Ireo koa mandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;
Aza mivily sao mankany amin’ny zava-poana izay tsy hahazoan-tsoa na fahafahana akory, satria zava-poana.
Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.
Moa misy firenena manakalo ny andriamaniny va? - nefa ireny aza tsy Andriamanitra akory!... Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny, amin’izay tsy mahasoa na inona na inona!
Iza no namorona andriamanitra sy nanao sampy anidina, mba tsy hahazoany soa na inona na inona?
Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona; menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny, satria fitaka foana ny sampiny fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.
Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Iza no tahaka Ahy? - aoka hiteny izy; aoka hilaza izy sy hampiseho izany! - hatrizay nanorenako ny karazan’olombelon’ny andro fahagola. Aoka hambarany àry ny zavatra ho avy sy izay tsy maintsy ho tonga! Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Lazao izay zavatra ho avy any aoriana any, dia ho fantatray fa andriamanitra ianareo. Manaova soa, na manaova ratsy, mba nahitanay izany sy hiarahantsika migaga.
Nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izy, sy tamin’ny fahotana nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.
Ary raha tahiny ianareo manao hoe: Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? Izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin’ny tany tsy anareo.»
Ka naidiko tamin’izy ireo ny fahatezerako, noho ny ra nalatsany tamin’ny tany, sy noho ny nandotoany azy tamin’ny sampiny vetaveta.
Injany tonga amiko avy any an-tany lavitra, ny fitarainan’ny zanaka vavin’ny oloko manao hoe: Tsy ao Siôna intsony va i Iaveh? Tsy ao afovoany intsony va ny mpanjakany? Nahoana izy ireo no nampahatezitra ahy tamin’ny sampiny, sy tamin’ny zava-poana avy any amin’ny firenen-kafa?
Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
Ary hoy Aho tamin’izy ireo: Samia ianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin’ny fahavetavetan’i Ejipta: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka ny heloka amam-pahotany; satria izy ireo nandoto ny taniko, ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany no namenoany ny lovako.»
Ny vato kilonjy eny an-dohasahan-driaka, no anjaranao, izany dia izany no anjaranao! Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka, sy notoloranao fanatitra! Moa tsy maintsy hahafa-po Ahy va izany?
Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.
Koa nanompo sampy izy ireo, nefa izany no nilazan’i Iaveh taminy hoe: «Aza manao izany ianareo.»
Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy,
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
Mitandrema tena fandrao voasodoka ny fonareo, ka mivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehan’ireny ianareo;
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
«Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
tsarovinareo ny zavatra lasa, tamin’ny andro taloha. eny, Izaho dia Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
Kanjo isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy koa, sy nametraka azy tao amin’ny fitoerana avo naorin’ny Samaritanina, tamin’izay tanàna nipetrahany avy isam-pirenena.
Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!»
Fa hahahy eo anatrehan’ny masoandro amam-bolana, mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra, izay efa tiany, notompoiny, narahiny, nilany hevitra ary niankohofany teo anatrehany; ka tsy hangonina na halevina ireo taolana ireo, fa hanjary zezika eo ambonin’ny tany. Ary ny ho faty fa tsy ho velona, no ho aleon’
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ry tanana mpandatsa-dra ao anatiny, hahatonga ny fotoany sy mivongika sampy vetaveta hahaloto azy.
«Inona no tsy marina, hitan’ny zanakareo tamiko, no dia nihataka tamiko izy, ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?
Nofoanan’i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin’ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin’ny tanin’i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna, voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Helkiasa mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh.
Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an’ireo andriamanitra nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin’ny andron’ny fahoriany.
Hatsingerina aminareo ny fahavetavetanareo, ary holonjoinareo ny sazin’ny nanompoanareo sampy; dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Iaveh.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny vetaveta, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamaniny.
Mirehidrehitra ianareo eo ambanin’ny terebinta, sy eny ambanin’izao hazo maitso rehetra izao! Mamono zaza eny an-dohasaha, ambanin’ny tsefatsefa-karambato!
Aza manatona an’izay mpamoha angatra na mpisikidy, aza maka hevitra aminy, mba tsy ho voalotony ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,
Ny sampy aman-tsangam-batonao hofoanako eo aminao, ka tsy hivavaka amin’ny asan-tananao intsony ianao.
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Indray andro raha nandeha hivavaka izahay, dia nifanena tamin’ny ankizivavin’olona anankiray izay notsindriam-panahy maminany, ka nampahazo harena be ny tompony tamin’ny faminaniana nataony; Rafitra nanaraka anay sy i Paoly izy io, sady niantso hoe: «Ireto lehilahy ireto no mpanompon’Andriamanitra Avo indrindra, izay hanoro anareo ny lalam-pamonjena.» Andro maro no nanaovany toy izany, ka sosotra i Paoly sy nitodika tamin’ny fanahy nanao hoe: «Mandidy anao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy aho hivoaka aminy.» Dia nivoaka niaraka tamin’izay izy.
Maro koa tamin’ny mpamoha angatra no nitondra ny bokiny, sy nandoro azy teo anatrehan’ny olona rehetra; nony notombanana ireo boky ireo, dia hita fa vola denie dimy alina no an-kevi-bidiny.
Ary aza gaga amin’izany ianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny Anjelin’ny mazava koa;
fandrao raha miandrandra ny lanitra ianao, ka mahita ny masoandro amam-bolana sy ny kintana, dia ny zavatra rehetra milahatra eny an-danitra, dia ho voatarika hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanao fombam-pivavahana aminy; nefa ireny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, ho anjarany;
Ary toy ny nisian’ny mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka fahiny, no hisian’ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an’ny tenany.
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»
Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony,
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.
Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.
Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody, mila hevitra amin’ny mpamoha angatra sy amin’ny mpamosavy ary manontany ny maty; fa halan’i Iaveh ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao ireo firenena ireo eo anoloanao.
Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony; «Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hanontany azy aho». Ka hoy ny mpanompony taminy: «Any Endôra misy vehivavy mpamoha angatra».
Raha avy izay hilazany aminareo hoe: «Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,» valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona?
Nampamakiany ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh hampahatezerany azy.
Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan’i Bena-Enôma ny zanany, Narahiny avokoa ny fomban’ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy.
Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin’izy ireo ny rany.»
Ary ianareo, aza mihaino ireo mpaminaninareo, na mpimasinareo, na ny nofinareo, na ny fambarànareo, na ny mpanao fankatoavanareo, izay milaza aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo.
Efa nisasatra tamin’ny fanontaniana betsaka ianao; ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo, izay mpandrefy ny lanitra, sy mpandinika ny kintana, izay manambara, isaky ny tsinam-bolana, ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao.
Raha misy mpaminany na mpanonofy mitranga eo aminao, milaza famantarana na zava-mahatalanjona aminao, Tonafy vato izy mandra-pahafaty azy, fa efa nitady hampiala anao amin’i Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana. Ary handre izany i Israely rehetra, dia ho raiki-tahotra ka tsy hanao izany heloka bevava izany eo aminao intsony. Raha ny iray amin’ny tanàna nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao honenana no lazain’ny olona anao hoe: Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo, dia manaova famotorana sy anontanio tsara. Fa raha marina izany ary voaporofo izany zavatra izany, raha tanteraka teo afovoanao izany fahavetavetana izany, dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra. Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony. Rehefa mety ho zavatra natao anatema, dia aoka tsy hisy hofihinin’ny tananao, mba hiononan’i Iaveh amin’ny firehetan’ny fahatezerany, sy hanaovany fiantrana amam-pamindram-po aminao, dia hohamaroiny ianao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao, raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fitandremana ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, amin’ny fanaovana izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao. sady tanteraka tokoa ny famantarana na ny zava-mahatalanjona nolazainy, nataony hoe: Andeha hanatona andriamani-kafa sy hanompo azy, nefa andriamanitra tsy fantatrao izany, dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany akory, fa mizaha toetra anareo i Iaveh Andriamanitrareo, hahalalany raha tia an’i Iaveh Andriamanitrareo amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra ianareo.
Fa efa nandao ny vahoakanao Ianao, ny taranak’i Jakôba, satria efa feno tafahoatra hatry ny ela ny helony; manaraka ny fankatoavana toy ny Filistinina izy, ary mifandray tanana amin’ny zanaky ny hafa firenena.
Fahitana tsy misy fotony ny azy, ary faminaniana mamitaka no an’ireo manao hoe: «Teny marin’i Iaveh»; nefa izy ireo tsy nirahin’i Iaveh, ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny.
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.
Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.
Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga!
Ny tapa-kazony no ilàn’ny vahoakako saina, ary ny tehiny no manoro azy ny ho avy, fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako, ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.
fa nanao ratsy mihoatra izay talohanao rehetra ianao, andriamani-kafa sy sarin-javatra anidina no lasa nataonao hampahatezitra Ahy, fa Izaho kosa nailikao any ivohonao!
Dia nisy fanahy maloto telo, hoatra ny sahona, hitako nivoaka avy any am-bavan’ny Dragona, sy avy any am-bavan’ny Biby, ary avy any am-bavan’ny mpaminany sandoka. Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. -
Kanjo ireo zava-droa ireo ho indray mianjera aminao, tampoka, indray andro monja, dia ny fahafoanana anaka, sy ny fananoantena, ho tonga aminao tanteraka an-tsakany sy an-davany izany, na dia eo aza ny hamaroan’ny odinao, na dia eo aza ny herin’ny fankatoavanao.
Haetry ianao ka avy amin’ny tany no hisandratan’ny feonao, ho re avy amin’ny vovoka ny feonao mimonomonona, hivoaka avy amin’ny tany toy ny an’ny matoatoa, ny feonao; ary hiakatra avy amin’ny vovoka, toa bitsibitsika malemy, ny teninao.
«Aza mianatra ny lalan’ny firenena, ary aza mety matahotra izay famantarana eny an-danitra, toy ny atahoran’ny firenena azy.
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
Dia nanova tarehy sy nitafy fitafiana hafa i Saola, ka niainga narahin’olona roa lahy. Alina no tonga tany amin’ilay vehivavy izy ireo ka hoy i Saola taminy: «Lazao amiko mialoha izay ho avy, amin’ny fiantsoana ny maty anankiray, ary asaovy miakatra mankatỳ amiko izay hotononiko aminao».
Aza mitodi-doha amin’ny sampy; ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.
Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa; tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.
noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony ianareo, na hahazo hitsak’andro intsony; hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Nanompo ny sampin’ireny, izay tonga fandrika ho azy. Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy.
Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga, - teny marin’i Iaveh, - izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako, amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony. Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho. Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, - teny marin’i Iaveh. -
Maty i Saola noho ny hadisoany tamin’i Iaveh, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin’ireo mpiantso ny maty.
Fa ireo firenena horoahinao no mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy, fa ianao kosa tsy avelan’i Iaveh Andriamanitrao hanao izany.
Aoka àry ianao haharitra amin’ny fankatoavanao, sy amin’ireo odinao marobe, izay nanarananao fo hatramin’ny fahatanoranao. Soa mba mety hahita soa amin’izany ianao; sao mba mety hampahatahotra, ianao!