Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 2:13 - Baiboly Katolika

13 Ary hitako fa ny hatsaran’ny fahendrena noho ny hadalana, dia toraky ny mazava noho ny maizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran’ny mazava noho ny maizina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Eny, hitako fa tsara kokoa ny fahendrena noho ny fahadalana, tahaka ny mahatsara kokoa ny fahazavana noho ny haizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Eny, hitako fa tsara kokoa ny fahendrena noho ny fahadalana, tahaka ny mahatsara kokoa ny fahazavana noho ny haizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran’ ny mazava noho ny maizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran'ny mazava noho ny maizina.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 2:13
17 Rohy Ifampitohizana  

Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako.


Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra.


Fahendren’ny olo-malina, ny nahafantatra ny lalany; fahadalan’ny adala ny fitaka.


Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.


Raha dombo ny antsy ka tsy asaina ny lelany, dia tsy maintsy manao an’aina ny mpikapa; fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.


Mamy ny fahazavana, ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny mason’andro.


Ny hendry, omen’ny fahendrena hery, mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna.


Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery; nefa hamavoin’ny olona ny fahendren’ny mahantra, ary tsy henoina akory ny teniny.


Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady; nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.


Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.


fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!


Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra