tsy an-kijanona sy manatrika, izay manao sorona eny amin’ny zaridaina, mandoro emboka eny ambony biriky;
Indro, ho tonga aminao ny loza, tsy azonao sakanana; hianjera aminao ny antambo, tsy azonao ahodivitra, ary hanjò anao ny faharavana tampoka, tsy nampoizinao velively akory.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.
Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.
Ary nanao izao teny izao tamin’i Israely rehetra koa i Môizy ka nanao tamin’izy ireo hoe:
Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona; menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny, satria fitaka foana ny sampiny fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny. Zava-poana ireny, asa mamitaka foana; ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.
Raha misy mpaminany na mpanonofy mitranga eo aminao, milaza famantarana na zava-mahatalanjona aminao, Tonafy vato izy mandra-pahafaty azy, fa efa nitady hampiala anao amin’i Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana. Ary handre izany i Israely rehetra, dia ho raiki-tahotra ka tsy hanao izany heloka bevava izany eo aminao intsony. Raha ny iray amin’ny tanàna nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao honenana no lazain’ny olona anao hoe: Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo, dia manaova famotorana sy anontanio tsara. Fa raha marina izany ary voaporofo izany zavatra izany, raha tanteraka teo afovoanao izany fahavetavetana izany, dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra. Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony. Rehefa mety ho zavatra natao anatema, dia aoka tsy hisy hofihinin’ny tananao, mba hiononan’i Iaveh amin’ny firehetan’ny fahatezerany, sy hanaovany fiantrana amam-pamindram-po aminao, dia hohamaroiny ianao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao, raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fitandremana ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, amin’ny fanaovana izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao. sady tanteraka tokoa ny famantarana na ny zava-mahatalanjona nolazainy, nataony hoe: Andeha hanatona andriamani-kafa sy hanompo azy, nefa andriamanitra tsy fantatrao izany, dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany akory, fa mizaha toetra anareo i Iaveh Andriamanitrareo, hahalalany raha tia an’i Iaveh Andriamanitrareo amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra ianareo.
Ny nahatonga izany, dia noho ny fijangajangana maro be nataon’ilay vehivavy janga, feno zavatra mahafinaritra manangoly, kinga amin’ny fankatoavana, izay nivarotra firenena amin’ny fijangajangany sy vahoaka amin’ny fankatoavany.
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo, manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory.
Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.
Moa mety hisy va izany hoe: olona mamorona andriamanitra ho an’ny tenany? Tsy Andriamanitra akory anefa izany!
Nampandehaniny hamaky ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy. Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. Ary nikezaka hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ka nampahatezitra azy.
Nofoanan’i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin’ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin’ny tanin’i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna, voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Helkiasa mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh.
Dia haninji-tanana hamely an’i Jodà Aho, sy hamely ny mponina rehetra ao Jerosalema, ary haringako amin’ity fitoerana ity ny sisan’i Baala, ny anaran’ny mpandraharahany miaraka amin’ny mpisorona.
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»
Aoka àry ianao haharitra amin’ny fankatoavanao, sy amin’ireo odinao marobe, izay nanarananao fo hatramin’ny fahatanoranao. Soa mba mety hahita soa amin’izany ianao; sao mba mety hampahatahotra, ianao! Efa nisasatra tamin’ny fanontaniana betsaka ianao; ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo, izay mpandrefy ny lanitra, sy mpandinika ny kintana, izay manambara, isaky ny tsinam-bolana, ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao.
fandrao raha miandrandra ny lanitra ianao, ka mahita ny masoandro amam-bolana sy ny kintana, dia ny zavatra rehetra milahatra eny an-danitra, dia ho voatarika hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanao fombam-pivavahana aminy; nefa ireny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, ho anjarany;
Ny fahazavan’ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony, ary ny feon’ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony; satria ny mpandrantonao dia lehiben’ny tany, ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra.
Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin’izy ireo ny rany.»
Ny sampy aman-tsangam-batonao hofoanako eo aminao, ka tsy hivavaka amin’ny asan-tananao intsony ianao.
Maty i Saola noho ny hadisoany tamin’i Iaveh, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin’ireo mpiantso ny maty.
Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.
Nampamakiany ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh hampahatezerany azy.
Rehefa ho voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena amin’izay tany halehanao mba handroaka azy eo anoloanao, ka efa voatosikao izy, ka ianao no honina amin’ny taniny: Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza. dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho. Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.
Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody, mila hevitra amin’ny mpamoha angatra sy amin’ny mpamosavy ary manontany ny maty; fa halan’i Iaveh ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao ireo firenena ireo eo anoloanao.
Raha avy izay hilazany aminareo hoe: «Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,» valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona? Ary naka vavolombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria zanak’i Jebarakia. Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.
Ary ianareo, aza mihaino ireo mpaminaninareo, na mpimasinareo, na ny nofinareo, na ny fambarànareo, na ny mpanao fankatoavanareo, izay milaza aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo.
Maro koa tamin’ny mpamoha angatra no nitondra ny bokiny, sy nandoro azy teo anatrehan’ny olona rehetra; nony notombanana ireo boky ireo, dia hita fa vola denie dimy alina no an-kevi-bidiny.
sy nanao taminy hoe: «Akay, ry ilay feno fitaka sy hafetsen-dratsy ity, zanaky ny devoly sy fahavalon’ny marina rehetra! Tsy hitsahatra ny hampivily ny lala-mahitsin’ny Tompo va ialahy?
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Niraikitra tamin’i Beelfegôra izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty.
Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ireo vehivavy manjaitra ondana, ho an’ny famavanin-tanana rehetra; sy manao ondana ho an’ny loha samy hafa habe rehetra; mba hihaza fanahy amin’ny fandrika. Ny fanahin’ny oloko ve, hosamborinareo amin’ny fandrika, ary ny fanahinareo kosa ho velona! Efa nanala voninahitra Ahy teo amin’ny oloko ianareo, hahazoanareo ny eran-tanan’ila, ary hahazoanareo sombi-mofo, ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty; sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina; dia mamitaka amin’izany ny oloko izay mihaino ny lainga. Ry zanak’olona, maminania mamely an’ireo mpaminanin’i Israely izay maminany; ka lazao amin’ireo izay maminany avy amin’ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo: Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halàko ny ondanareo, izay nataonareo fandrika hihazàna fanahy, ka hataoko lasa manidina ireny; hotriariko ireo ondana ireo, hiala eo amin’ny sandrinareo, ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin’ny fandrika Aho, mba ho afa-manidina ireny.
Aoka àry ianao haharitra amin’ny fankatoavanao, sy amin’ireo odinao marobe, izay nanarananao fo hatramin’ny fahatanoranao. Soa mba mety hahita soa amin’izany ianao; sao mba mety hampahatahotra, ianao! Efa nisasatra tamin’ny fanontaniana betsaka ianao; ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo, izay mpandrefy ny lanitra, sy mpandinika ny kintana, izay manambara, isaky ny tsinam-bolana, ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao. Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin’ny herin’ny lelafo; fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany!
«Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.»
Nanorina ny fitoerana avon’i Baala tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinôma izy, ka mandeha amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy ho an’i Môlôka: nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany na zavatra mby tao an-tsaiko velively; nanao izany fahavetavetana izany izy hampanota an’i Jodà.
Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.
Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Kanjo ireo zava-droa ireo ho indray mianjera aminao, tampoka, indray andro monja, dia ny fahafoanana anaka, sy ny fananoantena, ho tonga aminao tanteraka an-tsakany sy an-davany izany, na dia eo aza ny hamaroan’ny odinao, na dia eo aza ny herin’ny fankatoavanao.
Ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, mpanjakan’i Jodà sy mponina ao Jerosalema. Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hoentiko ho amin’ity fitoerana ity ny loza hampangintsingintsina ny sofin’izay mandre azy: satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà; sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty.
noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin’ny nandehanany hanatitra emboka manitra amam-panompoana amin’izay andriamani-kafa tsy nisy nahalala, na izy, na ianareo, na ny razanareo.
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony ianareo, na hahazo hitsak’andro intsony; hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Hatao aminao izany, satria nitolo-tena hiraikitra amin’ny firenen-kafa ianao, satria nandoto tena tamin’ny sampiny vetaveta.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Jerosalema: Ny tanin’ny Kananeanina no niavianao sy nahaterahanao; Amôreana ny rainao, ary Heteanina ny reninao.
Izao no lazain’i Iaveh: «Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’i Iaveh ny fony!
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao, ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho, momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
Koa aza manao fanekena amin’ny mponina amin’ny tany, fandrao, rehefa mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny sy manolo-tsorona aminy, dia asainy koa ianao sy hihinana amin’ny sorony;
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Nolotoin’ny mpanjaka ireo fitoerana avo tandrifin’i Jerosalema, amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra Fahaverezana, naorin’i Salômôna mpanjakan’i Israely, ho an’i Astarte fahavetavetan’ny Sidonianina sy ho an’i Kamosa fahavetavetan’ny zanak’i Amôna;
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ireo vehivavy manjaitra ondana, ho an’ny famavanin-tanana rehetra; sy manao ondana ho an’ny loha samy hafa habe rehetra; mba hihaza fanahy amin’ny fandrika. Ny fanahin’ny oloko ve, hosamborinareo amin’ny fandrika, ary ny fanahinareo kosa ho velona! Efa nanala voninahitra Ahy teo amin’ny oloko ianareo, hahazoanareo ny eran-tanan’ila, ary hahazoanareo sombi-mofo, ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty; sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina; dia mamitaka amin’izany ny oloko izay mihaino ny lainga. Ry zanak’olona, maminania mamely an’ireo mpaminanin’i Israely izay maminany; ka lazao amin’ireo izay maminany avy amin’ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo: Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halàko ny ondanareo, izay nataonareo fandrika hihazàna fanahy, ka hataoko lasa manidina ireny; hotriariko ireo ondana ireo, hiala eo amin’ny sandrinareo, ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin’ny fandrika Aho, mba ho afa-manidina ireny. Hotriariko ny ondanareo; ary hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako; ka tsy ho haza eny an-tananareo intsony izy; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho. Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga, nefa Izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy; noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony ianareo, na hahazo hitsak’andro intsony; hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany.
Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny lalan’ny fitaka aho.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Na inona no iombonan’ny mpino amin’ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan’ny Tempolin’Andriamanitra sy ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako. Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
Fa fantatsika Ilay nilaza hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly. Ary koa: Ny Tompo hitsara ny vahoakany.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.
Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy; ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Mankahalà ny ratsy, ianareo izay tia an’i Iaveh; miaro ny fanahin’ny mpino Azy Izy, dia manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.
Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny haizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho haizina; izay manao ny mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Fantatsika fa izay rehetra nateraka avy amin’Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay nateraka avy amin’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.