Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 3:13 - Baiboly Katolika

13 ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fantatro koa fa raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona dia fanomezan’Andriamanitra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ka mahatsiaro sambatra amin’ny asany rehetra ny olona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ka mahatsiaro sambatra amin’ny asany rehetra ny olona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 3:13
14 Rohy Ifampitohizana  

Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany, ka dia sambatra sy voky soa.


Avia, anaka, mihainoa ahy, hampianariko ny fahatahorana an’i Iaveh ianareo.


Tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra noho ny mihinana sy misotro, ary ny mampanarana ny fanahiny amin’ny fiadanana, eo amin’ny fanaovana ny asany. Izany indray koa efa hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.


Ny hanarana ny nofoko amin’ny divay no nimasoako tao am-poko, nefa amin’izay dia mbola hotarihin’ny foko amim-pahendrena ihany aho; ary hiraikitra amin’ny hadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona, hataony amin’ny andro iainany atỳ ambanin’ny lanitra.


Misy olona nomen’Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany, rehefa mety ho zavatra irin’ny fanahiny; nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hiarana amin’izany izy, fa olon-kafa no miarana amin’izany. Zava-poana amam-pahoriana mavesatra koa izany.


Koa midera ny fifaliana aho, satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro, afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly; ary izany no tokony homba azy amin’ny asany, mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.


Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.


Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.


Raha efa izany dia miaraha mifaly amin’ny Levita sy amin’ny vahiny eo aminao, noho ny soa rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra