Ento an-tsaina amim-pivavahana amin’Andriamanitra ireo fangatahana rehetra ireo. Salamo 37:4 manao hoe: "Miravorà amin'i Jehovah, dia homeny anao izay irin'ny fonao." Raha manatona Azy isika ka mivavaka araky ny sitrapony, dia hihaino antsika Izy. Rehefa mihaino antsika Izy dia ho fantatsika fa efa voavaly ny fangatahantsika.
Anjato ny iray amin'ireo fampanantenana tsara indrindra nomen'Andriamanitra antsika ao amin'ny Salamo 37. Rehefa mivavaka ianao dia tokony hifantoka amin'Andriamanitra fa tsy amin'ny olanao. Mitenena Aminy amin'ny fahatokiana fa mihaino Izy ary mahafantatra fa ny heriny dia mihoatra ny zava-drehetra. Amin'izay ianao dia manaiky an'Andriamanitra ho ivon'ny fiainanao ary ho reny ny vavakao.
Na dia toa tsy mihaino aza Andriamanitra indraindray dia aza mitsahatra mivavaka mihitsy. Indraindray Andriamanitra dia lasa toy ny mosara ranomaso ho antsika rehefa manatona Azy isika, tsy hoe hanafaka antsika amin'ny olana fa mba "hiantorahantsika" fotsiny. Matetika ny vavi-bavaka dia feno fitarainana, hatezerana, ary fahatezerana mihitsy aza, nefa mahalana isika vao milaza amin'Andriamanitra fa matoky Azy isika, fa fantany ny olanantsika ary afaka mamaha izany Izy.
Tian'ny Rainao any an-danitra ianao ary amin'ny fotoany dia hamaly ireo fangatahanao Izy. Tadidio fa lavorary ny fotoan'Andriamanitra. Betsaka ny andininy ao amin'ny Baiboly momba ny fangatahana amin'Andriamanitra, vakio ireo ary ampitomboy ny finoanao isan'andro. Hotahin'Andriamanitra anie ianao.
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray;
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra.» Ary hoy koa Izy: «Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.»
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.
Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’Andriamanitra,
dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana.
ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy, mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana
Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,
Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Nataon’i Davida.
Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako.
Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony.
Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!
Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,
ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany.
Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay,
dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.
Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankatỳ aminareo Aho,
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,
Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.»
Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?»
Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy.
Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.
Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray.
Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany.
rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny i Iaveh.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana,
na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Iaveh ô, niantso ny Anaranao tany anaty lavaka lalina aho.
Renao ny feoko: «Aza manentsin-tadìny, amin’ny fisentoako, amin’ny fitarainako!»
Tamin’ny andro niantsoako anao, nanatona Ianao, dia nanao hoe: «Aza matahotra!»
Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao?
Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin’ny fahotana.
Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?»
fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.
Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho;
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe Izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
«Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy, toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.»
hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’i Iaveh, sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany.
Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa.
Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.