Isaia 57:8 - Baiboly Katolika8 Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolàm-baravarana ianao, no nametraka ny fahatsiarovanao. Fa lavitra Ahy ianao miala rako-dambam-pandriana, miakatra ao sy manitatra ny fandrianao ianao, ary nandraikitra ny tambinao tamin’izy ireo; mankamamy ny fifamihinany aminao ianao, mandoto ny masonao ianao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka, dia nanao fanekena tamin’ireny ianao; tia ny mandry aminy ianao ka mijery azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA8 Tao ambadiky ny tolàm-baravarana no nametrahanao ny ody fampahatsiarovana anao. Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao sy niakaranao hankeo am-pandrianao ary nanalalahanao ny toerana teo. Dia nividy sakaiza maro ianao, ka finaritra matory miaraka aminy; ary nobanjininao ilay rantsam-batany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Tao ambadiky ny tolàm-baravarana no nametrahanao ny ody fampahatsiarovana anao. Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao sy niakaranao hankeo am-pandrianao ary nanalalahanao ny toerana teo. Dia nividy sakaiza maro ianao, ka finaritra matory miaraka aminy; ary nobanjininao ilay rantsam-batany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; Fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, Eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’izay hataon’ireny hianao; Tia ny fandriana aminy hianao ka nizaha toerana ho anao. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache8 Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka, dia nanao fanekena tamin’ireny ianao; tia ny mandry aminy ianao ka mijery azy. Jereo ny toko |