Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena; hazo nokapaina tany an’ala, taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra, sary tamin’ny fandraka, ka ravahana amin’ny volafotsy sy volamena. Homboana amin’ny fantsika, velezina amin’ny tantanana izany, mba tsy hihetsiketsika, Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
Dia izao no holazainao azy: Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy, - teny marin’i Iaveh; - sy andriamani-kafa no narahin’ireny, notompoiny, nivavahany; fa Izaho nilaozany, ny lalàko tsy notandremany.
Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolàm-baravarana ianao, no nametraka ny fahatsiarovanao. Fa lavitra Ahy ianao miala rako-dambam-pandriana, miakatra ao sy manitatra ny fandrianao ianao, ary nandraikitra ny tambinao tamin’izy ireo; mankamamy ny fifamihinany aminao ianao, mandoto ny masonao ianao.
Na dia izany aza, mbola naka fanahy sy nihantsy an’Andriamanitra Avo indrindra ihany izy ireo, ka tsy nitandrina ny didiny. Fa niodina sy nivadika toy ny razany izy ireo, nibirioka toy ny tsipìka mandainga. Nampahatezitra Azy, tamin’ny fitoerana avony; nampahasaro-piaro Azy, tamin’ny sampiny.
Fa izy ireo nananga-mpanjaka, nefa tsy avy amiko; nanendry mpanapaka nefa tsy nahalala an’ireo Aho; nanao sampy tamin’ny volafotsiny amam-bolamenany, mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.
Koa indro, avy ny andro, hamangiako ny sampin’i Babela; dia hangaihay ny taniny rehetra, ary ho lavo eo aminy avokoa ny voavono ao aminy.
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany, toy izany koa aho hifidy ny fampahoriana azy sy hampianjera amin’izy ireo ny zavatra atahorany, satria miantso Aho, fa tsy nisy namaly; niteny Aho, fa tsy nohenoin’izy ireo; izay ratsy eo imasoko no nataony; ary izay tsy sitrako no nofidiny.
satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà; sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty.
Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany; namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny. Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;
Hiditra amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina izay mamely azy; ka handrendrika ity tanàna ity izy, dia handoro azy mbamin’ny trano nanaterana emboka manitra ho an’i Baala teo ambonin’ny tafony, sy nandrarahany fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra Ahy.
Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;
Iza no namorona andriamanitra sy nanao sampy anidina, mba tsy hahazoany soa na inona na inona?
Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»
Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany, ary nitolo-tena hiraiki-po tamin’ny vato aman-kazo izy.
Mirehidrehitra ianareo eo ambanin’ny terebinta, sy eny ambanin’izao hazo maitso rehetra izao! Mamono zaza eny an-dohasaha, ambanin’ny tsefatsefa-karambato!
izay manao amin’ny hazo hoe: ‹Ianao no raiko›; sy amin’ny vato hoe: ‹Ianao no niteraka ahy.› Fa ny lamosina no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany, ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy: ‹Mitsangàna, ka vonjeo izahay!›
Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.
Ary Izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra fo Aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.»
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
Niraikitra tamin’i Beelfegôra izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny volanao lany sy ny fitanjahanao naseho tamin’ny fijangajanganao tamin’ny lehilahinao sy tamin’ny sampy fahavetavetana rehetra, sy noho ny ran’ny zanakao naterinao ho an’ireo,
Ny vato kilonjy eny an-dohasahan-driaka, no anjaranao, izany dia izany no anjaranao! Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka, sy notoloranao fanatitra! Moa tsy maintsy hahafa-po Ahy va izany?
Ny sarin’ny sampy nataony, dia napetrany tao amin’ny tranon’Andriamanitra izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Eto amin’ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko teo amin’ny fokon’i Israely rehetra no tiako hametrahana ny Anarako mandrakizay.
Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly, eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany, izay mihinana hena kisoa sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy, dia hiara-devona avokoa, - teny marin’i Iaveh.-
Ny ampitson’izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro i Dagôna fa nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh, ary ny lohan’i Dagôna sy ny tanany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana,
Ry zanak’olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan’ny tavany: ka hety hanontanian’ireo va Aho?
Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon’ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
Satria ianareo nanolotra emboka manitra sy nanota tamin’i Iaveh, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ny lalàny sy ny fitsipika aman-didiny; dia noho izany no niharan’izao loza manjò anareo izao ianareo, araka izao hita anio izao.»
«Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.»
Koa nanompo sampy izy ireo, nefa izany no nilazan’i Iaveh taminy hoe: «Aza manao izany ianareo.»
fa nanao ratsy mihoatra izay talohanao rehetra ianao, andriamani-kafa sy sarin-javatra anidina no lasa nataonao hampahatezitra Ahy, fa Izaho kosa nailikao any ivohonao!
Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.
Izao no lazain’i Iaveh: «Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’i Iaveh ny fony!
Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe: Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.
Indro fa tsinontsinona ianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!»
sady nolotoiko tamin’ny fanatiny, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa Izaho no Iaveh.
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran’i Baala izy, hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe: «Ry Baala ô, valio izahay!» Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo. Nony nitataovovonana ny andro, nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe: «Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.»
noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin’ny nandehanany hanatitra emboka manitra amam-panompoana amin’izay andriamani-kafa tsy nisy nahalala, na izy, na ianareo, na ny razanareo. Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.» Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.» Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin’ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin’izay andriamani-kafa.
Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an’ireo andriamanitra nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin’ny andron’ny fahoriany.
Fa horavanareo ny ôteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserîmany. Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.
Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika, no mipaika azy ny mpamorona azy, na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga, no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy, amin’ny fanamboarana andriamanitra moana? Loza ho an’izay manao amin’ny hazo hoe: Mitsangàna! sy amin’ny vato moana hoe: Mifohaza! Hampianatra va izy? Indro fa voapetaka volamena sy volafotsy izy, nefa tsy mba misy fofon’aina akory ao anatiny.
Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka.
Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.
Aza mitodi-doha amin’ny sampy; ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany. Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo, manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory. Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!
Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.
Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona; menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny, satria fitaka foana ny sampiny fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny. Zava-poana ireny, asa mamitaka foana; ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.
Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.
Moa mety hisy va izany hoe: olona mamorona andriamanitra ho an’ny tenany? Tsy Andriamanitra akory anefa izany!
Nofoanan’i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin’ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin’ny tanin’i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna, voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Helkiasa mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh.
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Fa mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra efa nofidinareo, ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahoriana».
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.
Any an-danitra ny Andriamanitsika; izay tiany hatao, vitany avokoa. Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo, manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory. Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!
Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.
Ary raha tahiny ianareo manao hoe: Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? Izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin’ny tany tsy anareo.»
Fa amin’izany andro izany ny olona, samy hanary ny sampy volafotsy aman-tsampy volamena avy izay nataon’ny tananareo hanotàna.
Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà, ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.
Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra; ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny lehibe rehetra.
Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany. Ny antsasany dorany tamin’ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: «Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan’ny afo aho izany!» Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!»
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
Fa hahahy eo anatrehan’ny masoandro amam-bolana, mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra, izay efa tiany, notompoiny, narahiny, nilany hevitra ary niankohofany teo anatrehany; ka tsy hangonina na halevina ireo taolana ireo, fa hanjary zezika eo ambonin’ny tany. Ary ny ho faty fa tsy ho velona, no ho aleon’
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
«Noho i Manase mpanjakan’i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amôreana teo alohany, ary noho izy nampanota an’i Jodà tamin’ny sampiny,
Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao ireo antontan’andriamanitrao! Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo, hindaosin’ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky Ahy no handova ny tany, sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.
Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano
Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena eo an-daniko ianareo.
Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany; nanao sarin-javatra anidina tamin’ny volany, dia sampy araka izay hevitra foroniny; asan’ny mpanao taozavatra foana izany! Izao no filazan’ny olona azy ireo! Mpanao sorona olona, manoroka zanak’omby.
dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»
Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany. Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy!
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.
Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra. Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra; izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny Aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa Aho, ka hanefa izany! Mihainoa ahy, ianareo olona madî-po, izay lavitry ny fahamarinana. Ampanakaikeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy; ary ny famonjeko tsy ho ela; hanome famonjena an’i Siôna Aho, sy ny voninahitro ho an’i Israely. Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy; tsy nahavonjy ny entana izy; lasan-ko babo mbamin’ny tenany aza.
Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana. Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.
Mihainoa, ry vahoakako, fa misy fananarana hataoko anao; enga anie ka hihaino ahy ianao, ry Israely.