Ny sorona dia fanatitra ho an'Andriamanitra, maneho fankatoavana, fiezahana ary fanoloran-tena, miaraka amin'ny fanantenana handray fitahiana. Midika izany hoe manome an'izay rehetra takian'ny Tompo amintsika, tsy misy fandavana na inona na inona, mankato ny didiny tsy misy fepetra ary tsy miandry fanazavana.
Hitantsika ao amin'i Jesosy ohatra mazava momba izany: nilain'Andriamanitra ny fampihavanana izao tontolo izao Aminy, satria ny fahotana no nisakana antsika tsy ho eo anatrehany amin'ny voninahiny, fa ny soron'i Jesosy kosa dia mamela antsika hivavaka amin-kalalahana amin'ny Raintsika any an-danitra.
Ireo sorona ataonao eo amin'ny fiainanao dia mitondra anao any amin'ny tanjona iray foana, ary noho izany dia ataonao am-pitiavana izy ireny, miandrandra ny hahita ny vokatra irina. Tsy noeritreretin'ny Tompontsika ny fanaintainana niainany; ny hany tanjony dia ny fanatanterahana ny sitrapon-dRainy teto an-tany.
Nanao sorona ny zanany Andriamanitra mba tsy ho very isika, koa inona no vonona hafoinao ho an'Andriamanitra? Rehefa misy zavatra angatahiny aminao, dia tokony ho vonona ianao hanaiky tsy misy fepetra ireo fahasahiranana ateraky ny fanatanterahana ny didiny, maneho fitiavana tanteraka izay mety hitondra anao hatramin'ny fahafatesan'ny fitiavan-tena, ny fireharehana ary ny faniriana fankatoavana avy amin'olona.
Tsy natao hampiaiky volana ny hafa ireo sorona ataonao, fa ho toy ny fanehoam-pitiavana amin'ny Mpamorona anao. Aza mandà ny hanome ny fotoananao, ny volanao na ny fianakavianao, satria na dia ny fihetsika kely indrindra aza dia mety hiteraka zava-dehibe. Andriamanitra dia nanolotra ny ain'ny zanany mba hamonjena antsika, ary amin'ny alalan'ny sorontsika ankehitriny dia maro ny aina voavonjy amin'ny afobe.
Na dia mety ho mafy aza indraindray ny sorona, matokia fa ny Fanahy Masina no hanohana anao amin'ny fotoana rehetra ary tsy hamela anao ho lavo.
Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.
Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.
Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra.
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.»
dia hodoranao hanetona eo ambony ôtely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an’i Iaveh izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerany masina anie Izy; hanohana anao avy any Siôna anie Izy!
Raha ny iray amin’ny sarambabem-bahoaka no nanota tsy nahy, nanao ny iray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, ka tonga meloka izy,
rehefa fantany ny helony, dia osy vavy lava volo, tsy misy kilema, no hatolony hatao fanatitra noho ny fahotana nataony.
Hametra-tanana eo ambonin’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.
Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana.
Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.
Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason’i Iaveh mihoatra noho ny sorona.
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:
Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy.
Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra, notevehinao ny sofiko; tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.
Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,» miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.
Andriamanitra i Iaveh; mampamirapiratra ny fahazavana amintsika Izy. Rohizo kofehy ny sorona, hatreo amin’ny tandroky ny ôtely.
Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.
Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.
Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
«Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Koa dia sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena amin’ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ny fisaorana no atero ho sorona ho an’Andriamanitra, ary efao amin’ny Avo indrindra ny voadinao.
Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina, sy nilazana azy hoe marina, fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny.
Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.
Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an’i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra, raisiny an-kafaliana.
raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.
Isa-maraina ny mpisorona, rehefa niakanjo ny tonîka rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtely, ka hametraka azy eo anilan’ny ôtely.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Fa fanahy torotoro no sorona ho an’Andriamanitra; aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.
Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,
Manasa ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny aho, ary manodidina ny ôtelinao aho, ry Iaveh,
mba handefa feo fiderana ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra.
Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra, na misy maty ho an’ny tenany;
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha Tompon’ny maty sy ny velona Azy.
Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
Omeo an’i Iaveh ny voninahitra mendrika ny Anarany. Mitondrà ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’izao andro ratsy izao, araka ny lahatr’Andriamanitra Raintsika.
«Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy,
Raha manatitra sorom-pisaorana amin’i Iaveh ianareo, dia atolory araka izay ankasitrahana azy.
Lazao aminy hoe: Ny olona rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izay mbola manam-pahalotoana ao aminy, nefa manakaiky ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia hofongorana eo anatrehako. Izaho no Iaveh.
Izay andro amonoana azy ihany no ihinanana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina. Izaho no Iaveh.»
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.
Satria raha velona ara-nofo ianareo dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.
Satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!
Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;
Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo, satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin’ny taona mifandimby ao amin’ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh, dia eo amin’izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao.
Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy,
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Matahora ka aza manota intsony! Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo, ka mitsahara! - Selà
Izaho kosa dia ory sy mijaly; hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra!
Hankalaza ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho; hanandratra Azy amin’ny fisaorana.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin’ny an’ny mpanota, ary ny aiko miaraka amin’ny an’ny olona mpandatsa-dra,
Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.
Ary rehefa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe: «Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko»;
Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; -
Raha efa izany, niteny i Ezekiasa ka nanao hoe: «Vita fanokanan-tena ho an’i Iaveh indray izao ianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon’i Iaveh.» Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.
dia hampiharihary ny fahamarinany Izy amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Dia nianiana tamin’Ilay atahoran’i Isaaka i Jakôba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.
mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.
Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.
satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho, hanefa aminao ny voadiko,
izay efa notononin’ny molotro, sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana, mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy; mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy ho sorona dorana aho. - Selà
Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;
Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»
Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.
fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
satria ny ain’ny nofo dia amin’ny ra, ka ny hanolorana azy eo amin’ny ôtely hanaovana fanonerana ho an’ny ainareo, no nanomezako azy anareo, fa noho ny aina ao aminy no ahavitan’ny ra fanonerana.
Dia halàny daholo ny sabora toy ny fanalana ny saboran’ny zanak’ondry amin’ny sorom-pihavanana dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany noho ny ota nataony, dia ho voavela ny otany.
Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ho an’izany olona izany, ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany.
Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny, mbamin’ny taviny. Ary i Iaveh nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,
Fa amin’izany andro izany no hanaovana ny fanonerana ho anareo, mba hanadiovana anareo, ka hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra, eo anatrehan’i Iaveh ianareo.
Dia hovonoiny ny osy lahy, sorona noho ny ota, izay ho an’ny vahoaka, ka hoentiny miditra ao amin’ny efitra lamba ny rany, hataony tahaka ny nanaovany ny ran’ny ombalahy; dia hafafiny amin’ny fanaovam-panavotana.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.