Tsara lavitra ny mangataka fahendrena amin’Andriamanitra toy izay harena, satria avy amin’ny fahendrena no iavian’ny paikady mahomby ahafahana miaina am-pahombiazana. Tsy izay ihany fa ho lasa olona afaka manampy ny hafa koa ianao, amin’ny alalan’ny torohevitra tsara, fanitsiana manorina, ary hevitra sy tetikasa afaka mitondra fitahiana ho an’ireo manodidina anao.
Ny fahendrena dia fahaizana mandanjalanja tsara, azo avy amin’ny traikefa, fandinihana ary fisaintsainana. Tadidio i Solomona Mpanjaka, nangataka fahendrena tamin’Andriamanitra izy, ary noheverina ho olona hendry indrindra teto an-tany. Faly tamin’i Solomona Andriamanitra satria tsy nifantoka tamin’ny harena ara-nofo izy, fa ny famenoana ny fanahiny tamin’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra no zava-dehibe taminy. Izay hendry dia manana toetra tsara tsy ananan’ny maro.
Ao amin’Andriamanitra, ny fahendrena dia fahalalana tsy manam-petra sy tonga lafatra ny zavatra rehetra efa misy sy mety hisy. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany, ary tiany hangatahintsika, araka ny voasoratra ao amin’ny Jakoba 1:5.
Tian’Andriamanitra ho feno fahendrena ianao, izay hitarika anao isan’andro sy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, hisoroka anao tsy ho latsaka amin’ny hadalana sy ny ho voafitaky ny rivo-piainana eto amin’izao tontolo izao. Andriamanitra no loharanon’ny fahendrena sy ny hery, ary noho ny fahatahorana Azy no anomezana fahendrena ny olona.
Tian’ny Fanahy Masina hahatratra ny tanjona irinao ianao, amin’ny fanatanterahana ny sitrapony amin’ny fotoana rehetra, tsy mandà ny tenin’Andriamanitra. Tandremo ny fomba fiainanao, aza toy ny adala, fa toy ny hendry, hararaoty ny fotoana rehetra, satria ratsy ny andro ankehitriny (Efesiana 5:15-16). Hita taratra amin’ny atao ny fahendrena, rehefa manao na miteny zavatra ny olona hendry, dia satria fantany fa marina izay ataony.
Manatòna an’Andriamanitra amin’ny vavaka mba ho eo aminao ny Fanahiny, hameno anao fahendrena. Amin’izay dia ho azonao antoka fa izay rehetra ataonao dia hotarihiny, ary ho lasa olona malina ianao, afaka mitondra fitahiana ho an’ireo mila fahendrena. Mangataha amin’Andriamanitra dia homeny anao betsaka izany, tsy ho anao irery ihany, fa mba hanazavana ireo ao amin’ny maizina sy hitarihana ireo very lalana.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.
Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao; ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao.
Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin’ny vavako, ary aza mivily miala amin’izany.
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
Ny hendry, omen’ny fahendrena hery, mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.
Mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany, na an’ny mpanapak’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona; fa fahendren’Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika;
Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin’ny fitondrany tena tsara ny asan’ny halemem-panahy amam-pahendreny.
Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.
Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Mahaiza mitondra tena amin’izay eo ivelany; ary mahaiza manararaotra ny fotoana. Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.
Fa ny anankiray omen’ny Fanahy teny fahendrena, ny anankiray teny fahalalana, araka io Fanahy io ihany;
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena; nefa soa manan-tombo ny fahaizana, dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena.
Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
Ary i Iaveh niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina, tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: «Angataho izay tianao homeko anao.» Dia hoy ny navalin’i Salômôna: «Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao, araka ny nandehanany teo anatrehanao, tamin’ny tsy fivadihana, sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao; notohizinao izany fitiavana lehibe izany, ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy, araka izao hita izao. Ary ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao; izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena. Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao, vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina, fa maro be loatra. Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao!»
Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.
Izay Izy vao nilaza tamin’ny olombelona nanao hoe: ‹Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana› ».
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana, ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara; ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
Izay mahazo fahalalana no tia ny fanahiny, ary izay manaraka ny fahamalinana hahazo ny fahasambarana.
Ary hitako fa ny hatsaran’ny fahendrena noho ny hadalana, dia toraky ny mazava noho ny maizina.
Loharanon’aina ho an’izay manana azy ny fahalalana; ary ny sazy ho an’ny adala dia ny fahadalany.
Tahiry raketin’ny hendry ny fahendrena; fa loza mananontanona kosa ny vavan’ny adala.
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo, sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy, Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe: «Aza mandray! Aza manandrana! Aza manendry!» Nefa zavatra manjary levona foana avokoa amin’ny fomba fampiasana azy fotsiny izany zavatra rehetra izany! - Eisy! didy sy fampianaran’olombelona foana izany; sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy. Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.
Ny fon’ny olona manan-tsaina no itoeran’ny fahendrena, ka eo afovoan’ny adala dia fantatra eo ihany izy.
Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.
Fa izay toa fahadalàn’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, dony dia hovohana; fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Izaho aloha, ry kristianina havana, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa.
Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy. Aoka ho vatolampy fiarovana ahy Ianao, ho trano mimanda hahitako famonjena.
Anaka, aoka tsy hiala eo imasonao fa tano ny fahendrena amam-pisainana; fa aina ho an’ny fanahinao izany; ary haingo ho an’ny vozonao.
Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy.
Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo, Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.
Mampandria sofina ka henoy ny tenin’ireo hendry, manombena saina amin’ny fampianarako. Fa zava-mahafinaritra izany raha tany tahirizinao ao anatinao; aoka hipetraka eo amin’ny molotrao avokoa izy! Mba hianteheran’ny fitokianao amin’i Iaveh, dia ianao no tiako hotoroana izao.
Efa niely amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fanekenareo izao, ka faly aminareo tokoa aho; fa hany iriko dia izao: mba ho hendry ianareo raha ny amin’ny tsara, fa tsy hahalala kosa raha ny amin’ny ratsy.
Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.
Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.
Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany; fa ny mason’ny adala dia any am-paran’ny tany.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
Rehefa tonga ao am-ponao ny fahendrena, ka hankafizin’ny fanahinao ny fahaizana, dia hitandrina anao ny fisainana, ary hiambina anao ny fahalalana,
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Tompo ô, ampianaro ny lalanao aho; tariho amin’ny lalana marina aho; noho ny amin’ireo mitsikilo ahy.
Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena; manandra-peo any amin’ny kianja izy. Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe:
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny. Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.
«Ka izao, anaka, henoy aho; Sambatra izay manaraka ny lalako! Mba ho tonga hendry, henoy ny fampianarana, fa aza ariana.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Ny tsora-kazo amam-pamaizana mampahazo ny fahendrena, fa ny zaza ampanaranina, manome henatra ny reniny.
Raha dombo ny antsy ka tsy asaina ny lelany, dia tsy maintsy manao an’aina ny mpikapa; fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao. Hifaly amin’ny fahitana ahy, izay matahotra Anao, fa mitoky amin’ny teninao aho.
Izany koa dia avy amin’i Iavehn’ny tafika; mahagaga amin’ny fisainanay Izy, sady be no azony enti-manatanteraka.
fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao. Naniasia aho, fony mbola tsy naetry, fa mitandrina ny teninao aho ankehitriny.
Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.
Hataon’ny zatovo ahoana no fahatonga ny lalany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao.
Henoy, anaka, ny anatry ny ray, ary mitandrema mba hahazo fahalalana, Henoy, anaka, ary raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao. Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin’ny sakeli-dalan’ny fahitsiana. Raha mandeha ianao tsy ho ety lalana, raha mihazakazaka tsy ho tafintohina. Tano ny fahalalana ka aza avela; raketo izy fa fiainanao. Aza miditra ny sakeli-dalan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny olon-dratsy. Halaviro izany fa aza lalovana akory; mivilia ianao, dia mizora. Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny; ary tsy mahita tory tsy nahalavo olona; Mofom-paharatsiana no fihinany, divaim-pahalozàna no fisotrony, Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro. Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy. fa fampianarana soa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.
Ary raha teny mihoatra noho izao kosa, anaka, aoka ho efa voaanatra ianao. Fa ny manampy manampy boky ihany, tsy hisy farany; ary ny fianarana be koa, fanasaran-tena.
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.
Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: «Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy»;
ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; ary ny fahazavan-tsaina no fahalalana an’ilay Masina.
Ry Iaveh ô, ampianaro ny lalan’ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny faran’ny aiko. Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin’ny foko rehetra.
Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy ianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra;
Fa ambony vidy noho ny voahangy ny fahendrena, ary ny zavatra sarobidy indrindra aza tsy mitovy aminy. «Izaho Fahendrena, dia miara-monina amin’ny fahamalinana, ary manana ny fahaizana sy ny fandinihana.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.
mampandry sofina tsara hihaino ny fahendrena ianao, ka mampiròna ny fonao ho amin’ny fahalalana;
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.