Rehefa mahazo trano isika, dia tena iriantsika ny hanjakan’ny Tompo eo amin’ny ankohonantsika. Toy ny ialofantsika ao ambany fiarovany, dia tokony hatolotsika ho Azy koa ny fananantsika, satria avy Aminy no nahazoantsika izany.
Koa aoka isika hanatona ny Ray amim-pifaliana sy am-piraisan-kina mba hisaotra Azy noho ny fitahiany.
Ary zava-dehibe ny fanambarana ny teny fikasany isan'andro ao an-trano, mba hamiramirana ny fahazavan’i Jesoa eo amin’ny rindrina efatry ny tranontsika sy eo amin’ny ankohonantsika.
"Koa ankehitriny, mifona aminao aho, mba hotahio ny tranon'ny mpanomponao, hijanona eo anatrehanao mandrakizay; fa Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, no efa niteny, ary amin'ny fitahianao no hitahiana ny tranon'ny mpanomponao mandrakizay." (2 Samoela 7:29)
Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina. Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao. Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao.
Nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida mpanjaka nanao hoe: «Nambinin’i Iaveh ny ankohonan’i Obededôma sy ny ananany rehetra, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra.» Dia niainga nandeha i Davida, ka nampiakatra ny Fiaran’Andriamanitra avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida, nomba-mpanotrona maro niravoravo.
Halainao ny diloilo fanosorana dia hohosoranao ny Fonenana mbamin’izay rehetra ao aminy; hohamasininao izy sy ny fanaka rehetra momba azy, dia ho masina izy.
Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity, ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany; ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Hampitoeriko mandrakizay ao an-tranoko sy amin’ny fanjakako izy, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandrianany.
Dia hoy Izy tamin’ireo: «Efa voasoratra hoe: ‹Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana› fa ianareo kosa manao azy trano fandrian-dompy.»
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;
Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina. Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao. Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao.
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an’i Iaveh dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Iaveh.
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.
Hanozongozona ny firenena rehetra Aho ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy i Iavehn’ny tafika.
Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh, izay mandeha amin’ny lalany. Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany, ka dia sambatra sy voky soa. Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa, ao an-tokantranonao. Ny zanakao manahaka ny zanak’ôliva manodidina ny latabatrao. Toy izany no hitahiana ny lehilahy matahotra an’i Iaveh.
Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.
Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.
Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana. ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.
ka aoka ho sitrakao ny hitahy ny fianakavian’ny mpanomponao, mba haharetany mandrakizay eo anatrehanao. Fa Ianao, Iaveh Tompo, no niteny, ka amin’ny fitahianao dia ho voatahy mandrakizay ny fianakavian’ny mpanomponao.»
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin’ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon’i Iaveh aho, mandritra ny andro lava.
Fa Ianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin’ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divay vaovao.
Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao ity trano ity, hitoeran’ny Anarako mandrakizay, ary ho eo mandrakariva ny masoko sy ny foko.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Harem-be no ao an-tranon’ny marina; fikorontanana kosa no ao amin’ny fitomboan-karen’ny ratsy fanahy.
Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: Ho amin’ity trano ity anie ny fiadanana; ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.
Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Ny fahendrena no itsanganan’ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy. Nandalo ny sahan’ny kamo aho, sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala. Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza, roy no mandrakotra eny rehetra eny, mirodana koa ny tamboho vato aminy. Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao: Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany, ohon-tanana kely hatory, dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao, ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao. Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin’ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.
raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.
Manondraka ny tany voaasa Ianao, mandravona ny baingany, manalemy azy amin’ny tandrifin-drahona, mitahy ny fitsimohany.
Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: