Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.
Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy. Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona.
Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombàny; nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‹Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.› »
Nanorina ny fitoerana avon’i Baala tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinôma izy, ka mandeha amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy ho an’i Môlôka: nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany na zavatra mby tao an-tsaiko velively; nanao izany fahavetavetana izany izy hampanota an’i Jodà.
Nandoro zava-manitra teo an-dohasahan’i Beny-Hinôma izy, ary nampamakiny ny afo ny zanany, araka ny fahavetavetana fanaon’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
Dia niditra aho, ka nahita, ary indro, voasoratra teo amin’ny rindrina manodidina avokoa, ny sarin’ny biby mandady amam-biby maloto isan-karazany, mbamin’ny fahavetavetan’ny taranak’i Israely rehetra.
Nolotoin’ny mpanjaka koa i Tôfeta, ilay teo an-dohasahan’ny taranak’i Enôma mba tsy hisy hampandeha ny zanany lahy na vavy hamaky ny afo, ho fanajana an’i Môlaoka intsony.
Niraikitra tamin’i Beelfegôra izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty.
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
tsy an-kijanona sy manatrika, izay manao sorona eny amin’ny zaridaina, mandoro emboka eny ambony biriky;
Nisy fiantsoana nataoko tamin’izy ireo; nefa izy niamboho. Nanolotra sorona amin’ny Baala izy, sy emboka ho an’ny sampy.
fa aoka hampitondrana taratasy izy ireo mba hifady ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny fijangajangana, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny ra.
dia izay hampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, amin’ny anateranareo emboka manitra amin’izay andriamani-kafa, eo amin’ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?
Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin’izy ireo ny rany.»
Nofoanan’i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin’ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin’ny tanin’i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna, voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Helkiasa mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh.
Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany. Ny antsasany dorany tamin’ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: «Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan’ny afo aho izany!» Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!»
«Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory;
tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.
Tamin’izay dia hoy i Iaveh tamiko: Mitsangàna ka midìna faingana miala eto, fa mihasimba ny vahoakanao nentinao nivoaka avy tany Ejipta: vetivety foana dia niviliany ny lalana nasaiko nalehan’izy ireo; fa nanao sarin-javatra anidina ho azy izy.
Hiditra amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina izay mamely azy; ka handrendrika ity tanàna ity izy, dia handoro azy mbamin’ny trano nanaterana emboka manitra ho an’i Baala teo ambonin’ny tafony, sy nandrarahany fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra Ahy.
Tsy dia ny mpijangajangan’izao tontolo izao anefa, na ny kahihitra, na ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy, no antsoiko amin’izany, satria raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo. Fa hany noheveriko, dia ny tsy hiharoharoanareo amin’izay mitondra ny anarana hoe havana iray finoana, nefa mpijangajanga, na kahihitra, na mpanompo sampy, na mpifosa, na mpimamo, na mpanao an-keriny; fadio na ny miara-komana amin’ny olona toy izany aza.
Nalainao koa ny firavakao, tamin’ny volamena amam-bolafotsiko, izay nomeko anao, dia nanaovanao sarin-dehilahy izay nanoloranao tena hivarina aminy. Ny fitafianao misy amborodao, nalainao natafinao an’ireo; ny diloilo aman’emboka manitra, napetrakao eo anoloan’ireo. Ny mofoko nomeko anao, ny vary tsara indrindra, ny diloilo aman-tantely namahanako anao, nataonao teo anoloan’ireo avokoa, ho fanatitra manam-pofona mahafinaritra. Izany no natao, - teny marin’i Iaveh Tompo.
Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.
Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany; nanao sarin-javatra anidina tamin’ny volany, dia sampy araka izay hevitra foroniny; asan’ny mpanao taozavatra foana izany! Izao no filazan’ny olona azy ireo! Mpanao sorona olona, manoroka zanak’omby.
dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»
Ary ny anton’izany dia noho izy ireo efa nandao Ahy ka niankohoka teo anatrehan’i Astarte, andriamanibavin’ny Sidonianina, sy teo anatrehan’i Melkôma, andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary noho izy ireo tsy nandeha tamin’ny lalako, mba hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didy amam-pitsipiko, tahaka ny nataon’i Davida rain’i Salômôna.
Fa nanao izay ratsy imasoko ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh, - nametraka ny fahavetavetany eo amin’ny trano fiantsoana ny Anarako mba handotoany azy; ary nanorina ireo fitoerana avo any Tôfeta, amin’ny lohasahan’ny zanak’i Hinôma, handoroany amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy; nefa zavatra tsy mba nodidiako izany, na mba noheverin’ny saiko akory.
Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy; ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra, ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany, dia amin’ny lalana fahataloha, handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;
«Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.»
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.
Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy?
Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany. Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy!
Ka hoy i Samoela tamin’ny tranon’i Israely rehetra; «Raha miverina amin’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra tokoa ianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin’i Iaveh ny fonareo, ka Izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin’ny tanan’ny Filistinina Izy.»
Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra. Fa na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely misaraka amiko manangana ny sampin-dozany ao am-pony, ary manao eo anatrehan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha tonga manatona ny mpaminany izy io mba hanontaniany amiko ho azy, dia ny Tenako Izaho Iaveh, no hamaly azy.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Ry zanak’olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan’ny tavany: ka hety hanontanian’ireo va Aho?
Koa raha taranak’Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tanana amam-pahaizan’ny olombelona.
Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga!
Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny vetaveta, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamaniny.
Izao no lazain’i Iaveh tamiko, tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka: «Hitanao va ny nataon’i Israely mpiodina? Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy, sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»
Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an’ny satira izay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany.
Ny zanaka manangon-kitay; ny ray mandrehitra afo; ny vehivavy mametafeta koba, hanaovana mofo ho an’ny mpanjaka vavin’ny lanitra, sy hanidina fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba haniratsirana Ahy.
Iza no namorona andriamanitra sy nanao sampy anidina, mba tsy hahazoany soa na inona na inona?
Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.
sady nolotoiko tamin’ny fanatiny, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa Izaho no Iaveh.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.
Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana. Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.
Mirehidrehitra ianareo eo ambanin’ny terebinta, sy eny ambanin’izao hazo maitso rehetra izao! Mamono zaza eny an-dohasaha, ambanin’ny tsefatsefa-karambato!
Nampandehaniny hamaky ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy. Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. Ary nikezaka hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ka nampahatezitra azy.
satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà; sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty. Nanorina ireo fitoerana avo ho an’i Baala izy, handoroany ny zanany amin’ny afo ho sorona dorana ho an’i Baala. Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany; na mba niditra tao an-tsaiko velively.
Mandoto tena amin’ny sampin-dozanareo rehetra mandrak’androany ianareo, amin’ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka Izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry taranak’i Israely? Velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy hety hanontanianareo Aho.
Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahina ny heloka sy nyfivoriana ampahibemaso.
Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany, ary nitolo-tena hiraiki-po tamin’ny vato aman-kazo izy.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny volanao lany sy ny fitanjahanao naseho tamin’ny fijangajanganao tamin’ny lehilahinao sy tamin’ny sampy fahavetavetana rehetra, sy noho ny ran’ny zanakao naterinao ho an’ireo,
Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.
Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa;
Ary raha tahiny ianareo manao hoe: Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? Izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin’ny tany tsy anareo.»
«Noho i Manase mpanjakan’i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amôreana teo alohany, ary noho izy nampanota an’i Jodà tamin’ny sampiny,
Aiza ka dia avy mandainga, mamono olona, maka vadin’olona, mianian-tsy tò, manemboka an’i Baala, ary manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo ianareo!
Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka. Nafoiny avokoa ny didin’i Iaveh Andriamaniny; fa zanak’omby anidina roa no nataony ho azy, sy aseraha no nataony ho azy, ny tafiky ny lanitra rehetra no niankohofany, ary i Baala no notompoiny.
dia nirehitra tamin’izany tany izany ny fahatezeran’i Iaveh, nazerany taminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity.
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo, manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory. Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!
Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra. Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra; izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny Aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa Aho, ka hanefa izany! Mihainoa ahy, ianareo olona madî-po, izay lavitry ny fahamarinana. Ampanakaikeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy; ary ny famonjeko tsy ho ela; hanome famonjena an’i Siôna Aho, sy ny voninahitro ho an’i Israely. Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy; tsy nahavonjy ny entana izy; lasan-ko babo mbamin’ny tenany aza.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen!
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
feno soavaly ny taniny, ka tsy hita isa ny kalesiny. Feno sampy ny taniny, ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo, dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany.
Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena; hazo nokapaina tany an’ala, taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra, sary tamin’ny fandraka, ka ravahana amin’ny volafotsy sy volamena. Homboana amin’ny fantsika, velezina amin’ny tantanana izany, mba tsy hihetsiketsika, Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
Raha avy izay hilazany aminareo hoe: «Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,» valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona? Ary naka vavolombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria zanak’i Jebarakia. Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy. Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.