1Korintiana 15 - Baiboly KatolikaIII. NY FITSANGANAN’NY MATY Misy ny fitsanganan’ny maty 1 Ampahatsiaroviko anareo, ry kristianina havana, ny Evanjely notoriko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo, 2 ary hahazoanareo famonjena, raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo. 3 Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina; 4 dia nalevina Izy, sy nitsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo. 6 Manaraka izany dia niseho tamin’ny havana iray finoana tsy omby dimanjato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. 7 Raha efa izany, dia niseho tamin’i Jakôba izy, vao tamin’ny Apôstôly rehetra. 8 Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana. 9 Fa ambany indrindra amin’ny Apôstôly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apôstôly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin’Andriamanitra aho; 10 saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko. 11 Koa izany àry no torìnay, na izaho na izy ireo; ary izany koa no ninoanareo. 12 Raha torina ho nitsangan-ko velona àry i Kristy, ahoana ity ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan’ny maty? 13 Raha tsy misy ny fitsanganan’ny maty, na dia i Kristy aza tsy nitsangana avy any amin’ny maty; 14 ary raha tsy nitsangana avy any amin’ny maty i Kristy, dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo! 15 Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra, satria tombotomboka foana no nilazanay an’Andriamanitra ho nanangana an’i Kristy avy any amin’ny maty, nefa tsy natsangana izy tsinona, raha marina fa tsy mitsangana ny maty. 16 Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangana avy any amin’ny maty, raha tsy mitsangana ny maty. 17 Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo; 18 ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy. 19 Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra, raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy. 20 Tsy izany anefa, fa efa nitsangana avy any amin’ny maty tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nody mandry; 21 satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, ka dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty; 22 ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy, 23 fa manaraka ny laharany avy: i Kristy no santatra, dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany. 24 Rehefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra sy amin’ny Ray ny fanjakana, rehefa levony avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. 25 Satria tsy maintsy manjaka Izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony. 26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony. 27 Ary rehefa nataony hoe: Nampanekena ny zavatra rehetra, dia fantatra mazava fa tsy anisan’izany izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra. 28 Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra. 29 Raha tsy izany, ahoana ny amin’ireny atao batemy ho an’ny maty ireny? Raha tsy mitsangana velively ny maty, nahoana ireny no atao batemy ho azy? 30 Ary ahoana no dia anaovanay vy very ny ainay mandrakariva? 31 Marina amin’ny reharehako ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika noho ny aminareo, ry kristianina havana, raha tsy isan’andro aho no toa ho faty ihany e! 32 Raha araka izay hevitr’olombelona fotsiny no niadiako tamin’ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy mitsangana ny maty, aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e! 33 Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. 34 Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an’Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany. Ny fomba hitsanganan’ny maty 35 Fa hisy hanao hoe: «Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?» 36 Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. 37 Ary raha mamafy ianao, tsy ny tenan’izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa; 38 dia vao Andriamanitra no manome tena azy araka izay tiany; samy omeny tena manaraka ny karazany avy ny voa rehetra. 39 Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an’ny olona, hafa ny an’ny biby; hafa ny an’ny vorona, hafa ny an’ny hazandrano. 40 Misy tenan-javatra any an-danitra, misy tenan-javatra etỳ an-tany, fa hafa noho ny an’ny ny etỳ an-tany ny famirapiratry ny tenan-javatra any an-danitra; 41 hafa ny famirapiratry ny masoandro, hafa ny famirapiratry ny volana, hafa ny famirapiratry ny kintana; ary na ny samy kintana aza, samy manana ny famirapirany. 42 Toy izany koa ny fitsanganan’ny maty; mety lo izy no afafy, fa tsy mety lo no atsangana; 43 tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana; 44 vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana. Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy; izany no voasoratra hoe: 45 i Adama lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa i Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona. 46 Tsy ny ara-panahy anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy. 47 Avy amin’ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin’ny lanitra kosa ny Olona faharoa, ka lanitra. 48 Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. 49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa. 50 Fa izao indrindra no dia lazaiko, ry kristianina havana; tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra, ary tsy handova ny tsy fahalòvana ny fahalòvana. 51 Indro, milaza zava-miafina aminareo aho: tsy hody mandry avokoa isika rehetra, fa hovana isika rehetra. 52 Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika. 53 Fa ity mety lo ity, tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana; ary ity mety maty ity, hitafy ny tsy fahafatesana. Antsa fandresena sy famaranana 54 Ary rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona. 55 Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? 56 Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin’ny fahotana. 57 Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! 58 Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society