakaraka ny horohoron-tany nisy afo koa, nefa tsy tao amin’ny afo i Iaveh. Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Raha niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy, mba hiteny amin’i Iaveh, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin’ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, anelanelan’ny kerobima roa. Ary niteny taminy izy.
araka ilay lazaina hoe: Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin’ny fahasosorana.
ny tongony toy ny varahina manganohano voadio tamin’ny memy afo, ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be.
Ary indro, tamy avy any atsinanana ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon’ny rano be; ary ny tany namirapiratra azon’ny voninahiny.
Niantoraka avy amin’ny fahazavana nialoha Azy ny rahona izay nitondra havandra mbamin’ny vainafo mivaivay.
Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara. Ary niteny i Môizy, ka namaly feo azy Andriamanitra.
Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
Koa ianao re no aoka hanatona ary hihaino izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika, dia ianao no hilaza aminay izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika aminao, ka hohenoinay sy harahinay izany.
dia Ilay nanozongozona ny tany fahizàny tamin’ny feony, sy manome teny indray ankehitriny manao hoe: «Indro hozongozoniko indray maka koa, tsy ny tany ihany, fa ny lanitra koa.»
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona.
Ary ny Ray izay naniraka Ahy dia Izy indrindra no nanambara Ahy. Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny,
Izay avy amin’Andriamanitra no mihaino ny tenin’Andriamanitra, ka izany indrindra no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin’Andriamanitra ianareo.»
Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’i Iaveh Andriamanitra nandalo tao amin’ny saha rehefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an’i Iaveh Andriamanitra tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.
Ary i Iaveh miresaka mifanatrika amin’i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Raha efa izany dia miverina mankany an-toby i Môizy fa i Jôsoe zanak’i Nona, ilay tovolahy mpanompony, tsy niala tao afovoan’ny trano lay.
«Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»
Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy, sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany; ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.
Henoy, henoy ange ny fikotrokotroky ny feony, ny firohondrohona mivoaka avy amin’ny vavany! Ah! tsy hotaterina eny aminy anie ny teniko! Fa oviana moa no mba nisy olombelona nilaza fa maniry ny ho levona? Tsy mety hita ankehitriny ny fahazavan’ny masoandro, izay mamirapiratra ao ivohon’ny rahona; raha misy rivotra mandalo anefa, dia mampisava azy. Ny volamena dia avy any avaratra no iaviany, fa Andriamanitra kosa mba mampatahotra lahy ny fiandrianany! Ny Tsitoha tsy azontsika takarina, fa lehibe amin’ny hery, amin’ny rariny, amin’ny fahamarinana; tsy mamoaka izay nataony na amin’iza na amin’iza Izy. Ka aoka hanaja Azy ny olombelona! Fa tsy jereny akory izay manao azy ho hendry». Alefany tsy misy mpisakana izany ho etỳ ambany lanitra tsy hita lany, ary mamirapiratra hatrany amin’ny fara vazantany ny tselany. Manaraka izany, dia misy kotroka mipoaka, mampanehoeho ny feony mahery, ka raha vao re ny feony, dia tsy tanany ny tselatra. Mikotrokotroka mahagaga amin’ny feony Andriamanitra; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
Fa Izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian’ondry entin’ny tanany. A! raha mba mihaino ny feony mantsy ianareo anio! Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin’ny andro tao Masà, tany an’efitra,
Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,
Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo ny hanome voninahitra ny Anarako, hoy i Iavehn’ny tafika, dia handefa ozona hamely anareo Aho, ary hozoniko ny tso-drano ataonareo; - fa efa nozoniko sahady aza izany, satria tsy rototra ianareo! -
I Iaveh Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa Azy, ary mifikira aminy.
Ary tonga i Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: «Ry Samoela ô! ry Samoela ô!» Dia namaly i Samoela: «Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.»
Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»
Rehefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany, amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany. Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe: «Tsy nanao fahagagana i Joany; nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy.» Koa maro no nino Azy teo. ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony.»
Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: «Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?» Ka hoy aho: «Inty aho; iraho aho.»
Miteny ihany anefa Andriamanitra, mbetika toy izao, mbetika toy izao, saingy tsy tandreman’ny olona izany. Miteny amin’ny nofy, na amin’ny fahitana amin’ny alina Izy, raha ilay sondrian-tory mafy iny ny olona; ka matory eo am-pandriany.
Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha.
Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa.
Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
Raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka manaraka sy mitandrina ny didiny rehetra andidiako anao anio, i Iaveh Andriamanitrao hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany.
Mampitselatra lelafo ny feon’i Iaveh, mampihorohoro ny efitra ny feon’i Iaveh, mampihorohoro ny efitr’i Kadesa i Iaveh. Mampiteraka ny serfa vavy ny feon’i Iaveh, sady mampihintsan-dravina ny ala be; ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: «Voninahitra!»
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra. Nosokafan’i Iaveh Tompo ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory,
Hitan’i Iaveh fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: «Ry Môizy! ry Môizy!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»
Ho an’ny mpampianatra hira. - Tononkiran’i Davida. Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa. Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny; ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy. Iza moa no mahalala ny faniasiavany? Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro. Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe. Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako, mbamin’ny fitiavan’ny foko, eo anatrehanao, ry Iaveh, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany. Ny andro mitory fiderana amin’ny andro, ny alina mampandre izany amin’ny alina. Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony:
Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao.» Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: «Efa nomeko voninahitra Izy,» ary nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: «Kotro-baratra izany,» fa hoy kosa ny sasany hoe: «Anjely niteny taminy izay.» Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjana iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo. Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo.
Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
Na maro samihafa aza ny fitenin’ny olona amin’izao tontolo izao, dia tsy misy manam-peo tsy misy heviny na dia iray aza.
Ary nisy hoatra ny feon’olona marobe, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary sahala amin’ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: «Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka.
Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny.
Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza. Iza àry no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany. Tsy mba amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no ilazanay an’izany, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin’ny teny ara-panahy koa.
Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena; manandra-peo any amin’ny kianja izy. Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe:
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hilaza amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Efa nahita ianareo izay, fa niteny taminareo Aho tany an-danitra.
Salamon’i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany.
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.
Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra,
Manorotoro ny sedera ny feon’i Iaveh; manorotoro ny sedera any Libàna i Iaveh; mampitsambikina azy ireo tahaka ny vantotr’ombalahy Izy, ka mova tsy ny zanak’ombimanga, i Libàna sy i Siriôna.
Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»
Fa ny amin’ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy: Mihainoa ny feoko; ary Izaho no Andriamanitrareo, ary ianareo no vahoakako; mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra ianareo.»
fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany; Ary izao koa: Ianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin’ny voalohany, ary asan-tananao ny lanitra. Izy ireo ho levona, fa Ianao haharitra; ho tonta toy ny fitafiana izy, ary havalonao toy ny lamba, ka hovana avokoa; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra. Ary iza tamin’ny Anjely no nataony hoe: Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena? fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao.
Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».
Ary niantso an’i Israely i Môizy ka nanao taminy hoe: «Henoy, ry Israely, ny didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio; ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa.
Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»
Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika; mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika. Fa Izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian’ondry entin’ny tanany. A! raha mba mihaino ny feony mantsy ianareo anio!
Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Moa ny teniko va, tsy tahaka ny afo, - teny marin’i Iaveh, - sy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy?
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga andian’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, i Iaveh Andriamanitrao; hohenoinareo izy.
Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.
Tsy miantso va ny fahendrena, ary tsy manandra-peo ve ny fahalalana? Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana. Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy. «Izaho Fahendrena, dia miara-monina amin’ny fahamalinana, ary manana ny fahaizana sy ny fandinihana. (Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako. Ahy ny fisainana amam-pahombiazana; Izaho no fahazavan-tsaina, ahy ny hery. Izaho no anjakan’ny mpanjaka, sy andidian’ny mpanapaka izay rariny. Izaho no anapahan’ny mpifehy, mbamin’ny lehibe, dia ny mpitsaran’ny tany rehetra. Tiako izay tia ahy, ary mahita ahy izay fatra-pikatsaka ahy. Ato amiko ny harena amam-boninahitra, ny soa mateza amam-pahamarinana. Ny vokatro ambony vidy noho ny volamena, dia volamena madio indrindra; ary ny avy amiko dia mihoatra noho ny volafotsy voafantina. eo an-tampon’ny toerana avo, eo amin’ny lalana, eo an-tsampanan-dalana izy no lasa mipetraka; Mizotra eo amin’ny lalan’ny fahamarinana aho, eo amin’ny sakeli-dalan’ny fitsarana, mba hampahazo harena an’izay tia ahy, sy hameno tsara ny firaketany.» «Nanana ahy hatramin’ny fiandohan’ny lalany i Iaveh, dia talohan’ny asany ela indrindra. Efa niorina hatramin’ny mandrakizay aho, hatramin’ny voalohany, talohan’ny niandohan’ny tany. Tamin’ny namoronana ahy, tsy mbola nisy ny hantsana, tsy mbola nisy ny loharano nitoeran-drano. Talohan’ny nanorenana ny tendrombohitra; efa teraka aho talohan’ny havoana; fony tsy mbola nisy nataony na ny tany na ny tany lemaka, na ny zavatra iforonan’ny vovok’izao tontolo izao, Efa teo aho, fony Izy nandamina ny lanitra, fony Izy nanoritra faribolana tambonin’ny hantsana, fony Izy nampitoetra ny rahona eny ambony; sy namolaka ny loharano avy amin’ny hantsana, fony Izy nanisy faritra ho an’ny ranomasina, mba tsy hihoaran’ny rano ny morony; fony Izy nandatsaka ny fanorenan’ny tany. eo akaikin’ny varavarana sy amin’ny fidirana ho ao an-tanàna, eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady izy, mampandre ny feony: Izaho dia niasa teo anilany, niravoravo isan’andro isan’andro, nilalao teo anatrehany mandrakariva, nilalao teo amin’ny gilôbin’ny taniny, ary nahita fahafinaretana teo amin’ny zanak’olombelona.» «Ka izao, anaka, henoy aho; Sambatra izay manaraka ny lalako! Mba ho tonga hendry, henoy ny fampianarana, fa aza ariana. Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako! Izay mahita ahy, nahita fiainana; sady mahazo sitraka amin’i Iaveh. Fa izay maneso ahy mandratra ny fanahiny izay rehetra mankahala ahy, mila faty.» «Ianareo, ry olona, no hiantsoako, ary ny zanak’olombelona no alehan’ny feoko.
fa efa nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa amin’ny voa tsy mety lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.
Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà . Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa dia hidina ambanin’ny tany. Hatolotra ho an’ny sabatra, ho rembin’ny amboahaolo. Dia hifaly amin’Andriamanitra ny mpanjaka; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, satria hakombona ny vavan’ny mpandainga. Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao, mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina; mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko, ao amin’ny tany maina mangentana tsy misy rano.
Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho; ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray, izay tsy hofoanana; Ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hianiana amiko.
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
Niseho tamiko tany lavitra tany i Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao.
Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra.
Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin’ny lahateniko. Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin’ny fonao.
Noho izany, araka ny tenin’ny Fanahy Masina hoe: Anio raha mandre ny feony ianao, aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an’efitra,
Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe. Nahita zavatra maro ianao, fa tsy nahatana na inona na inona; nisokatra ny sofiny, fa tsy nandre na inona na inona izy. Sitrak’i Iaveh noho ny fahamarinany, ny nanome lalàna lehibe sy be voninahitra! Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany. Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra; voahiboka ao an-tranomaizina izy; robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy, baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: «Avereno!» Iza aminareo moa no hety handre izany dia handinika sy hihaino amin’ny sisa? Iza no nanolotra an’i Jakôba horobaina, sy i Israely hobaboina? Moa tsy i Iaveh va, izay nanotantsika? Tsy nety nanaraka ny lalany izy ireo; ary ny lalàny tsy nohenoiny? Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny. Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho. Enga anie ka hihaino ny teniko ianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy:
Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‹Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra.› Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.
Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany; ka aoka ho vitsy teny ianao. Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy, ary inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany, afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny? Mamy ny torimason’ny mpiasa, na kely na be no hanin-kohaniny; fa tsy ahitan’ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany. Misy loza makadiry hitako tatỳ ambany masoandro, dia harena tahirizin’ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany, Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany; ary raha mitera-dahy ralehilahy, dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany. Ny toetra nivoahany avy ao an-kibon-dreniny no hiverenany ao, dia mitanjaka toy ny niaviany avy ao ihany; fa tsy hahazo na inona na inona avy amin’ny asany, ho azony entina eny an-tanany. Fahoriana lehibe koa izao, dia ny hahalasanany toy ny niaviany: ka inona no soa azony, tamin’ny nisasarany ho an’ny rivotra? Fanampin’izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana. Ka izao no hitako: Tsara sy mety ho an’ny olona ny mihinana sy misotro, ary ny mahazo miadana amin’ny asa rehetra ataony, izay imasoany atỳ ambany masoandro, mandritra ny andro iainany, omen’Andriamanitra azy; fa izany no anjarany. Fanampin’izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin’Andriamanitra hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin’izany ary mifaly amin’ny asany: dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fa tsy eritreretiny loatra amin’izay ny andro iainany, satria efa rotsahan’Andriamanitra fifaliana ny fony. Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy; ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin’adala.
Noho izany, dia tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra koa izahay, satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo, araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo efa mino.
Hanome hery ny vahoakany i Iaveh: hanambina ny vahoakany, amin’ny fanomezam-piadanana azy i Iaveh.
Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry, manombena saina amin’ny fampianarako.