Isan'andro dia mahita ny famindram-pon'ny Tompo amintsika isika, ary noho ny fitiavany lehibe no mbola velona isika. Aza adinoina ny misaotra noho ity andro vaovao ity sy ny matoky ny fahamarinan'Andriamanitra.
Zava-dehibe ny manomboka ny andro amin'ny fametrahana an'Andriamanitra eo amin'ny toerana voalohany sy ny fitanana mafy amin'ny Teniny izay manohana antsika na inona na inona fitsapana.
Matetika isika no mifoha tsy te hifoha, na satria tsy fantatsika izay olana miandry antsika na ny fomba handaminana azy. Kanefa, amin'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fitahiany izay havaozina isan'andro, dia afaka mandresy ny zava-drehetra isika.
Atombohy amin'ny fieritreretana ireo zavatra tsara rehetra ananantsika ny maraina, dia hiova ny fomba fijerinao ireo olana miandry anao. "Mazotoa miasa, fa ho hitan'ny masonao ny soa azo avy amin'izany" (Ohabolana 22:29).
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Tsy hisy olona hahatohitra anao amin’ny andro rehetra hiainanao: tahaka ny nombako an’i Môizy no hombako anao koa; tsy hahafoy anao Aho na handao anao.»
Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria i Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.»
Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony.
Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Maro ny milaza ny amiko manao hoe: «Tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin’Andriamanitra!» - Selà
Kanefa, ry Iaveh, Ianao no ampingako; Ianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.
Miantso an’i Iaveh amin’ny feoko aho, dia mamaly ahy any an-tendrombohiny masina Izy. - Selà
Nandry aho dia natory; nifoha indray aho, fa i Iaveh no tohako.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira;
fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina.
Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.
Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany.
Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho, fa Ianao no itokiako; atoroy ny lalana tokony halehako aho, fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany!
Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory.
Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra:
ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.
Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko.
Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?»
fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa.
Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso; fa tsy fantatrao izay havoakan’ny andro manaraka.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Mifalia mandrakariva;
mivavaha lalandava;
ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
I Iaveh no miandany amiko, eo amin’izay mamonjy ahy, dia hahita ny faharavan’ireo mankahala ahy aho.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo.
Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô!
tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe.
Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!
Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy!
Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy ho menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona!
Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!»
Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao.
Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitra ô!
I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako.
Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina; ary mankasitraka ny lalany.
Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany; fa i Iaveh mitantana azy.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,
fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko; hanatitra sorona fisaorana aminao aho.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana?
Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.
Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka;
mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra,
mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
Reko avokoa ny vava ratsin’ny be sy ny maro, ny fangorohoroana mahazo ny manodidina, raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo, fa miray tetika hamono ny aiko.
Nefa matoky Anao aho, ry Iaveh, hoy aho hoe: Andriamanitro Ianao.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.
Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy.
Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!
Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.
Fihirana. Salamon’i Davida.
i Moaba tavin-drano fandroako, i Edôma anipazako ny kapako; Ny tanin’ny Filistinina no anaovako hobin-kafaliana!
Iza no hitondra ahy any amin’ny tany mimanda? Iza no hitarika ahy ho any Edôma?
Tsy Ianao izay efa nanary anay va, ry Andriamanitra, Ianao, ry Andriamanitra, izay efa tsy niara-nivoaka tamin’ny tafikay intsony?
Vonjeo amin’ny mpampahory anay izahay, fa zava-poana ny famonjena avy amin’olombelona.
Raha omban’Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika; Izy no hanorotoro ny fahavalontsika.
Efa nahazo toky ny foko, ry Andriamanitra ô, dia hihira sy hampanakoako zava-maneno aho. Mitsangàna, ry voninahitro!
Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.
ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?