Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 1:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra hodorana amin’ny afo ny tamby rehetra azony ary hopotehiko ny sarin-tsampiny rehetra; satria tambin’ny vehivavy janga no nanangonany azy, dia hanambazana vehivavy janga any an-kafa indray ireny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra sady hofoanako ny sampiny rehetra satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra hodorana amin’ny afo ny tamby rehetra azony ary hopotehiko ny sarin-tsampiny rehetra; satria tambin’ny vehivavy janga no nanangonany azy, dia hanambazana vehivavy janga any an-kafa indray ireny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon’ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin’ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin’ny vehivavy janga indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, ary hodorana amin’ny afo ny karama malotony rehetra sady hofoanako ny sampiny rehetra satria karama maloton’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, ary hody ho karama maloton’ny vehivavy janga indray ilay izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 1:7
22 Rohy Ifampitohizana  

Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin’ireo tanàna jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran’i Joda sy i Benjamîna ary koa tamin’ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian’izay dia samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy izy rehetra.


Ho levona ny andriamani-tsiizy rehetra.


Rehefa afaka fitopolo taona, dia hirotsaka an-tsehatra ao Tiro ny TOMPO. Hiverina hanao ny fanaony indray izy ka haka tombony mihoa-pampana amin’ny firenena rehetra eran-tany.


Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Any amin’izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanàna, ary ho ravàna ny toeram-panasinana. Ho ravàna koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary hosimbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia holevonina avokoa izay namboarinao.


Ankehitriny no hampitanjahako azy eo imason’ireo lehilahy sakaizany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’izany famaizako izany.


Hosimbako ny voalobony sy ny aviaviny izay nataony hoe: «Izany no karama nomen’ny lehilahy sakaizako ahy.» Hovako ho kirihitr’ala ireny ka hataon’ny bibidia sakafo.


Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.


Maharikoriko ilay ombilahikelinareo, ry olon’i Samaria! Mampirehi-pahatezerana Ahy ianareo Mandra-pahoviana ny tenanareo no tsy hiharam-pamaizana?


Fa avy tamin’i Israely io ombilahikely io, mpahay taozavatra no namboatra azy, ka dia tsy Andriamanitra izy; eny, ho montsamontsana ilay ombilahikelin’i Samaria.


Hampiseho zava-mahagaga eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitambolina.


Haharikoriko Ahy ianareo, ka horavako ny toerana anajànareo sampy, hazerako ny tsangambato anompoanareo ny masoandro, ary ny fatinareo hampifanongoaviko eo ambonin’ny sampy rava.


Aoka tsy hisy vehivavy na lehilahy israelita hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.


Ary nalaiko ny fahotana vitanareo, dia ilay ombilahikely volamena, ka nodorako dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ny ranon-driaka izay midina avy any amin’ny tendrombohitra.


Fa ilay divain’ny fijangajangàny mihoa-pampana no nisotroan’ny firenena rehetra; ka ny mpanjakan’ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mpandranto manerana ny tany efa tonga mpanankarena satria tia filibana loatra io tanàna io.»


Ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga tamin’i Babilôna sy niara-niliba taminy dia hitomany azy sy handondòn-tratra hisaona azy, rehefa hahita ny setroka vokatry ny fandoroana azy.


Ny ampitso maraina manaraka dia hitan’ny olona fa mbola nidaboka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO indray ilay sarivongana; tapaka teo an-tokonam-baravarana ny lohany sy ny tanany roa, fa ny vatabeny ihany no tsy nanohinana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra