Tsaroako fa tsy misy zavatra tsy hain'Andriamanitra, ary avy Aminy ny fanomezana tsara rehetra. Koa izay tetikasa rehetra kasaiko hotanterahina dia apetrako eo am-pelatanany mba hahazo vokatra mendrika sy marina.
Tadidio fa tsy ho an'olona isika miasa fa tsy maintsy miezaka mafy amin'ny asa rehetra, fa ho an'Andriamanitra.
Tsy tokony hanao izay hampifaly ny mpanjifa sasany ihany isika, fa tokony hanao araka izay tsara indrindra mba handraisana ny fitahian'Andriamanitra sy hahita izany mitombo eo amin'ny fiainantsika.
Apetraho amin'i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary ny fikasanao. Orom-paminaniana 16.3
Mahaiza miaina amim-piadanana, sy manatanteraka tsara ny raharahanareo, ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo,
Samy efa nofenoiny fahaizana hahavitana ny asa rehetra fisokirana sarin-javatra sy ilam-pahaizana, hanenomana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, asiana sary samihafa, hanaovana taozavatra samihafa isan-karazany ary hamoronana fomban-taozavatra vaovao.»
Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy; hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Halalaho ny itoeran’ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao, aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao, ary aoreno mafy ny tsima-day! Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao; ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao; ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.
Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Miseho eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo, ny fokonareo, ny loholonareo, ny mpifehy anareo, ny lehilahy rehetra amin’i Israely,
Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.
tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Iaveh Andriamanitrao sy handeha amin’ny lalany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny, mba ho velona ianao, sy hihamaro ary hambinin’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy.
Hovohan’i Iaveh ho anao ny raki-tsoany, dia ny lanitra, handatsahany ny ranonorana amin’ny fotoany eo amin’ny taninao, sy hitahiany ny asan-tananao rehetra. Firenena maro no hampisamboranao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.
Ao an-tanàna ianao hotahîna; any an-tsaha ianao hotahîna. Hifamofo amim-behivavy ianao, fa olon-kafa no hahazo azy; hanao trano ianao fa tsy honina aminy; hamboly voaloboka ianao, fa tsy hahazo ny vokany. Hovonoina eo imasonao ny ombinao, fa tsy hihinana amin’izany ianao, hotsoahana eo anatrehanao ny ampondranao, fa tsy haverina aminao izy, ary hatolotra ny fahavalonao ny ondrinao, fa tsy hisy hamonjy anao akory. Hatolotra ny firenena hafa ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ka ny masonao foana no hipitrapitra sy ho valalanina tontolo andro noho ny alahelo azy, fa ny tananao tsy hahefa na inona na inona. Ny vokatry ny taninao, ny vokatry ny asanao rehetra, hohanin’olon-kafa tsy fantatrao akory, ary ianao hampahorina sy homongoin’ny sasany isan’andro. Hanjary adala ianao amin’ny fijerena ny zavatra ho hitan’ny masonao. Hasian’i Iaveh fery ratsy tsy lai-panafody ny lohalikao sy ny fenao, hasiany hatrany am-paladianao ka hatrany an-tampon-dohanao. Hampandehanin’i Iaveh ianao sy ny mpanjaka natsanganao ho lohanao, ho any amin’ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razanao, dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo any ianao, ka hanjary figagan’ny olona sy fanao angano amam-pihomehezana ianao, any amin’izay vahoaka rehetra hitondran’i Iaveh anao any. Be no voan-javatra hoentinao any an-tsahanao fa kely no hakarinao, satria ho lanin’ny valala ireny. Hamboly voaloboka ianao, sy hanolikoly azy koa, fa tsy hisotro ary tsy hioty na inona na inona akory, satria hohanin’ny fositra ireny. Hotahina ny naloaky ny kibonao, ny vokatry ny taninao, ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny teraky ny biby manompo lehibe sy madinika. Hanana fototr’ôliva ianao amin’ny faritaninao rehetra, fa tsy hihosotra diloilo akory, satria hihintsana ny ôlivanao. Hiteraka zazalahy aman-jazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo. Ho lanin’ny bibikely ny hazonao rehetra sy ny vokatry ny taninao. Ny vahiny monina eo aminao hisondrotra hatrany ho ambony noho ianao; fa ianao kosa hietry mandrakariva ho ambany; izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy mba hampisambotra azy, izy ho lohany fa ianao kosa ho rambony. Hianjera aminao avokoa ireo ozona rehetra ireo, ary hanenjika sy hahatratra anao tokoa, mandra-paharinganao mihitsy, noho ianao tsy nanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, hitandremanao ny didy aman-dalàny nandidiany anao. Ary ho famantarana amam-pahagagana ho anao sy ny taranakao mandrakizay. Noho ianao tsy nanompo an’i Iaveh Andriamanitrao an-kafaliana sy an-jotom-po ho valin’ny fananam-be amin’ny zavatra rehetra; dia amin’ny hanoanana sy hetaheta, ary amin’ny fitanjahana sy tsy fananana na inona na inona kosa no hanompoanao ny fahavalonao, izay halefan’i Iaveh hamely anao; hanisy jioga vy ny vozonao mandra-pandringany anao Izy. Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao; Hotahina ny sobika sy ny vata fitahiriza-mofonao.
Izay malaina amin’ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan’ny mazoto kosa, manangon-karena.
Handidy ny fitahîny homba anao i Iaveh, amin’ny sompitrao sy amin’ny asan-tananao rehetra. Hotahîny ianao any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Halahatr’i Iaveh ho lohany ianao, fa tsy ho rambony. Ho ambony mandrakariva ianao, fa tsy ho ambany na oviana na oviana, raha tahiny ianao mitandrina ny didin’i Iaveh Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy,
Manomeza voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanananao, sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.
Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!
Tsarovy i Iaveh Andriamanitrao, fa Izy no nanome hery hamorianao izany, mba hahatanteraka ny fanekeny, izay nianianany tamin’ny razanao, araka izao ankehitriny izao.
Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona, mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina. Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Nomban’i Iaveh i Josefa, ka nahazoam-panambinana tamin’ny zavatra rehetra izy; nonina tao an-tranon’ny Ejiptianina tompony izy. Nalainy i Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin’ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin’ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina tao izy. Nomban’i Iaveh anefa i Josefa sady nanamparany ny hatsaram-pony, ary nampahazoany fitia tamin’ny mpitandrina ny tranomaizina. Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian’izay rehetra natao tao izy. Tsy nokarakarain’ny mpitandrina ny tranomaizina intsony izay rehetra mby an-tanan’i Josefa fa nomban’i Iaveh izy sady nomban’i Iaveh tamin’izay rehetra nataony. Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Tsy maintsy manome azy ianao, ary aza misy alahelo ny fonao, raha manome azy ianao, fa izany no hanambinan’i Iaveh anao amin’ny asanao rehetra sy amin’ny raharaha rehetra hataonao.
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.
Ny fikasan’ny olo-mazoto ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony.
Efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra rehetra hamoronany asa vaovao; hanefeny volamena, volafotsy, varahina, hisokirany vato halatsaka an-tranontranony, handrafetana hazo, ary hanaovana taozavatra isan-karazany.
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh, izay mandeha amin’ny lalany. Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany, ka dia sambatra sy voky soa.
Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.
Manondraka ny tany voaasa Ianao, mandravona ny baingany, manalemy azy amin’ny tandrifin-drahona, mitahy ny fitsimohany.
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!
Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Ny fanatitra omen’ny olona no mahalalaka ny lalany, sy mampiditra azy eo amin’ny lehibe.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony. Dia nahita fitia teo imasony i Josefa, ka nampanaoviny raharaha teo aminy, natsangany ho filohan’ny tranony izy, ary nataony eo am-pelatanany ny fananany rehetra. Raha vantany vao notendreny ho filohan’ny tranony amam-pananany rehetra izy, dia notahin’i Iaveh ny tranon’ity Ejiptianina noho ny amin’i Josefa, ary tonga tamin’ny fananany rehetra, na an-tsaha na an-tanàna, ny fitahian’i Iaveh.
Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny, fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy.
Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.
Fa handroaka ny firenena eo anoloanao aho, ary hanitatra ny faritry ny taninao. Tsy hisy olona handrebona ny taninao, mandritra ny hiakaranao hiseho eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, intelo isan-taona.»
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;