Ry zareo namako malala, andraikitra mavesatra no eo an-tsoroky ny mpiandry antsika. Koa ankoatra ny fivavahana ho an'ny filàny manokana sy ny fifandraisany amin'Andriamanitra, aoka koa isika hivavaka ho an'ny fifandraisantsika amin'izy ireo. Tsy mora ny miatrika ny olana manokana sady miezaka manampy ny hafa.
Tokony ho modely amin'ny fitondran-tena sy ny finoana izy ireo mba hahafahan'ny hafa mahita an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fiainany. Maro ny toe-javatra sarotra atrehin'izy ireo amin'ny maha-mpanompon'Andriamanitra sy mpanompon'ny olona azy, mandritra ny taona maro. Izany no mahatonga ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Hebreo 13:17 (DIEM) milaza hoe: "Manekà ny mpitondra anareo, ary maneke azy; fa izy miambina ny fanahinareo, toy izay tsy maintsy hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, fa tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany."
Koa aoka isika samy hiezaka hanana fifandraisana tsara amin'ny mpiandry antsika, ary hangataka amin'Andriamanitra mba hanomezany azy ireo hery sy fahendrena amin'ny fanatanterahana ny asa fanompoana masina napetrany amin'izy ireo.
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
I Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siôna! Enga anie ka hahita an’i Jerosalema miadana tsara ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao!
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
Enga anie, ka hampitomboin’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo ho inarivo tahaka izao ianareo sy hotsofiny rano, araka ny efa nampanantenainy anareo.
I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao. I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany. Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;
Fa dia hanambina anao i Iaveh Andriamanitrao araka ny efa voalazany taminao; hampisambotra amin’ny firenena maro ianao, fa ianao tsy mba hisambotra kosa; hanapaka firenena maro ianao fa tsy mba hotapahiny.
Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.
Tsarovy ny mpitondra anareo, izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; diniho ny niafaran’ny fiainany, ka alao tahaka ny finoany;
‹Hitahy anao sy hiaro anao anie i Iaveh. Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie i Iaveh. Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie i Iaveh.›
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Tsy hisy olona hahatohitra anao amin’ny andro rehetra hiainanao: tahaka ny nombako an’i Môizy no hombako anao koa; tsy hahafoy anao Aho na handao anao.»
Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo, izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.
Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: «Manjaka ny Andriamanitrao!»
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Mangataka anareo koa izahay, ry kristianina havana, mba hanaja izay miasa ao aminareo, sy mifehy anareo ao amin’ny Tompo, ary izay mananatra anareo. Noho ny asan’izy ireo, manàna fitiavana azy lehibe koa, ary mihavàna tsara aminy ianareo.
Izao fitahiana rehetra izao no ho tonga aminao sy ho azonao, raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
Hamaly ny nataonao anie i Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana.»
Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo. - mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany.
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po; tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;
ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin’ny fananany rehetra.
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho; dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay, ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo, ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
Voalohany aloha, misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy aho, noho ny aminareo rehetra, fa malaza amin’izao tontolo izao ny finoanareo.
I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: «Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!»
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po; tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireo vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Rava ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina foto-pamonjena.
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra; itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.
Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Aharihario ny indrafonao amiko, ka hahita izany ny fahavaloko, dia ho menatra! Fa Ianao, ry Iaveh, no mamonjy sy mampionona ahy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra. Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy! Izahay osa, fa ianareo no matanjaka; izahay faneso, ianareo kosa fanaja. Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka; mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao. Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako. Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy, dia tsy maro ray ianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy. Koa mihanta aminareo aho, aoka ho mpaka tahaka ahy ianareo, toy ny nianarako an’i Kristy koa. Fa izany ihany no nanirahako ho etỳ aminareo an’i Timote, zanako malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo, mba hampahatsiaro anareo izay lala-nodiaviko ao amin’i Kristy, sy izay fampianarana fanaoko hatraiza hatraiza amin’ny Eglizy rehetra. Misy mirehareha satria ataony fa tsy ho tonga any aminareo intsony aho; ho avy faingana anefa aho, raha sitraky ny Tompo, ka tsy ny fitenin-dry zareo mirehareha no ho hitako, fa ny asa vitany, Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Ho an’ny mpampianatra hira. - Salamon’i Davida. Ry Iaveh ô, vonjeo ny mpanjaka! - Hihaino antsika anie Izy amin’izay andro iantsoantsika Azy. Hihaino anao amin’ny andron’ny fahoriana anie i Iaveh; hiaro anao anie ny Anaran’ny Andriamanitr’i Jakôba.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.
Fa tsy tenanay no torinay, fa i Kristy Jesoa Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa. Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Ny fanatitra omen’ny olona no mahalalaka ny lalany, sy mampiditra azy eo amin’ny lehibe.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra, atongilano ny sofinao amin’ny teny aloaky ny vavako.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.»
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy.
Rano lalina ny fisainana ao am-pon’ny olona; fa ny olona manan-tsaina dia hanovo azy ao.
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa, mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.
Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao! Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.
Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.
Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
Mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, ry kristianina havana, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo.
Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.