Ry sakaiza, fantatro fa mety misy fotoana sarotra eo amin'ny fiainana, fotoana mahatonga antsika hisalasala sy hanontany tena hoe inona no lalana tokony haleha. Fa tiako ho fantatrao fa misy hery iray afaka mitarika antsika, dia ny Tenin'Andriamanitra. Tena velona izy io ary mahery, afaka manova ny fiainantsika.
Rehefa maizina ny lalana, dia toy ny jiro ho an'ny tongotsika sy fanilo ho an'ny diantsika ny Tenin'Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin'ny Salamo 119:105. Tsy vitan'ny hoe manazava ny lalantsika fotsiny izy io, fa mampiseho amintsika koa ny fitiavan'Andriamanitra lehibe ho antsika tsirairay avy.
Tsy ampy fotsiny anefa ny mino fa marina ny Tenin'Andriamanitra. Mila ampiharina eo amin'ny fiainana andavanandro koa izy io. Mila saintsainina sy arahina ny fampianarany. Izany no fomba hahazoantsika ny hery sy ny fahendrena entin'ny Tenin'Andriamanitra.
Aza mieritreritra hoe zavatra efa lany andro ny Tenin'Andriamanitra. Tsy mba lamaody izy io fa hery maharitra mandrakizay. Koa avelao izy io hitarika anao sy hanazava ny lalanao. Matokia fa tsy handiso fanantenana anao mihitsy Andriamanitra.
Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy: «Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa, sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo.»
Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin’ny lahateniko. Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin’ny fonao.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn’ny fahamarinanao.
Andriamanitra! ...lavorary ny lalany. Ny tenin’Andriamanitra dia fantatra ho to; ampinga izy ho an’izay rehetra matoky azy.
fa efa nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa amin’ny voa tsy mety lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.
Koa lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy hisy hahemotra intsony ny teniko; fa efa ho tanteraka ny teny ataoko. - Teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin’ny vavako, ary aza mivily miala amin’izany.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin’ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman’alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin’izany dia hiadana amin’ny lalanao rehetra sy hahomby tsara ianao.
Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin’izany akory, fa tandremo ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay handidiako anareo.
Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako.
Noho ny fahorian’ny ory, amam-pisentoan’ny mahantra, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy i Iaveh, dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.
Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.
Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!
Voazaha toetra tanteraka ny teninao, ka tia azy ny mpanomponao. Sady kely aho no mavomavo, fa tsy mba manadino ny didinao. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, ary ny lalànao dia fahamarinana. Tratry ny fahoriana aman-tebiteby aho; ny didinao no fahafinaretako. Marina mandrakizay ny fampianaranao, omeo ny fahazavan-tsaina aho, mba ho velona.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,
Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy.
«Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»
Koa ataovy ao amin’ny fonareo sy amin’ny fanahinareo àry izao teny lazaiko anareo izao: Fehezo ho famantaranareo amin’ny tananareo izy, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonareo.
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.
Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.
Hataon’ny zatovo ahoana no fahatonga ny lalany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao.
Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny.
Voazaha toetra tamin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra; ampinga ho an’izay mialoka aminy izy.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Tsy nivily niala teo amin’ny didin’ny vavany aho, ary ny sitrapoko nofolahiko nampanekeko ny didin’ny molony.
fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorina taminareo.
Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny. Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.
Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.
Noho izany, dia tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra koa izahay, satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo, araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo efa mino.
Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina. Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.
Aleo mitady fialofana amin’i Iaveh, toy izay mitoky amin’olombelona. Aleo mitady fialofana amin’i Iaveh, toy izay mitoky amin’ny mpanapaka.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
Fa izay mitandrina ny didiny no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa; ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
mba ho zavatra roa tsy manam-piovana sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika no hahazoantsika fanalana alahelo mahery; fa efa mihazakazaka isika hihazona ny fanantenana natolotra antsika.
Hoy koa Izy tamiko: «Ry zanak’olona, alatsaho am-po avokoa ny teny holazaiko aminao, ary henoy amin’ny sofinao, izy.
Ny manaraka ny fampianaranao dia ahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra.
Nampietry tena anao Izy sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin’ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay rehetra mivoaka ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.