Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 1:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Hoy kosa i Mikà hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako ka hahatonga ahy handeha tsy mikiraro sady mitanjaka; hikaonkaona toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny aotirisy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Hoy kosa i Mikà hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra, handeha tsy mitafy sy miboridana; handefa finaonaonana toy ny amboadia, ary fitarainana toy ny ostritsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako ka hahatonga ahy handeha tsy mikiraro sady mitanjaka; hikaonkaona toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny aotirisy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 1:8
19 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekià no nahatongavan’i Saneherîba mpanjakan’i Asiria hanafika ny tanànamimanda rehetra tao amin’ny fanjakan’i Joda ka nahazoany ireny.


Nony fantatr’i Môrdôkay ny zava-drehetra nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona ary nankeo afovoan’ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy.


Ka tonga naman’ny amboadia aho ary tonga zandrin’ny aositritsy amin’izato feoko mampahonena.


Reraka noho ny fisentoako aho, ka taolana sisa no mipetaka amin’ny hoditro.


Sakadia no hiorim-ponenana ao ary vorondolo no hameno ny tranony. Vorombe no hanao akany ao ary osidia no hifalihavanja ao.


Ny fosa no hinaonaona ao an-tranobeny, ary ny amboadia no honina ao an-dapany. Akaiky ho tonga ny oran’i Babilôna; ary tsy hisy hataka andro intsony ho azy.


Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:


Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin’ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.


Izany no itenenako aminareo hoe: «Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.


Mangovita ianareo mitoredretra matahora ianareo tsy rototra. Esory avokoa ny fitafianareo, ka lamba fisaonana no isikino.


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.»


Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’ny TOMPO, sokafy tsara ny sofinareo amin’izay lazainy: ampianaro hira fisaonana ny zanakavavinareo, samia ianareo mampianatra ny namany avy izao tononkira fitomaniana izao:


«Ry ilay taranak’olombelona, mitolokia ny amin’ny vahoaka maroben’i Ejipta. Izany no ampidino azy miaraka amin’ireo mponin’ny firenen-kafa ho any ambanin’ny tany, izay toerana fidinan’ny maty.


Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo, sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe: «Levona tanteraka izahay! Lasan’olon-kafa ny anjaran’ny firenenay! Nahoana no nesorin’ny Tompo taminay ny taninay ka zarainy ho an’ny mpanohitra anay?»


Nanala ny fitafiany tahaka ireo hafa izy, dia mba naminany teo anatrehan’i Samoela ihany koa, ary nidaboka tamin’ny tany sady nitanjaka iny andro sy alina manontolo izy. Izany no nanaovan’ny olona hoe: «Mba tonga anisan’ny mpaminany koa ve i Saoly?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra