Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 17:7 - Baiboly Katolika

7 Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an’ny satira izay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Tsy hanolotra intsony ny fanatiny ho an’ny Seìrima izay nijangajangany izy. Ho lalàna maharitra amin’ny taranany fara aman-dimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an’ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin’ny taranany fara mandimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an'ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin'ny taranany fara mandimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Tsy hanolotra intsony ny fanatiny ho an’ny Seìrima izay nijangajangany izy. Ho lalàna maharitra amin’ny taranany fara aman-dimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 17:7
23 Rohy Ifampitohizana  

fa nanangana mpisorona izy io ho amin’ny fitoerana avo sy ho an’ny osilahy, ary ho an’ny zanak’omby nataony.


Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy.


Izy ireo nandoto tena tamin’ny asany, ary nitolo-tena tamin’andriamani-kafa.


«Ataovy maty izay olona miray amin’ny biby.


«Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery.


Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»


Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombàny; nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‹Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.› »


Koa aza manao fanekena amin’ny mponina amin’ny tany, fandrao, rehefa mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny sy manolo-tsorona aminy, dia asainy koa ianao sy hihinana amin’ny sorony;


Teny fanao ny hoe: Raha misy lehilahy misao-bady, ary rehefa nilaozany io, dia tonga vadin’olon-kafa ravehivavy; moa hiverina aminy indray va ralehilahy io? Tsy ho tena voaloto mihitsy va izany tany izany? Ary ianao, dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, - teny marin’i Iaveh, - ka hiverina amiko indray va ianao?


Izy ireo dia nijangajanga tany Ejipta, nijangajanga tamin’ny andro fahatanorany; tany no namihinana ny nonony, tany no nanindriana ny tratran’ny fahavirijiniany.


Tsy nahafoy ny fijangajangany tany Ejipta izy; fa efa nanala baraka azy tamin’ny andro fahatanorany izy ireo; nanindry ny tratran’ny fahavirijiniany, ary nandefa taminy ny fahalotoany;


Izao koa no lazao amin’izy ireo: Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,


dia hanandrina izany olona izany mbamin’ny fianakaviany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an’i Môlôka.


Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»


Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.


Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,


Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa;


izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.


ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.


Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.


Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.


Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra