Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Manoloana Azy ny famirapiratana amam-pahalehibeazana; ao amin’ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.
Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao!
Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin’ny tarehiny, hahatsinjo tany midadasika lasa lavitra.
Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitienina . Tononkiran’i Davida. Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao amin’ny tany rehetra!» Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
Omeo an’i Iaveh, ny voninahitry ny Anarany. Mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao, mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina; mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko, ao amin’ny tany maina mangentana tsy misy rano.
Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any! biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra, mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia! Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra! Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra. Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary ianareo rano ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.
Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh; nataonao tamim-pahendrena izy rehetra. Henika ny harenao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka; iriariavam-biby tsy hita isa, ao ny kely, ao ny lehibe.
Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?
Naka fanahy an’Andriamanitra tsy an-kijanona izy ireo, ary nihantsy an’ilay Masin’i Israely!
Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Ny manaraka ny fampianaranao dia ahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra.
Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana? Ataovy miposaka aminay ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.
Mpanjaka i Iaveh, mitafy fiandrianana Izy, mitafy i Iaveh, misikina hery Izy: ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.
Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; lalana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.
Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.
mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva. Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny. Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Iaveh, ka mahafaly ny fo; madio ny didin’i Iaveh, ka mampahazava ny maso.
Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra! Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.
Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny Anaranao.
Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!
Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo, fa na dia i Salômôna tao amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany, ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
Mamindra fo sy miantra i Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po. Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
Miankohofa eo anatrehan’i Iaveh amin’ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany ianareo monina amin’ny tany rehetra!
Dia nitarika azy araka ny fahitsian’ny fony, i Davida, ary nitondra azy tamin’ny tanana kinga.
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!
Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana. Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin’ny fijinjàny.
na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina, ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan’Andriamanitra; ny fonenany masina onenan’ny Avo indrindra.
Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa.
Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
Mampiteraka ny serfa vavy ny feon’i Iaveh, sady mampihintsan-dravina ny ala be; ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: «Voninahitra!»
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny. Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela; hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny; hamboatra ny tanàna simba, mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.
Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy; hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
I Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siôna! Enga anie ka hahita an’i Jerosalema miadana tsara ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao!
Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! - Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao, namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,
Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Salamo. Fihirana. Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra! hampamirapiratra ny Tavany amintsika anie Izy! - Selà
Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: «Manjaka ny Andriamanitrao!»
Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.
Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra! Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra. Amen! Amen!
Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy.
Ka dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao; fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.
Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.
Hankalazaiko ny famindram-pon’i Iaveh, ny fiderana an’i Iaveh, noho izay rehetra efa nataon’i Iaveh ho antsika, noho ny hatsaram-pony lehibe amin’ny taranak’i Israely, izay nasehony azy araka ny fiantràny sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.
Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; lalana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy. Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy. Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra; manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh, tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny.
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
Ary ny amiko, noho ny famimdram-ponao lehibe, dia handeha ho ao an-tranonao aho; hiankohoka manatrika ny tempolinao masina amim-pahatahorana Anao aho.
Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
Manisa ny isan’ny kintana Izy, ary tononiny samy amin’ny anarany avy izy rehetra. Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.
Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria. Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra Anao ny mpino Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao. Manohana an’izay rehetra lavo i Iaveh, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika. Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy. Sokafanao ny tananao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra. Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh, ary mamindra fo amin’ny asany rehetra. Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa. Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy. Sitrako ny misaotra Anao isan’andro, sy ny mankalaza ny Anaranao mandrakizay doria!
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh! Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra. Lazao eo amin’ny firenena hoe: «I Iaveh no mpanjaka»; ka hitoetra sy tsy hihetsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny Izy, Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany. Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany. Lazao isan’andro ny famonjeny,
Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.
Avia ka banjino ny asan’Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin’ny zanak’olombelona.
Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
nirehitra tato anatiko ny foko; tamin’ny fieritreretako dia nisy afo nirehitra, ka tonga teo amin’ny lelako ny teny.
Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao.
Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any! biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra, mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia! Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra!
Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin’ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon’i Iaveh aho, mandritra ny andro lava.