Indro eo amin'ny fiainantsika, Andriamanitra dia nametraka olona mahafinaritra izay feno fitiavana sy fahafoizan-tena, mampirisika antsika hiady ny adin'ny finoana, mameno antsika herim-po ary tonga fampiononana antsika ao anatin'ny fahoriana. Ireo olona ireo dia teo anilantsika, na tamin'ny fotoan-kafaliana na tamin'ny fotoan-tsarotra sy fahasahiranana.
Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra dia mahita andininy isika mba hanolorana azy ireo sy hanehoana amin'izy ireo ny maha-zava-dehibe azy ireo amintsika. Aoka isika hahay hankasitraka amin'ny fotoana rehetra!
"Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana." Nomery 6:24-26.
‹Hitahy anao sy hiaro anao anie i Iaveh.
Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie i Iaveh.
Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie i Iaveh.›
Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
I Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siôna! Enga anie ka hahita an’i Jerosalema miadana tsara ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao!
I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao.
I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;
I Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siôna! Enga anie ka hahita an’i Jerosalema miadana tsara ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao!
Hahita ny zanaky ny zanakao anie ianao! Ho amin’i Israely anie ny fiadanana!
Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.
Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho;
dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny.
ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra,
Enga anie, ka hampitomboin’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo ho inarivo tahaka izao ianareo sy hotsofiny rano, araka ny efa nampanantenainy anareo.
Noho izany, nony reko ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako,
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Izao fitahiana rehetra izao no ho tonga aminao sy ho azonao, raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.
Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo, ary mifamporisiha handroso, araka ny efa ataonareo rahateo.
Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: ‹Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.› »
Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin’izay hahasoa azy, sy hahatarika azy amin’ny tsara.
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny namany mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
Dia namaly izy ka nanao hoe: «Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.»
ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra,
Farany, ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo.
Fantaro izay ankasitrahin’Andriamanitra.
Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;
fa asehon’ny mazava avokoa ny zavatra rehetra rehefa voambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa.
Izany no nanoratana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna avy any amin’ny maty, dia hanazava anao i Kristy.
Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry;
hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitrapon’ny Tompo.
Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.
Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!
satria fantatrareo marina fa isam-batan’olona, na andevo na olona afaka, dia samy hovalian’Andriamanitra soa, amin’izay soa nataony avy.
Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny, raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,
Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany.
Koa mifandraisa ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro,
ka ilazan’ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany?
sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarainy tamin’izy rehetra, araka izay nilainy avy.