Ravao hatrany am-potony ny fitoerana rehetra nanompoan’ireo firenena horoahinareo ny andriamaniny any an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny ambanin’ny hazo maitso rehetra eny. Rehefa nitarihan’i Iaveh araka ny nampanantenainy anao ny faritry ny taninao, ka hoy ianao: te-hihinan-kena aho, fa mahatsiaro liana te-hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena isaky ny maniry izany ianao. Raha lavitra anao ny fitoerana nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hametrahana ny Anarany, azonao amonoana ny omby sy ny ondrinao izay nomen’i Iaveh anao, araka ny efa nandidiako anao; ary hihinana izany eo anatin’ny vavahadinao isaky ny maniry izany ianao. Toy ny fihinanana gazela sy serfa no hihinananao azy, ka na ny olona madio na ny olona maloto dia samy mahazo mihinana azy. Fa ataovy raikitra ny tsy fihinanana ny ra, satria ny ra no aina, ka tsy mahazo mihinana ny aina miaraka amin’ny hena ianao. Aza mihinana izany, fa araraho amin’ny tany toy ny rano izy. Aza mihinana izany mba ho sambatra ianao, ianao sy ny zanakao mandimby anao amin’ny fanarahana izay mahitsy eo imason’i Iaveh. Fa ny fanatitra masina andidiana anao mbamin’izay nanaovanao voady, dia aloavy ary mankanesa amin’izay fitoerana nofidin’i Iaveh, dia atero eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, ny soronao dorana, ny nofony sy ny rany; ary amin’ny sorona hafa, ny ra dia haidina eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny nofony dia hohaninao. Tovy sy henoy izao zavatra rehetra andidiako anao izao, mba ho sambatra mandrakizay ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, amin’ny fanatanterahana izay tsara sy mahitsy eo imason’i Iaveh. Rehefa ho voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena amin’izay tany halehanao mba handroaka azy eo anoloanao, ka efa voatosikao izy, ka ianao no honina amin’ny taniny: Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza.
Raha ny iray amin’ny tanàna nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao honenana no lazain’ny olona anao hoe: Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo, dia manaova famotorana sy anontanio tsara. Fa raha marina izany ary voaporofo izany zavatra izany, raha tanteraka teo afovoanao izany fahavetavetana izany, dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra. Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony.
Dia nandidy an’i Helkiasa mpisorona lehibe, sy ny mpisorona amin’ny ambaratonga faharoa ary ny mpiandry varavarana, ny mpanjaka, hamoaka ho eo ivelan’ny tempolin’i Iaveh ny fanaka rehetra natao ho an’i Baala, sy i Astarte mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra; nodorany tany ivelan’i Jerosalema any amin’ny sahan’i Sedrôna ireny, ary nasainy nentina ho any Betela ny vovony. Noroahiny ny mpisoron-tsampy notendren’ny mpanjakan’i Jodà handoro zava-manitra amin’ny fitoerana avo, tany amin’ny tanànan’i Jodà sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ireo nanatitra zava-manitra ho an’i Baala, ho an’ny masoandro amam-bolana, ho an’ny famantarana 12, ary ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.
Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo izay matoky ny sampy, izay milaza amin’ny sarin-javatra anidina hoe: Ianareo no andriamanitray.»
I Maakà reniny aza, naongany amin’ny maha-renin’ny mpanjaka azy, satria nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny vetaveta, dia nodorany tao amin’ny ranon-driaka Sedrôna.
Koa indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamangiako ny sampiny, ka hitoloko eran’ny taniny rehetra ny vonoina ho faty.
Amin’izany andro izany ny olona hijery any amin’Ilay nahary azy, ary hibanjina ny Masin’i Israely ny masony. Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.
Nofoanany ny soavaly natokan’ny mpanjakan’i Jodà ho an’ny masoandro teo amin’ny fidirana mankao an-tranon’i Iaveh, akaikin’ny efitranon’i Natàna-Meleka eonòka, izay tanatin’ny fanampin-trano; nodorany tamin’ny afo ireo kalesy ho an’ny masoandro.
Mitandrema tena ianareo, mba tsy hanadino ny fanekena nataon’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo, sy tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anareo, dia ny sarin-javatra na inona na inona, nandraran’i Iaveh Andriamanitrareo anareo. Fa i Iaveh Andriamanitrareo anie, ka afo mandevona, sy Andriamanitra saro-piaro.
«Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny fonareo.»
Nandidy an’i Jodà mba hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, sy hanatanteraka ny lalàna aman-didy izy.
Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka ny heloka amam-pahotany; satria izy ireo nandoto ny taniko, ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany no namenoany ny lovako.»
«Noho i Manase mpanjakan’i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amôreana teo alohany, ary noho izy nampanota an’i Jodà tamin’ny sampiny,
Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.
Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
fa nanaraka an’i Astarte andriamani-bavin’ny Sidonianina i Salômôna, sy an’i Melkôma, fahavetavetan’ny Amônita. Koa nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh i Salômôna, fa tsy mba nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh, tahaka an’i Davida rainy. Tamin’izany nanorina toerana avo i Salômôna teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema, ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Moaba, sy ho an’i Môlôka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.
Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy;
Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino Ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin’ny fahavetavetan’i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin’ny tany Ejipta.
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Na aiza na aiza onenanareo, ny tanàna ho lao, ny fitoerana avo horavàna; mba ho rava sy lao koa ny ôtelinareo, ho montsana sy levona ny sampinareo, hazera ny andrinareo ho an’ny masoandro ary ho fongotra ny asanareo.
Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.
Alin’iny ihany, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Alao ny vantotr’ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny ôtelin’i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aserah eo anilany.
Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andron’ny fahorianao. Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao, ry Jodà.
Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany.
Ka hoy i Samoela tamin’ny tranon’i Israely rehetra; «Raha miverina amin’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra tokoa ianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin’i Iaveh ny fonareo, ka Izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin’ny tanan’ny Filistinina Izy.»
Dia niditra aho, ka nahita, ary indro, voasoratra teo amin’ny rindrina manodidina avokoa, ny sarin’ny biby mandady amam-biby maloto isan-karazany, mbamin’ny fahavetavetan’ny taranak’i Israely rehetra.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny volanao lany sy ny fitanjahanao naseho tamin’ny fijangajanganao tamin’ny lehilahinao sy tamin’ny sampy fahavetavetana rehetra, sy noho ny ran’ny zanakao naterinao ho an’ireo,
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
Nofoanan’i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin’ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin’ny tanin’i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna, voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Helkiasa mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh.
Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.
Nitsangana izy ireo, dia noravany avokoa ny ôtely tao Jerosalema, noravany koa ny ôtely fanaterana zava-manitra, ka nariany tany an-dohasahan’i Sedrôna.
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
Hatsingerina aminareo ny fahavetavetanareo, ary holonjoinareo ny sazin’ny nanompoanareo sampy; dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Iaveh.
Noho ny fitiavako ny Tenako, dia noho ny fitiavako ny Tenako no hanaovako izany; satria ahoana no hanazimbana ny Anarako? Tsy hafoiko ho an’ny hafa ny voninahitro.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Torak’izany koa ny ôtely tany Betela, ny fitoerana avo nataon’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ilay nampanota an’i Israely; nodorany ny fitoerana avo, noravany izany ôtely izany mbamin’ny fitoerana avo, nodorany ny fitoerana avo, nataony nanjary vovoka, ary nodorany ny aserah. Nony nitodika i Josiasa ka nahita irerỳ fasana teny an-tendrombohitra, dia nampanalainy ny taolana tao am-pasana, nodorany teo ambony ôtely, nandotoany azy, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’ilay olon’Andriamanitra izay efa nilaza izany rahateo.
Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany; nanao sarin-javatra anidina tamin’ny volany, dia sampy araka izay hevitra foroniny; asan’ny mpanao taozavatra foana izany! Izao no filazan’ny olona azy ireo! Mpanao sorona olona, manoroka zanak’omby.
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.
Tsy hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo na amin’ny andriamanitr’izy ireo ianao. Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao mampanota anao amiko, sao dia hanompo ny andriamaniny ianao ka ho tonga fandrika ho anao izany.»
Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin’izany izy. Hanjera ny ôteliny izy, handrava ny tsangam-batony.
Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.
«Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.»
Injany tonga amiko avy any an-tany lavitra, ny fitarainan’ny zanaka vavin’ny oloko manao hoe: Tsy ao Siôna intsony va i Iaveh? Tsy ao afovoany intsony va ny mpanjakany? Nahoana izy ireo no nampahatezitra ahy tamin’ny sampiny, sy tamin’ny zava-poana avy any amin’ny firenen-kafa?
Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena eo an-daniko ianareo.
sao dia miharatsy ianareo, ka manao sarin-javatra voasikotra ho anareo, dia sarin-tsampy na inona na inona izany: sarin-dehilahy na vehivavy, sarim-biby miaina etỳ ambonin’ny tany, na sarim-borona manidina eny amin’ny habakabaka, sarim-biby mandady amin’ny tany, sarin-kazandrano mivelona anaty rano ambanin’ny tany;
Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.
ny ôtelinareo ho voarava, ny andrinareo ho an’ny masoandro, hotapahina; ny lehilahinareo hataoko mitsingidina, voan’ny fahafatesana, eo anoloan’ny sampinareo;
Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon’i Môizy; fa hatramin’izay, mbola nandoroan’ny zanak’i Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe i Nohestàna.
Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;
Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza.
Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.
Alin’iny ihany, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Alao ny vantotr’ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny ôtelin’i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aserah eo anilany. Raha efa izany manorena ôtely eo an-tampon’ity fitoerana mimanda ity, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, sy manamboara azy, ka alao ilay ombalahy faharoa, ary manolora sorona dorana amin’ny hazon’Aserah hokapainao.»
Noravany ireo ôtely teo ambony tafon’ny efitrano avon’i Akaza, nataon’ny mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny nataon’i Manase teo amin’ny kianja roa amin’ny tranon’i Iaveh; ary avy eo izy dia nandeha faingana nanary ny vovoka avy amin’ireny tao amin’ny lohasahan’i Sedrôna.
nazerany ny tsangam-baton-tsampy, nokapainy ny aserah, ary nofenoiny taolan’olona ny fitoerana nitoerany.
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
Ravao hatrany am-potony ny fitoerana rehetra nanompoan’ireo firenena horoahinareo ny andriamaniny any an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny ambanin’ny hazo maitso rehetra eny.
«Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Novonoiny teo ambony ôtely daholo ny mpisoron’ny fitoerana avo izay teo; sady nandorany taolan’olona koa teo, vao niverina nankany Jerosalema izy.
Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.
Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,
dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho. Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.
Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.
dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasikotra, mbamin’ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra;
Levòny ny vahoaka rehetra hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao; aza miantra azy ny masonao; ary aza manompo izay andriamaniny, fa ho fandrika ho anao izany.»
nomontsamontsaniny ny tsangam-baton’i Baala ary nazerany koa ny tranon’i Baala ka nataony trano fivoahana ka mbola tao mandrak’androany.
Koa indro, avy ny andro, hamangiako ny sampin’i Babela; dia hangaihay ny taniny rehetra, ary ho lavo eo aminy avokoa ny voavono ao aminy.
Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
ka ho efa voatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza anaovanao fanekena akory izy ireo, na anananao antra.
Koa niditra tao an-tranon’i Baala ny vahoaka rehetra, dia noravany io, notorotoroiny ny ôtely mbamin’ny sarin-javatra teo, ary novonoiny teo anoloan’ny ôtely i Matàna mpisoron’i Baala.
Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak’omby volamena ka nodorako tamin’ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin’ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany.
Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny aserah, navoakany any ivelan’i Jerosalema tany amin’ny lohasahan-driaka Sedrôna dia nodorany tany amin’ny lohasahan-driakan’i Sedrôna, ary nony nataony nanjary vovoka, dia nafafiny teny amin’ny fasan’ny zana-bahoaka izany vovoka izany.
Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo, nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony, ary nafafiny tao anaty rano ny vovony, ka nampisotroiny ny zanak’i Israely.
Nofoanany tamin’ny tany ny manolo-tena ho mpijangajanga, ary nariany avokoa ny sampy nataon-drainy. I Maakà reniny aza, naongany amin’ny maha-renin’ny mpanjaka azy, satria nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny vetaveta, dia nodorany tao amin’ny ranon-driaka Sedrôna.
Ny vahoaka rehetra tamin’ny tany dia niditra tao amin’ny tranon’i Baala ka noravany; ny ôtely aman-tsary nomontsaniny, ary i Matàna mpisoron’i Baala novonoiny teo anoloan’ny ôtely. Nony nametraka mpiambina tao amin’ny tranon’i Iaveh
ary ianareo kosa tsy hanao fanekena amin’ny mponina amin’ity tany ity fa handrava ny ôteliny. Kanjo tsy nihaino ny feoko ianareo. Ka ahoana no nanaovanareo izany?
Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon’ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.
Ka i Maakà reniny aza, dia naongan’i Asà mpanjaka, tamin’ny fiandrianany amin’ny maha-renin’Andriamanjaka azy, noho izy nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny rehetra dia notorotoroiny ho vovoka sy nodorany tao an-dranon-driaka Sedrôna.
Ny ampitson’izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro i Dagôna fa nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh, ary ny lohan’i Dagôna sy ny tanany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana,
Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»
Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.
Faharitana anie no ho amin’ny ranony, ka aoka ho tankina! Satria tanin-tsampiny ary eo anatrehan’ireny zava-mampahatahotra ireny, dia mirebireby izy ireo.
Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo, manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory. Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!
Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.
Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, mbola tanora izy fahizay, dia efa niantomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy izy, ary tamin’ny taona faha-12, dia natombony ny fanadiovana an’i Jodà sy i Jerosalema, tsy hisy fitoerana avo, na aserah, na sarin-javatra voasikotra, na sarin-javatra anidina. dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema, ny mpisorona, ny Levita, ny vahoaka rehetra, hatramin’ny lehibe indrindra sy ny kely indrindra, ary novakina teo anatrehan’izy rehetra, ny teny ao amin’ny bokin’ny fanekena, hita tao an-tranon’i Iaveh. Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, nohavaoziny teo anatrehan’i Iaveh indray ny fanekena, nanetry tena hanaraka an’i Iaveh izy, hitandrina ny didiny amam-pitsipiny mbamin’ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fanarahana ny teny amin’ny fanekena voasoratra amin’izany boky izany. Ary notaominy hiaiky ny fanekena ny olona rehetra tao Jerosalema sy any Benjamina, ka dia nanao araka ny faneken’Andriamanitra, izay Andriamanitry ny razany, ny mponina tao Jerosalema. Nofoanan’i Josiasa avokoa ny fahavetavetana teo amin’ny tany rehetra ananan’ny zanak’i Israely, ary nodidiany hanompo an’i Iaveh Andriamaniny, ny olona rehetra teo amin’i Israely. Ka raha mbola velona koa izy dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo. Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy, ary nodorany teo ambonin’ireo ôteliny ny taolan’ny mpisorona. Dia nanadio an’i Jodà sy i Jerosalema izy. Ary tany amin’ny tanànan’i Manase sy i Efraima mbamin’i Simeôna, hatrany amin’i Neftalì, tamin’ireny tanànany rava ireny, dia noravany koa ny ôtely, notorotoroiny nataony zary vovoka ny aserah sy ny sarin-javatra voasikotra, ary nazerany avokoa ny sary mivongana natokana ho an’ny masoandro, teo amin’ny tanin’i Israely rehetra, vao niverina nankany Jerosalema izy.
Maro koa tamin’ny mpamoha angatra no nitondra ny bokiny, sy nandoro azy teo anatrehan’ny olona rehetra; nony notombanana ireo boky ireo, dia hita fa vola denie dimy alina no an-kevi-bidiny.
Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.
Indro fa tsinontsinona ianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!»