Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 10:10 - Baiboly Katolika

10 Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa NY TOMPO no Andriamanitra marina, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay, izay mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany ka tsy tantin’ny firenena ny fahavinirany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Fa ny TOMPO kosa no tena Andriamanitra, Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Rehefa tezitra Izy, dia mihorohoro ny tany; ary ny firenena dia tsy mahatanty ny fahavinirany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa ny TOMPO kosa no tena Andriamanitra, Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Rehefa tezitra Izy, dia mihorohoro ny tany; ary ny firenena dia tsy mahatanty ny fahavinirany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, Eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay, Izay mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany, Ka tsy tantin’ny firenena ny fahavinirany–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa NY TOMPO no Andriamanitra marina, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay, izay mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany ka tsy tantin’ny firenena ny fahavinirany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 10:10
69 Rohy Ifampitohizana  

Namboly tamarisa tao Bersabea i Abrahama, ary niantso ny anaran’i Iaveh Andriamanitra mandrakizay teo izy.


Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe: «I Iaveh ihany no Andriamanitra, i Iaveh ihany no Andriamanitra!»


mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany, fa Andriamanitra i Iaveh ary tsy misy afa-tsy Izy irery.


Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra!


Nandritra ny fotoana ela i Israely, dia tsy nanana an’Andriamanitra marina, tsy nana-mpisorona mpampianatra, tsy nanan-dalàna,


manifikìfika ny tany amin’ny fanorenany Izy, dia mihozongozona ny andriny.


I Iaveh no mpanjaka mandrakizay doria, ho voafongotra eo amin’ny taniny ny firenena.


Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh; Izy no nanao antsika, ka Azy isika, vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony.


Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.


Mijery ny tany Izy dia mihorohoro io; manendry ny tendrombohitra Izy dia midonaka ireny.


Mangovita eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo, ry tany, dia eo anatrehan’ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba,


Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao.


I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.


Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho, ary nitaraina tamin’ny Andriamanitro aho; ka reny tany an-tempoliny ny feoko; tonga tao an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.


Amin’ny safodrano dia mipetraka ao ambonin’ny fiketrahany i Iaveh, mipetraka ao amin’ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay i Iaveh.


Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato novelariny Ianao; fa Ianao no fiarovana ahy.


Toy ny anirian’ny serfa ny loharano no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!


Nandefa biby Ianao, ka nirotsaka tao izy ireo. Noho ny hatsaram-ponao dia nanomananao hanina ny ory.


Ry Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ny vahoakanao Ianao, ka nandroso teo amin’ny efitra. - Selà


Andriamanitra anefa no mpanjakako, hatry ny fahataloha; Izy izay efa nanao famonjena betsaka tetỳ ambonin’ny tany.


Vao nanambana Ianao, ry Andriamanitr’i Jakôba, dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.


Eny, mahatahotra Ianao! Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao!


Nandatsaka ny ranony ny rahona, nikotrokotroka ny feon’ny rahona, dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza ny zana-tsipìkanao.


Mahatehotia loatra ny fonenanao, Ry Iavehn’ny tafika!


Fa i Iaveh kosa mipetraka mandrakizay, efa voatsangany ny sezany hitsarany;


Zovy no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao, ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao Anao?


Talohan’ny namoronanao ny tendrombohitra, sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao: dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay Ianao, ry Andriamanitra!


Voatsangana hatry ny fiandohana fahagola, ny fiandriananao, misy hatramin’ny mandrakizay Ianao.


Mahazava izao tontolo izao ny tselany, mahita izany ny tany ka mipararetra.


Atongilano ny sofinao, Iaveh, ka mihainoa! Ahirato ny masonao, Iaveh, ka mijere! Henoy avokoa ny tenin’i Senakeriba izay nalefany, hanevatevana an’ilay Andriamanitra velona.


Angamba ho ren’i Iaveh Andriamanitrao, ny tenin’ny lehiben’ny mpandroso divay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria, tompony, hanevateva an’Andriamanitra velona, ka hosaziny noho ny teny efa ren’i Iaveh Andriamanitrao. Koa manaova fivavahana ho an’izay sisa mbola tavela.»


Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.


Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny


Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


Na iza na iza te-hotahina eto an-tany, dia hitady hotahin’ny Andriamanitry ny fahamarinana; ary na iza na iza hianiana eto an-tany, hianiana amin’ny Andriamanitry ny fahamarinana. Fa ny fahoriana taloha hohadinoina, sy ho lasa tsy ho hitan’ny maso intsony.


fa tsy haverinao intsony kosa ny hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh!» Fa ny tenin’ny olona ihany no havesatra aminy avy; satria ianareo mamadika ny tenin’Andriamanitra velona, dia i Iavehn’ny tafika, Andriamanitsika.


Ary raha ianao mianiana hoe: Velona i Iaveh! ka amim-pahamarinana sy hitsiny ary rariny no ianiananao, dia holazain’ny firenena, fa Izy no hanambina azy ireo ary Izy no hireharehan’izy ireo.


Mijery ny tendrombohitra aho, ka mihozongozona izy; ary ny havoana rehetra mivembena avokoa.


Mihorohoro ny tany, rehefa re fa hoe azo i Babela, ka misy antso re any amin’ny firenena.


Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy, fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela, mba hanova ny tanin’i Babela ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.


Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?


Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin’ny diany, ny lohasaha hitresaka toy ny savoka eo anoloan’ny afo, toy ny rano voarotsaka amin’ny tany misolampy.


Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany, ary miempo ny havoana; mientanentana ny tany eo anatrehany, dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.


Iza no mahatoetra eo anoloan’ny fahavinirany? Zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Mitatra toy ny afo ny fahatezerany, ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.


Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nanangan-tanana mankany ambony.


Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany; nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena; torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany taloha no narahiny.


Iza no hahatanty ny andro hiaviany, ary zovy no hahajoro raha miseho Izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika Izy sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra.


Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: «Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.»


Fa tsy niteny i Jesoa. Ary hoy ilay lehiben’ny mpisorona taminy: «Mandidy Anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra.»


Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.


Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin’ny lalana tiany izy;


Ny vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; marina sy mahitsy.


Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany.


Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atỳ aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,


Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.


Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;


Zavatra mahatsiravina re izany ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona!


Dia hoy i Jôsoe: «Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahina eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Heveanina, ny Ferezeanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ary ny Jeboseanina:


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.


Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;


Iaveh ô, fony ianao nivoaka avy any Seira, nony nandroso avy any an-tsahan’i Edôma, nihorohoro ny tany, ny lanitra aza nitsonika, ary nitsonika ho rano ny rahona.


Dia hoy i Davida tamin’ireo olona teo anilany: «Ahoana sy ahoana avy ange no hatao amin’izay mahafaty io Filistinina io, ka mahafa-tondromaso an’i Israely? Zinona izay Filistinina; ilay tsy mifora io no dia hanala baraka ny tafiky ny Andriamanitra velona!»


Efa samy novonoin’ny mpanomponao ihany ny liona sy ny orsa, ka ho tahaka ny iray amin’ireny koa ilay Filistinina, ilay tsy mifora io; fa efa naniratsira ny tafiky ny Andriamanitra velona».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra