Tsara foana ny mankasitraka amin'ny zavatra rehetra! Fomba iray mahafinaritra hanehoana fankasitrahana an'Andriamanitra noho ny fahasoavany ny mivavaka sy mitso-drano ny sakafo, satria faly Andriamanitra mahita ny zanany maneho fankasitrahana.
Rehefa mahatsiaro isika fa Izy no miantoka antsika isan'andro, aoka tsarovantsika koa ireo izay tsy manana izay ananantsika. Rehefa mivavaka ho an'ny sakafo sy ireo izay tsy ampy sakafo isika, dia manokatra varavarana ho an'ny fitahiana hivaingana ao an-tokatsika.
Araka ny voalazan'ny tenin'Andriamanitra (2 Korintiana 9:11) : "Hahazo izay rehetra ilainao ianareo mba hahafahanareo manome foana, ary amin'ny alalan'ny fanomezanareo dia hisaorana an'Andriamanitra ny olona." Mahafinaritra tokoa ny mitso-drano sy ny tsofin-drano!
Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Nony avy nilaza izany izy, dia nandray mofo, ka nisaotra an’Andriamanitra teo anatrehan’izy rehetra; ary novakiny ny mofo dia nihinana izy.
Fa hoy indray ilay feo taminy: «Aza ataonao hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.»
Hihinana ianao dia ho voky, ary hisaotra an’i Iaveh Andriamanitrao noho ny tany soa nomeny anao.
Ary hoy Andriamanitra: «Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany, mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo.
Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako.
Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy Izy: «Raiso ary hano; Vatako ity.»
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa. satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana.
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy. Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko. Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao. Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin’ny voromahery.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy. Sokafanao ny tananao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
Tamin’izay noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eny anoloan’ny vahoaka.
ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakiny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.
Ny mitandrina ny andro, dia mitandrina ho an’ny Tompo; ny mihinana koa, mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana, tsy mihinana ho an’ny Tompo ihany koa, sady misaotra an’Andriamanitra izy.
hasiako ahitra koa ny sahanao ho an’ny biby fiompy, ary hihinana ka ho voky ianao.
Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny; fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina, na ny taranany nangataka hanina.
Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.
Nandatsaka mana teny aminy hamelona azy Izy, ary varin’ny lanitra no nomeny azy. Dia samy nihinana ny mofon’ny mahery izy; nandefa hanina taminy Izy, ka nataony voky izy ireo.
Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.
Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao, namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,
Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho, ry Tompo Andriamanitra ô, ary hanome voninahitra ny Anaranao mandrakizay.
Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy Izy: «Raiso ary hano; Vatako ity.» Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: «Isotroinareo rehetra ity; fa Rako, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.
Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.
Diniho ange ny goaika e: tsy mamafy izy na mijinja, ary tsy manan-trano fitahirizan-kanina, na toeram-bary, fa Andriamanitra no mamelona azy, ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona! Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta, ary ny fanahy noana novokisany soa.
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Jereo fa an’i Iaveh Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
Manome rariny an’izay ampahorîna, manome hanina an’izay noana; i Iaveh manafaka an’izay voababo;
Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Manandratra ny ory hiala amin’ny vovoka Izy, manesotra ny mahantra hiala amin’ny zezika Izy; mba hampipetraka azy miaraka amin’ny andriandahy, dia miaraka amin’ny andriandahin’ny vahoakany.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
Raha efa izany dia miaraha mifaly amin’ny Levita sy amin’ny vahiny eo aminao, noho ny soa rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao.»
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.
Tsy ho voan’ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran’ozona kosa, izay mihirim-belona.
Ho fihinana ho anareo avokoa rehefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.
Izy rehetra miandry Anao, hanome ny haniny amin’ny fotoany. Manome azy Ianao, dia mandray izy; manokatra ny tananao Ianao, dia voky ny soa avy aminao izy.
Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina;
Aza misy andriamani-kafa eo aminao, aza mivavaka amin’ny andriamanitry ny vahoaka hafa.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason’ny fahavaloko Ianao, feno mitafotafo ny kapoakako.
Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany, mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy,
Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo;
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakiny, dia natolony azy ireo.
Rehefa niala teo i Jesoa dia nankany amoron’ny ranomasin’i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo. Ary hoy ny navaliny azy: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofin-drazanareo? Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny. Hany ka gaga dia gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza ny Andriamanitr’i Israely izy ireo.
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Fa nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy, ka novonjeny ho afaka tamin’ny fahaporetany.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.
I Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako; Ianao no miantoka ny anjarako. Norefesin’ny famolaina izay anjarako soa, eny lova soa indrindra no lasako ho ahy.
Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany.
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo, mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.
Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh, any amin’ny tanin’ny velona!...
Fa ny tany izay efa hidiranao hanananao azy, dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta nialanareo, izay namafazanao sy nampidiranao rano amin’ny tongotrao, toy ny saha fambolena anana. Fa ny tany halehanareo mba hanananareo azy, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha izay mifoka ny rano avy amin’ny ranonoran’ny lanitra, tany kolikolen’i Iaveh Andriamanitrao, ary tsinjovin’ny mason’i Iaveh tsy tapaka hatramin’ny voalohan’ny taona ka hatramin’ny faran’ny taona.
i Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy; fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra, dia homena anareo ho fanampiny izany rehetra izany. Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Dia nisaotra an’i Iaveh teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida, ka hoy i Davida: «Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie Ianao, ry Iaveh, Andriamanitr’i Israely rainay. Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra! Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra. Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.
mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Niantso an’i Iaveh, tao anatin’ny fahoriako aho; ary namaly ahy i Iaveh, ka nampahalalaka ahy.
ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.