Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.
Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Ao amin’Andriamanitra no onenan’ny fahendrena amam-pahefana, ary ny fahalalana amam-pahazavan-tsaina.
Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana. Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo, sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy, Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe: «Aza mandray! Aza manandrana! Aza manendry!» Nefa zavatra manjary levona foana avokoa amin’ny fomba fampiasana azy fotsiny izany zavatra rehetra izany! - Eisy! didy sy fampianaran’olombelona foana izany; sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy. Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.
Fa izay toa fahadalàn’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana, ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.
Ny manao ratsy no ataon’ny adala ho lalao; ary toy izany koa ny fahendrena amin’ny olona manan-tsaina.
Izay Izy vao nilaza tamin’ny olombelona nanao hoe: ‹Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana› ».
Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena; nefa soa manan-tombo ny fahaizana, dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena.
Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.
Mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany, na an’ny mpanapak’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona; fa fahendren’Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika;
Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin’ny vavako, ary aza mivily miala amin’izany. Aza mahafoy azy fa harovany ianao; tiavo izy fa hitahiry anao.
mampandry sofina tsara hihaino ny fahendrena ianao, ka mampiròna ny fonao ho amin’ny fahalalana;
Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin’ny sakeli-dalan’ny fahitsiana.
Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.
Tsy miantso va ny fahendrena, ary tsy manandra-peo ve ny fahalalana? Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana. Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy. «Izaho Fahendrena, dia miara-monina amin’ny fahamalinana, ary manana ny fahaizana sy ny fandinihana. (Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako. Ahy ny fisainana amam-pahombiazana; Izaho no fahazavan-tsaina, ahy ny hery. Izaho no anjakan’ny mpanjaka, sy andidian’ny mpanapaka izay rariny. Izaho no anapahan’ny mpifehy, mbamin’ny lehibe, dia ny mpitsaran’ny tany rehetra. Tiako izay tia ahy, ary mahita ahy izay fatra-pikatsaka ahy. Ato amiko ny harena amam-boninahitra, ny soa mateza amam-pahamarinana. Ny vokatro ambony vidy noho ny volamena, dia volamena madio indrindra; ary ny avy amiko dia mihoatra noho ny volafotsy voafantina. eo an-tampon’ny toerana avo, eo amin’ny lalana, eo an-tsampanan-dalana izy no lasa mipetraka;
Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy; ary ny manan-tsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana,
Izay mahita ahy, nahita fiainana; sady mahazo sitraka amin’i Iaveh. Fa izay maneso ahy mandratra ny fanahiny izay rehetra mankahala ahy, mila faty.»
sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.
Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin’ny lahateniko. Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin’ny fonao.
Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry, manombena saina amin’ny fampianarako.
Endrey izany fitiavako ny lalànao! izy no fisaintsainako tontolo andro. Ataonao hendry noho ny fahavaloko aho, amin’ny didinao, satria ato amiko mandrakariva izy.
Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana, fa ny vavan’ny adala mifahana fahadalana.
Fa aiza kosa no ahitana ny fahendrena? Aiza no fitoeran’ny fahalalana? Ny olombelona tsy mahay manombana azy; ny tanin’ny velona tsy ahitana azy.
Ny fahendrena no itsanganan’ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy. Nandalo ny sahan’ny kamo aho, sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala. Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza, roy no mandrakotra eny rehetra eny, mirodana koa ny tamboho vato aminy. Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao: Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory, dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao. Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin’ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Iza no nitari-dalana ny Fanahin’i Iaveh, ary iza no nanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany mba hanoro hevitra Azy sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana? ary hampianatra Azy ny fahendrena sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?
Rehefa tonga ao am-ponao ny fahendrena, ka hankafizin’ny fanahinao ny fahaizana, dia hitandrina anao ny fisainana, ary hiambina anao ny fahalalana,
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina.
Izay mahatam-bava no manana ny fahaizana, ary izay mihaminkamin-tsaina dia olona manan-tsaina.
Izay mahazo fahalalana no tia ny fanahiny, ary izay manaraka ny fahamalinana hahazo ny fahasambarana.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: «Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy»;
Ny olon-dratsy tsy mahalala ny mety, fa ny mitady an’i Iaveh kosa, mahalala ny zavatra rehetra.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Ny mpamazivazy mitady, fa tsy mahita ny fahendrena; fa mora azon’ny manan-tsaina kosa ny fahaizana.
Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.
Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitrapon’ny Tompo.
Mandehana mankany amin’ny vitsika, ry ilay kamo; diniho ny lalany ka mbà hendry. Tsy mana-mpifehy izy, na mpitandrina ny ataony, na mpanjaka, nefa fahavaratra izy mamory hanina, manangona ny fivelomany izy amin’ny fijinjana.
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Izay hendry am-po mandray ny didy; fa ny adala amin’ny vavany kosa mamantana amin’ny fahaverezana.
Manafoana ny tetikadin’ny mpamadika Izy, ka tsy mahatanteraka ny teti-dratsiny ny tanan’ireny. Maningotra ny fetsy amin’ny hafetseny izy, ary mandrava ny tetikadin’ny fetsy ratsy,
Hafaliana ho an’ny olona tsy ampy saina, ny hadalana, fa ny olona manan-tsaina, momba ny lala-mahitsy.
Mahafinaritra erỳ ny teny aloaky ny vavan’ny hendry; mihinana ny tenany kosa ny molotry ny adala.
Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena; manandra-peo any amin’ny kianja izy. Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe:
Mba ho tonga hendry, henoy ny fampianarana, fa aza ariana. Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!
Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.
Henoy, anaka, ny anatry ny ray, ary mitandrema mba hahazo fahalalana, Henoy, anaka, ary raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao. Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin’ny sakeli-dalan’ny fahitsiana. Raha mandeha ianao tsy ho ety lalana, raha mihazakazaka tsy ho tafintohina. Tano ny fahalalana ka aza avela; raketo izy fa fiainanao. Aza miditra ny sakeli-dalan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny olon-dratsy. Halaviro izany fa aza lalovana akory; mivilia ianao, dia mizora. Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny; ary tsy mahita tory tsy nahalavo olona; Mofom-paharatsiana no fihinany, divaim-pahalozàna no fisotrony, Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro. Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy. fa fampianarana soa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.
hoentinao amin’ny torohevitrao aho, dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.
Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao; ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao.
Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao!»
Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana.
Tahiry raketin’ny hendry ny fahendrena; fa loza mananontanona kosa ny vavan’ny adala.
Ny zanaka hendry vavolombelon’ny fampianaran-drainy; fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana.
Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy asio fahalalana; ny fahalalana asio fahalalana onony; ny fahalalana onony asio fandeferana; ny fandeferana asio fitiavam-bavaka;
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho satria ny fampianaranao no fisaintsainako.
Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana, fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao. Aza mifanditra foana aman’olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy. Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana hombàny kely akory; satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra. Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano. Mananihany izay mpananihany Izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena. Anjaran’ny hendry ny voninahitra; fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany. Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao, eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.
Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon’ny hendry, sady mampitombo ny fahalalana eo amin’ny molony.
Anaka, tandremo izao fahendreko izao, ary mampandria sofina amin’izao fahalalako izao; fandrao dia olon-kafa no hivoky amin’ny fanananao, ary hifindra any an-tranon’ny sasany ny vokatry ny asanao; fandrao dia mitoloko ianao any am-parany, rehefa avy izay hahalevonan’ny nofonao amam-batanao; ka hanao hoe: «Naninona re aho no nankahala famaizana, ary naninona re ny foko no nanamavo fananarana? Naninona re aho no dia tsy nihaino ny feon’ny mpampianatra ahy, ka tsy nampandry sofina tamin’ireo nampianatra ahy? Efa saiky tonga tamin’ny fara fahoriana aho, teo afovoan’ny vahoaka sy ny fiangonana.» Ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao no sotroy, ny rano mandeha avy amin’ny fantsakanao. Tsy hipariaka any ivelany anie ny loharanonao; ary tsy handeha any amin’ny kianja anie ny sakeli-dalanao! Aoka ho anao irery izy, fa aza iombonana amin’ny hafa. Hosoavina anie ny loharanonao, ary ny vadin’ny fahatanoranao no ataovy fifalianao. Fa serfa vavy mahatehotia izy ary gazela mahafinaritra, ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava, ary ho raiki-pitia azy mandrakariva ianao! mba hitahirizanao ny fisainana, sy haharetan’ny molotrao amin’ny fahalalana.
Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana. Fahaizany no nivakian’ny hantsana, sy ampitetevan’ny rahona ny ando.
Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany, ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely. Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao; ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao.
Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.
Araka ny haben’ny fahalalany, no anombanana ny olona; nefa izay ratsy fo, dia atao tsinontsinona.
Kanefa ny fanahy napetraka ao anatin’ny olombelona, dia ny fofon’ain’ny Tsitoha no manome ny fahazavan-tsaina.
hahalalana ny fahendrena amam-pahaizana, hahafantarana ny lahateny misy saina; Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena; manandra-peo any amin’ny kianja izy. Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe: «Mandra-pahoviana, ry kely saina, no hitiavanareo ny fahakelezan-tsaina? Mandra-pahoviana no hifalian’ny mpananihany amin’ny fananihaniana, ary hankahalan’ny adala ny fahaizana? Mitodiha ianareo hihaino ny fananarako, dia indro haidiko ao aminareo ny fanahiko, hampahafantariko anareo ny teniko. Noho izaho miantso anefa, fa lavinareo, noho izaho mamela-tanana, fa tsy misy mitandrina, noho ianareo tsy manahy ny saina atolotro rehetra, ary tsy tianareo akory ny fananarako: dia izaho kosa hihomehy anareo tra-pahoriana, hananihany anareo raha avy izay zava-mahatahotra anareo, raha avy hamely anareo, toy ny rivo-doza, ny zava-mahatahotra, raha hanarona anareo, toy ny tafio-drivotra ny loza, raha hianjeràm-pahoriana amin’ahiahy ianareo. Amin’izay izy ireo hiantso ahy fa tsy hovaliako, hitady ahy fa tsy hahita ahy, satria izy ireo nankahala ny fahaizana, ka tsy naniry ny fahatahorana an’i Iaveh; hahazoana fampianarana mazava, ny fahamarinana, ny rariny, ary ny hitsiny; satria tsy nandray ny saina natolotro, ary tsy nanao ho zavatra ny fananarako rehetra, dia hihinana ny vokatry ny lalany izy, sy hivoky ny saim-pantatry ny tenany. Fa ny faniasiavan’ny tsy mahalala no mamono azy, ary ny tokin’ny tsy misy saina no mahavery azy. Fa izay mihaino ahy kosa handry feizay; ho velona amim-piadanana izy fa tsy hatahotra ny loza.» hanomezam-pahafantarana ny kely saina, ary fahalalana sy fandinihana ho an’ny tanora.
Anaka, raha hendry ny fonao, izaho koa, dia hifaly ny foko. Dia hientan-kafaliana ny kiboko, raha miteny izay marina ny molotrao.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
eo amin’ny molotry ny manan-tsaina, ny fahendrena, fa tsora-kazo kosa no ho eo amin’ny lamosin’ny tsy ampy saina.
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.
I Iaveh no mitarika ny dian’ny olona; ary ataon’izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?
Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.
Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.
Kapohy ny mpamazivazy, dia hihahendry ny kely saina; anaro ny olona manan-tsaina dia hahazo ny fahaizana izy.
Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin’ny Seoly, ny fahafatesana no miandry azy, manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy, ary ny ambiroany dia hihalevona any amin’ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.
Ny fananarana indray maka manan-kery amin’ny manan-tsaina, noho ny kapoka zato amin’ny olona adala.
Adala izay mitoky amin’ny fon’ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.
Iza moa no tahaka ny hendry, ary zovy no mahalala ny anton-javatra, toa azy? Ampamirapiratin’ny fahendren’ny olona ny tarehiny, ary ny tarehiny marokoroko dia voaova.
eny, raha miantso ny fahamalinana ianao, ka manandra-peo amin’ny fahafantarana, raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy ianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra;
faizo ny zanakao fa mbola misy antenaina ihany; nefa aza dia lasa loatra ka mahafaty azy.
Anaka, raha mitsahatra tsy mihaino fampianarana ianao, dia hanalavitra ny tenin’ny fahaizana.
Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.
Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza. Iza àry no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara, ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.
Aoka ny masonao hahitsy fijery, ary ny hodi-masonao hanitsy eo anoloanao. Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao, ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra. Aza mivily miankavanana na miankavia; ary esory amin’ny ratsy ny tongotrao.
Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!
Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona; rano tondraka ny loharanon’ny fahendrena.
Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany; fa ny mason’ny adala dia any am-paran’ny tany.
Marina avokoa izy, ho an’izay mazava saina; ary mahitsy ho an’izay nahazo ny fahaizana.»
Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina, ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry.
Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy; ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany.
Koa avy aiza àry ny fahendrena? Aiza ny fitoeran’ny fahalalana? Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izy, ary takona amin’ny voron’ny lanitra.
Anaka, aza manadino ny fanoroako, ary tanonao am-ponao ny didiko. Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao, ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao. Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh, ary aza mankahala ny famaizana ataony. Fa izay tian’i Iaveh no faiziny, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany. Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio. Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra. Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia. Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra. Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy, ary sambatra izay mifikitra aminy. Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana.
«Ka izao, anaka, henoy aho; Sambatra izay manaraka ny lalako! Mba ho tonga hendry, henoy ny fampianarana, fa aza ariana. Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!
Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
Famaranana ny lahateny, rehefa heno avokoa izy rehetra: Matahora an’Andriamanitra ary mitandrema ny didiny, fa izany tokana no izy amin’ny olombelona; satria holazain’Andriamanitra amin’ny fitsarana avokoa, ny zava-miafina rehetra, mbamin’ny asa rehetra, na tsara na ratsy.
Aza mananatra ny mpananihany fandrao dia hàlany ianao; fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. Omeo hevitra ny hendry, hihahendry kokoa; toroy saina ny marina, hitombo fahalalana.
Ny fon’ny olona manan-tsaina no itoeran’ny fahendrena, ka eo afovoan’ny adala dia fantatra eo ihany izy.