Andininy ao amin’ny Baiboly

dokam-barotra


Sokajy Kely

91 Andinin’ny Baiboly momba ny fitokiana an’Andriamanitra fa tsy ny sampy


Salamo 115:4-8

Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona.

Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy,

manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo,

manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory.

Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!

Chapter    |  dikan
Salamo 62:8

Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.

Chapter    |  dikan
Isaia 46:7

Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.

Chapter    |  dikan
Salamo 118:9

Aleo mitady fialofana amin’i Iaveh, toy izay mitoky amin’ny mpanapaka.

Chapter    |  dikan
Salamo 118:8

Aleo mitady fialofana amin’i Iaveh, toy izay mitoky amin’olombelona.

Chapter    |  dikan
Jeremia 10:10

Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 3:5-6

Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany.

Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.

Chapter    |  dikan
Salamo 31:6

Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.

Chapter    |  dikan
Isaia 42:8

Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.

Chapter    |  dikan
Jeremia 17:5

Izao no lazain’i Iaveh: «Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’i Iaveh ny fony!

Chapter    |  dikan
Isaia 26:4

Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.

Chapter    |  dikan
Jeremia 10:5

Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»

Chapter    |  dikan
Salamo 146:5-6

Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.

I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.

Chapter    |  dikan
Habakoka 2:18

Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika, no mipaika azy ny mpamorona azy, na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga, no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy, amin’ny fanamboarana andriamanitra moana?

Chapter    |  dikan
Salamo 40:4

Nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an’i Iaveh, sy matoky Azy.

Chapter    |  dikan
Hebreo 4:16

Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.

Chapter    |  dikan
Isaia 41:13

Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»

Chapter    |  dikan
Salamo 33:22

Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao, araka ny anantenanay Anao!

Chapter    |  dikan
Salamo 56:11

Amin’ny fanampian’Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan’ny teniny. Amin’ny fanampian’i Iaveh no iderako ny fahatanterahan’ny fampanantenany.

Chapter    |  dikan
Salamo 91:14

Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy.

Chapter    |  dikan
Romana 8:31

Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

Chapter    |  dikan
Jeremia 39:18

Hataoko afaka tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky Ahy ianao, - teny marin’i Iaveh. -

Chapter    |  dikan
Salamo 25:1-2

Salamon’i Davida. Ianao, ry Iaveh, no anandratako ny fanahiko, ry Andriamanitra ô!

Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.

Noho ny Anaranao, ry Iaveh, dia hamela ny heloko Ianao fa lehibe izy.

Iza no olona matahotra an’i Iaveh? Hampianarin’i Iaveh azy ny lalana tokony hofidiny.

Mandry amim-piadanana ny fanahiny, ary hanana ny taniny ny taranany.

Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.

Mitodika any amin’i Iaveh mandrakariva ny masoko, fa Izy no hanafaka ny tongotro amin’ny fandrika harato.

Jereo aho, ka amindrao fo, fa manirery aho, ka mahantra.

Mihalehibe ny fahorian’ny foko, afaho amin’ny fahaporetako aho!

Jereo ny fahoriana amam-pijaliako; ary avelao ny fahotako rehetra.

Jereo ity hamaroan’ny fahavaloko, sy izato halozan’ny fankahalany ahy.

Ianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho, aoka tsy hifalian’ny fahavaloko aho!

Chapter    |  dikan
Romana 15:13

Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 3:26

Satria i Iaveh no ho tokinao; ary hiaro ny tongotrao amin’ny fandrika rehetra izy.

Chapter    |  dikan
Isaia 57:13

Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao ireo antontan’andriamanitrao! Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo, hindaosin’ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky Ahy no handova ny tany, sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.

Chapter    |  dikan
Isaia 31:3

Ny Ejiptianina dia olombelona ihany, fa tsy fanahy; dia haninji-tanana i Iaveh, ka ho tafintohina izay manampy, ho potraka izay hampiana, ary hiara-devona avokoa izy roa tonta.

Chapter    |  dikan
Salamo 62:5

Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin’ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà

Chapter    |  dikan
Isaia 40:31

Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Chapter    |  dikan
1Petera 5:7

apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.

Chapter    |  dikan
Salamo 94:19

Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.

Chapter    |  dikan
Isaia 50:10

Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!

Chapter    |  dikan
Salamo 46:1

Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira.

Chapter    |  dikan
2Korintiana 3:4-5

Ary Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin’ny alalan’i Kristy.

Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:5

Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;

Chapter    |  dikan
Salamo 20:6-7

Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin’ny hobin-kafaliana; hanangam-paneva amin’ny Anaran’ny Andriamanitsika; hotanterahin’i Iaveh anie izay irinao rehetra!

Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.

Chapter    |  dikan
Salamo 84:11

Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.

Chapter    |  dikan
Isaia 55:6

Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.

Chapter    |  dikan
Romana 8:38-39

Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana,

na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

Chapter    |  dikan
Isaia 44:22

Efa nolevoniko toy ny zavona ny fahadisoanao; ary toy ny rahona ny fahotanao; ka miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.

Chapter    |  dikan
Salamo 33:18

Ny mason’i Iaveh mitsinjo izay matahotra Azy, dia ireo manantena ny hatsaram-pony,

Chapter    |  dikan
Ohabolana 14:26

Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:18

Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.

Chapter    |  dikan
1Jaona 4:18

Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.

Chapter    |  dikan
Salamo 4:8

Fa Ianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin’ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divay vaovao.

Chapter    |  dikan
2Timoty 1:12

ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.

Chapter    |  dikan
Salamo 73:26

Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:40

I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.

Chapter    |  dikan
Isaia 26:3

Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.

Chapter    |  dikan
Salamo 16:1

Hiran’i Davida. Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho.

Chapter    |  dikan
1Jaona 5:14

Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.

Chapter    |  dikan
Filipiana 1:6

sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.

Chapter    |  dikan
Salamo 56:3

mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko.

Chapter    |  dikan
Salamo 28:8

Iaveh no herin’ny vahoakany, mandam-pamonjena ho an’ny nohosorany Izy.

Chapter    |  dikan
Salamo 9:10

I Iaveh dia fiarovana ho an’ny ampahorîna, fiarovana ho amin’ny andron’ny fahoriana.

Chapter    |  dikan
Isaia 41:10

Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.

Chapter    |  dikan
Salamo 34:8

Ny Anjelin’i Iaveh mitoby, manodidina izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.

Chapter    |  dikan
Isaia 12:2

Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»

Chapter    |  dikan
Salamo 37:3

Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany.

Chapter    |  dikan
Nahoma 1:7

Tsara fo i Iaveh; Fiarovana amin’ny androm-pahoriana Izy. ary mahalala izay matoky Azy

Chapter    |  dikan
Isaia 30:15

Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»

Chapter    |  dikan
Salamo 125:1

Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.

Chapter    |  dikan
Isaia 31:1

Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin’ny soavaly, ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny, sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy; ary i Iaveh tsy tadiaviny.

Chapter    |  dikan
2Samoela 22:31

Andriamanitra! ...lavorary ny lalany. Ny tenin’Andriamanitra dia fantatra ho to; ampinga izy ho an’izay rehetra matoky azy.

Chapter    |  dikan
Isaia 45:5

Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho! Nampisikina anao Aho, fony ianao mbola tsy nahalala Ahy;

Chapter    |  dikan
Ohabolana 29:25

Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.

Chapter    |  dikan
Salamo 56:4

Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.

Chapter    |  dikan
Salamo 27:1

Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?

Chapter    |  dikan
Isaia 44:6

Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

Chapter    |  dikan
Salamo 91:2

Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»

Chapter    |  dikan
Deoteronomia 4:35

Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao, fa i Iaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy.

Chapter    |  dikan
1Timoty 6:17

Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;

Chapter    |  dikan
Salamo 33:21

fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana, fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.

Chapter    |  dikan
Isaia 43:2

Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.

Chapter    |  dikan
Salamo 20:1

Ho an’ny mpampianatra hira. - Salamon’i Davida.

Chapter    |  dikan
Salamo 91:4

Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 16:20

Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.

Chapter    |  dikan
Salamo 27:3

Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.

Chapter    |  dikan
2Korintiana 1:9

fa toa efa renay ao amin’ny tenanay ny didim-pahafatesana mba tsy hitokianay amin’ny tenanay intsony, fa amin’Andriamanitra izay manangana ny maty.

Chapter    |  dikan
Filipiana 4:13

Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;

Chapter    |  dikan
Salamo 112:7

Tsy mba matahotra ampandrenesina loza izy miorina mafy ny fony, matoky an’i Iaveh izy;

Chapter    |  dikan
Salamo 23:4

Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.

Chapter    |  dikan
Hebreo 13:6

ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?

Chapter    |  dikan
Salamo 144:2

Mpanao soa ahy aman-trano mimandako, fialofako avo ama-mpanafaka ahy, ampingako ama-mpialofako, izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!

Chapter    |  dikan
Salamo 84:12

Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra; manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh, tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny.

Chapter    |  dikan
Isaia 45:22

Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.

Chapter    |  dikan
Salamo 146:3

Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka, na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy;

Chapter    |  dikan
Salamo 62:2

Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.

Chapter    |  dikan
Salamo 28:7

I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 18:10

Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.

Chapter    |  dikan
Eksodosy 20:3-4

Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.

Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.

Chapter    |  dikan