Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 1:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Noho izany, dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko antontan-korontam-bato eny an-tsaha i Samaria, hataoko tany fambolena voaloboka; ary havariko any an-dohasaha ny vatony, ka hampihanjahanjaiko ny fototra iorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Koa i Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha sy tany fambolem-boaloboka; havariko ho any an-dohasaha ny vatony ka haharihariko ny fanorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Noho izany, dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko antontan-korontam-bato eny an-tsaha i Samaria, hataoko tany fambolena voaloboka; ary havariko any an-dohasaha ny vatony, ka hampihanjahanjaiko ny fototra iorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Koa i Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha, tany fambolena voaloboka; hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony, ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Koa i Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha sy tany fambolem-boaloboka; havariko ho any an-dohasaha ny vatony ka haharihariko ny fanorenany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 1:6
19 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha mitsoaka mankamin’ny tanàna iray izy, dia hitondran’i Israely manontolo tady mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika hivarina any amin’ny ranon-driaka mandra-pahafoana azy tsy hisy vato kely iray hita ao intsony.


Azon’ny Asirianina ny tanàna nony afaka telo taona, izany hoe tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Hezekià na tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hôsea.


Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Hezekià, izany hoe tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Hôsea zanakalahin’i Elà tamin’i Israely, no nahatongavan’i Salmanesera mpanjakan’i Asiria hanao fahirano an’i Samaria.


Moa tsy fantatrao va, ry Saneheriba, fa efa hatry ny ela no nanomanako an’izao zava-nitranga tato ho ato izao? Efa hatramin’ny elabe no namolavolako azy, ary ankehitriny dia manatanteraka azy Aho. Voatendriko handrava ireo tanànamimanda ianao ka hahatonga azy ho korontam-bato.


Hafatra momba an’i Damasy. Hitsahatra tsy ho tanàna intsony i Damasy, fa ho tonga korontam-bato sisa.


Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba, dia efa nazeran’ny TOMPO sy narodany ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.


Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna, noravanao tokoa ny tanàna mimanda; tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan’ny mpiavonavona sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.


Hambolenao voaloboka indray eny amin’ny havoanan’i Samaria ka ireo mpamboly no hioty ny vokatry ny famboleny.


Indro mamely anao Aho, ry Babilôna mpampiavosa fandravana, ianao ilay nandrava izay rehetra tamin’ny tany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Maninji-tanana hamely anao Aho, ka manjera anao avy eny ambony harambato. Hataoko vainafo miavosa ianao,


Ho tonga korontam-bato i Babilôna, ka ho fonenan’ny amboadia, ho toerana tsy misy mponina intsony fa mahonena sy mampivarahontsana.


Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.


Indrisy! Nihavasoka ny volamena; efa nihamatroka ilay metaly tsara; ireo vatosoa voatokana ho an’ny Tompo dia niparitaka teny an-dalambe rehetra teny.


Horavako ny rindrina izay nolalorinareo fotaka ka hazerako amin’ny tany, dia hiseho mbamin’ny fototra. Hirodana izy ka ho tototra ao ambaniny ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.


Nohosihosenareo ny malahelo ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy. Noho izany, dia tsy hitoetra amin’ny trano vato voapaika nataonareo ianareo, ary tsy hisotro ny divay avy amin’ny voaloboka tsara nambolenareo.


Ny TOMPO efa mianiana amin’ny tenany; Ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: «Mahatsiravina Ahy ny avonavon’ny fanjakan’i Israely ary hàlako ireo lapany, ka hatolotro ny fahavalony ny renivohitra Samaria mbamin’izay rehetra ao anatiny.»


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


Niainga hamonjy ny olonao Ianao, eny, hamonjy ilay vahoaka voahosotrao. Aonganao ny filohan’ny andian’olon-dratsy; hatratỳ am-potony ka hatrany an-tampony no amotehanao izany andian’olon-dratsy izany.


Ary niteny i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: –Hitanareo moa ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra