Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 2:14 - Baiboly Katolika

14 Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany, fa ny adala kosa mandeha amin’ny maizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany, fa ny adala kosa dia mandeha ao amin’ny maizina; nefa izaho dia mahita fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Satria ny hendry mahita ny tokony halehany, fa ny adala kosa miraparapa ao anaty haizina. Nefa fantatro koa fa mitovy ihany ny hanjo azy roa tonta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Satria ny hendry mahita ny tokony halehany, fa ny adala kosa miraparapa ao anaty haizina. Nefa fantatro koa fa mitovy ihany ny hanjo azy roa tonta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany, fa ny adala kosa dia mandeha ao amin’ny maizina; nefa izaho dia mahita fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 2:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa.


mba hahavelona azy mandrakizay ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana.


Tsy maintsy ho hitany: Ny olon-kendry maty; ny adala aman-ketrina koa levona torak’izany, ka mamela ny fananany ho an’ny hafa.


Fahendren’ny olo-malina, ny nahafantatra ny lalany; fahadalan’ny adala ny fitaka.


Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany; fa ny mason’ny adala dia any am-paran’ny tany.


Fa ny fahatsiarovana ny hendry, dia tsy mandrakizay, toy ny an’ny adala ihany koa; hatramin’ny andro vao manaraka dia samy hohadinoina ihany izy roa tonta. Hanky ny hendry mba maty tahaka ny adala!


Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.


Ka na ho velona roa arivo taona aza izy nefa tsy miarana amin’ny fahasambarana, tsy samy ho any amin’ny fitoerana iray ihany va ny zava-drehetra?


Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny an’ny adala? inona no soa azon’ny mahantra mahay mitondra tena eo imason’ny velona?


Aleo mankany an-trano misy fisaonana, toy izay mankany an-trano misy fanasana; satria itsy voalohany ny isehoan’ny hiafaran’ny olombelona, ka atodiky ny velona hieritreritra an’izany ny fony.


Iza moa no tahaka ny hendry, ary zovy no mahalala ny anton-javatra, toa azy? Ampamirapiratin’ny fahendren’ny olona ny tarehiny, ary ny tarehiny marokoroko dia voaova.


Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra; na ny ady an’ny mahery fo na ny hanina an’ny hendry na ny harena an’ny mahalala na ny tombon-tsoa an’ny mahay fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.


Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery; nefa hamavoin’ny olona ny fahendren’ny mahantra, ary tsy henoina akory ny teniny.


Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra