Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina; ary mankasitraka ny lalany. Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany; fa i Iaveh mitantana azy.
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho, fa Ianao no itokiako; atoroy ny lalana tokony halehako aho, fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.
fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy, mampianatra ny manetry tena ny lalany Izy.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo.
maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
hoentinao amin’ny torohevitrao aho, dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana. Mitahiry ny fahasambarana ho an’ny olona mahitsy fo izy, ary ampinga ho an’izay mandeha amin’ny fahalavorariana. Miaro ny sakeli-dalan’ny fahamarinana izy, miambina ny lalan’izay miraiki-po aminy. Amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny, ary ny hitsiny mbamin’ny lalana rehetra ho amin’ny tsara.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Ary ny amiko, noho ny famimdram-ponao lehibe, dia handeha ho ao an-tranonao aho; hiankohoka manatrika ny tempolinao masina amim-pahatahorana Anao aho.
Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Tompo ô, ampianaro ny lalanao aho; tariho amin’ny lalana marina aho; noho ny amin’ireo mitsikilo ahy.
Koa maneke an’Andriamanitra ianareo, ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,» miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.
Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.
Rava ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina foto-pamonjena.
Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.
Isaorako i Iaveh izay nanolo-tsaina ahy; na dia alina aza ny andro mbola anarin’ny foko ihany aho.
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny; apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin’ny foko rehetra. Tariho aho amin’ny lalan’ny didinao, fa ao no hahitako fahasambarana.
Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin’ny sakeli-dalan’ny fahitsiana.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy. Aoka ho vatolampy fiarovana ahy Ianao, ho trano mimanda hahitako famonjena.
mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao, ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra. Aza mivily miankavanana na miankavia; ary esory amin’ny ratsy ny tongotrao.
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa, mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Ampifalio ny fanahin’ny mpanomponao, fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko. Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.
aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo tokoa;
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»
«Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohana.
Hijery izay olona mahatoky amin’ny tany, ny masoko, mba hitoerany ato akaikiko; izay mandeha amin’ny lalana marina, no ho mpanompoko.
Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
Izany koa dia avy amin’i Iavehn’ny tafika; mahagaga amin’ny fisainanay Izy, sady be no azony enti-manatanteraka.
Ary enga anie ny Tompo ka hitari-dalana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faharetan’i Kristy.
Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!
Miandry an’i Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana, fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
Satria ny lalan’ny marina fantatr’i Iaveh fa ny lalan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.
Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Aoka anefa, hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra. Ka ny olona toy izany dia aza mba manampò hahazo zavatra amin’ny Tompo, fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.
«Izaho handeha eo alohanao, handravona ny lalana mikitoantoana, hanorotoro ny vavahady varahina, ary hanapatapaka ny hidy vy. Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy. Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany, sy manambara izany hatramin’ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa. Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho; ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray, izay tsy hofoanana; Ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hianiana amiko. Izao no hilazan’ny olona ahy: Amin’i Iaveh irery no mitoetra ny fahamarinana sy ny hery! Hanatona azy ny olona; fa ho menatra kosa izay rehetra tezitra taminy. Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’i Iaveh avokoa, ny taranak’i Israely rehetra. Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona, mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.
Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.
Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany. Milaza fahendrena ny vavan’ny marina; ary manambara ny rariny ny lelany, ny lalàn’ny Andriamaniny dia ao am-pony, tsy mba solafaka ny diany. Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina, ka mitady izay hahafaty azy; fa i Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tanany; ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy. Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany, dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao; raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany. Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin’ny fanaperam-pahefana aho, nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy. Nandalo aho dia tsy teo intsony izy; nitady azy aho fa tsy hita intsony izy. Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy: fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana, Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa; ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana. Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy. I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao.
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Aoka àry hiray amin’izany ny hevitsika rehetra efa lavorary; ary raha mbola misy zavatra sasany iheveranareo hafa noho izany, dia Andriamanitra no hanazava anareo ny amin’izany.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
I Iaveh no mitarika ny dian’ny olona; ary ataon’izay olombelona ahoana no fahalala ny lalany?
Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina noho ny finoany sy ny faharetany.
Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy; ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny Hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Anaka, aza manadino ny fanoroako, ary tanonao am-ponao ny didiko. Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao, ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao. Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh, ary aza mankahala ny famaizana ataony. Fa izay tian’i Iaveh no faiziny, toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany. Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana. Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio. Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra. Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia. Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra. Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy, ary sambatra izay mifikitra aminy. Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana.
Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy: «Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa, sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo.»
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika, no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Izay mihaino tsara ny fampianarana dia mandeha amin’ny lalan’aina, fa izay manadino ny fananarana kosa maniasia.
fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:
Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina; ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.
Raiso mihoatra noho ny volafotsy ny anatro; ary mihoatra noho ny volamena madio ny fahaizana. Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany,
Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.
fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy, fa Andriamanitra, Izay naha-voahosotra antsika, sy nanisy tombokase antsika, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.