7 Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon’ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra hodorana amin’ny afo ny tamby rehetra azony ary hopotehiko ny sarin-tsampiny rehetra; satria tambin’ny vehivavy janga no nanangonany azy, dia hanambazana vehivavy janga any an-kafa indray ireny.»
7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra hodorana amin’ny afo ny tamby rehetra azony ary hopotehiko ny sarin-tsampiny rehetra; satria tambin’ny vehivavy janga no nanangonany azy, dia hanambazana vehivavy janga any an-kafa indray ireny.»
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.
Ary rehefa afaka fitopolo taona, dia izao no zavatra hitranga: hamangy an’i Tira i Iaveh, ka handray ny tambiny indray izy, dia hitolo-tena amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany, manerana an’izao tontolo izao.
Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.
Na aiza na aiza onenanareo, ny tanàna ho lao, ny fitoerana avo horavàna; mba ho rava sy lao koa ny ôtelinareo, ho montsana sy levona ny sampinareo, hazera ny andrinareo ho an’ny masoandro ary ho fongotra ny asanareo.
Horavako ny voalobony aman’aviaviny, izay nataony hoe: Izany no tangy nomen’ireo lehilahiko ahy; ka hataoko manjary ala ireny, ary ny biby dia no hihinana azy.
fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin’ny hetaheta.
Aza misy enti-manefa voady any an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao, na ny tangim-behivavy janga na ny hofan’alikalahy, fa samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao, ireo zavatra roa ireo.
Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak’omby volamena ka nodorako tamin’ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin’ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany.
Hitomany azy sy higogogogo ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga taminy, sy niara-niliba taminy tamin’ny fahafinaretan’ny nofo, rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.
Ny ampitson’izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro i Dagôna fa nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh, ary ny lohan’i Dagôna sy ny tanany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana,