Ry sakaiza, aoka ho fantatrao fa misy fahavalo antsika, mpandainga sy mpiavonavona, izay efa nikomy tamin’Andriamanitra. Izy no fahavalo lehibe indrindra an’Andriamanitra sy ny olombelona. Resahin’ny Baiboly matetika ny amin’ny asany ratsy sy ny heriny eto amin’izao tontolo izao.
Ao amin’ny Soratra Masina dia voalaza fa izy dia fanahy ratsy, mpaka fanahy sy mpiampanga. Hita ao ny tantaran’ny fakam-panahy nataony tamin’i Jesosy tany an’efitra. Ny hany tanjony dia ny hampiala antsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra mba hahavery ny fanahintsika any amin’ny afobe. Hoy ny Baiboly: “Tonga izy mba hangalatra sy hamono ary handrava.” Tsy misy zavatra hafa tiany afa-tsy ny hahitana ny olombelona very sy voafandrik’ireo laingany sy fitakany.
Tokony ho fantatrao koa fa mety hiseho amin’ny endrika faniriana feno fitiavan-tena, faniriana tafahoatra, na toe-tsaina mandrava izy. Ny tetik’adiny dia ny hamitaka anao amin’ny zavatra toa tsara sy manintona eo imasonao. Noho izany, tokony hampitomboinao ny fivavahanao sy hiambina mandrakariva ianao, satria miriorio toy ny liona mierona mitady izay harapany izy.
Ny hany fomba hahazoanao fandresena amin’ireo fitsapana andavanandro atrehinao dia ny miaina mifandray amin’ny Fanahy Masina. Ao Aminy no ahitanao hery mba tsy ho lavo. Marina fa fahavalo mahery izy, saingy Andriamanitra no fara-tampony ary tsy manam-petra ny heriny. Andriamanitra dia tsy manam-petra, ary eo amin'ny toerana rehetra Izy, ka hanafaka ny fanahinao mandrakariva. Koa dia tohero ny devoly, ary aza avela handresy ny fiainanao ny ratsy.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon’i Iaveh Andriamanitra.
Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan’i Iaveh ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan’izy ireo koa i Satana.
Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Dia hoy ny navalin’i Satana: «Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny».
Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.
Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy;
Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»
Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Aza omena fidirana ny demony.
Ny devoly no ray niavinareo, ka izay tian’ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin’ny voalohany sy tsy naharitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy;
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ary ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rehefa niala nenina.
ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.
Fa hoy i Piera: «Ry Anania, nahoana i Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina, ka hanafina ny vola sasany amin’ny vidin’ny tany?
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.
Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy, no vavolombelon’izany zavatra izany.»
Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin’ny fandrenesana izany ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.
Fa nitsangana teo amin’ny Sanedrìna kosa ity Farisianina anankiray atao hoe Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin’ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apôstôly.
Dia hoy izy: «Ry Israelita, tandremo ihany izay hataonareo amin’ireo lehilahy ireo.
Fa tsy ela akory izay no nisehoan’i Teôdasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efajato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona.
Taorian’izany indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy.
Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin’ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin’olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy;
fa raha avy amin’Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.»
Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray, moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.»
Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa, dia niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro,
fa efa voasoratra hoe: ‹Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny,
ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »
Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao.› »
Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.
Tamin’izay i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Nampianatra tao amin’ny sinagogan’izy ireo izy, ka nankalazain’izy rehetra.
Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagoga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:
«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.»
sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany.
Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy.
Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.
mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.
Ary aza gaga amin’izany ianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny Anjelin’ny mazava koa;
ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,
Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny.
Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.
Dia nentin’ny devoly nankany ambonin’ny tendrombohitra avo dia avo indray izy, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny,
ary hoy izy taminy: «Homeko anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko Ianao.»
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely.
ary hoy izy taminy: «Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa.
Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.
Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,
Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.
Ary hoy ny Tompo: «Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororòka anareo tahaka ny vary,
fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.»
Fantatro ny itoeranao, dia eo amin’ny misy ny seza fiandrianan’i Satana; nefa mitana mafy ny Anarako ianao, ka tsy nandà ny finoana Ahy na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky Ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin’izay onenan’i Satana.
Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana! manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.»
Koa mifalia, ry lanitra, mbaminareo monina ao aminy. Fa hahita loza kosa ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa navarina any aminareo ny devoly, misafoaky ny hatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.»
ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy.
itoeran’ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, sy hijalian’izy ireo andro aman’alina mandrakizay mandrakizay.
Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
Tsy zazavao amin’ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tanana». Dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Satana.
Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’io mba hanohitra azy.
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Aoka hosakanan’i Iaveh ianao, izay nifidy an’i Jerosalema! Tsy forohana nosarihina avy amin’ny afo va ity?»
Akory ity ianao no potraka avy any an-danitra, ry kintana mamirapiratra, zanaky ny maraina? Akory ity ianao no mitsingidina amin’ny tany, ianao ilay mpandrava firenena?
Ianao ilay nanao anakampo hoe: ‹Hiakatra any an-danitra aho; ary ambony mihoatra ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; hipetraka eo ambonin’ny tendrombohitry ny fivoriana, eny amin’ny avaratra avo tsy hita noanoa;
hisondrotra any an-tampon’ny rahona, ary hitovy amin’ny Avo-Indrindra!›
Kanjo indro ianao latsaka atỳ amin’ny Seoly, atỳ amin’ny hantsana lalina tsy hita noanoa!
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ianao no tampon-dohan’ny fahalavorariana, feno fahendrena, tapitra ohatra amin’ny hatsaran-tarehy,
tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao, rakotry ny vatosoa: dia sardoana, tôpazy, diamondra, krisôlita, ôniksa, jaspa, safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao efa voaomana tamin’ny andro nahariana anao.
Ianao no Kerobima voahosotra hiaro, napetrako tao amin’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra; tao ianao nandeha teo afovoan’ny vato mirehitra.
Lavorary ianao tamin’ny lalanao hatramin’ny andro nahariana anao ka hatramin’ny nisian-keloka teo aminao.
Tamin’ny fampitomboana ny varotrao, dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao; nanota ianao ka nariako hiala teo amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, ary nataoko levona ianao, ry Kerobima mpiaro, teo afovoan’ny vato mirehitra.
Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao; nosimbanao ny fahendrenao azon’ny famirapiratanao, ka nazerako amin’ny tany ianao, sady natolotro ho fizahan’ny mpanjaka.
fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.
no nitsaoka ny Dragona izay nanome fahefana ny Biby, sy nitsaoka ny Biby koa, nanao hoe: «Iza moa no tahaka ny Biby, ary iza no mahady aminy?»
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Ireo teny an-dalambe no izay nandre, fa avy ny devoly ka manesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka voavonjy.
Fa nony nandre izany ny Farisianina dia nanao hoe: «Tsy misy androahan’Ilay iny ny demony afa-tsy i Belzeboba lehiben’ny demony.»
Fantatr’i Jesoa anefa ny heviny ka hoy Izy: «Ho rava ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary ho levona ny tanàna rehetra na ny fianakaviana izay miady an-trano.
Raha i Satana no mandroaka an’i Satana, dia miady an-trano izy, ka ahoana no haharetan’ny fanjakany?
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
ka hody ny sainy, ary ho afaka amin’ny fandriky ny demony izy, izay nanao azy sambo-belona mba hanao ny sitrapony.
Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»
Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa;
tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.
Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe: «Andriamanitra no maka fanahy ahy»; fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy.
Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany? satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony.
Indro, atolotro anao ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao Aho.
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.
Ny lohan’ireo izay manemitra ahy anie, no hianjeran’ny ratsy tononin’ny molony.
Aoka hanintsanana vainafo mivaivay eo ambonin’izy ireo! Havarin’Andriamanitra any amin’ny afo anie izy, any amin’ny hantsana tsy ho azony ialana intsony!
Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin’ny tany, ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.
Fantatro fa omen’i Iaveh hitsiny ny fadiranovana, ary omeny rariny ny mahantra.
Eny, hankalaza ny Anaranao ny marina, ary honina eo anatrehan’ny Tavanao ny olo-mahitsy.
Iaveh ô, afaho amin’ny olon-dratsy aho, arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho.
Izay mieritreritra hevitra ratsy ao am-pony, izay manangana ady amiko lalandava;
izay mandranitra ny lelany toy ny menarana, sady misy poizin’aspika ao ambany molony. - Selà
Iaveh ô, ambeno amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho, izay mitetika ny hanafintohina ahy.
Aza atongilanao amin’ny ratsy ny foko, na hilozoka amin’ny asa ratsy, miaraka amin’ny olona mpanao ratsy.
Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny ao an-tranony, raha tsy afatony aloha izay mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.
Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.
fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìk’afo rehetra alefan’ilay ratsy.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voavaha any an-danitra.
Nahoana no mihetsiketsika amim-pitabatabana ny firenena, ary mamorona hevi-poana ny vahoaka?
Koa ankehitriny mbà hendry ianareo mpanjaka; minoa anatra ianareo mpitsaran’ny tany.
Manompoa an’i Iaveh amim-pahatahorana, mientan-kafaliana amim-pangovitana.
Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.
Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra, ary ny andriana koa miara-mioko, hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony:
Tapaho ny famatorany, hoy ireny, ary ario lavitra antsika ny gadrany!
Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh, ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fiaviny ho toy ny ony maria, hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh.
Fihirana. Salamon’i Asafa.
Ataovy tahaka an’i Madiàna ireo, tahaka an’i Sisarà, mbamin’i Jabìna teo amin’ny ranon’i Sisôna.
Ripaka tao Andôra izy, ka tonga zeziky ny tany.
Ataovy tahaka an’i Oreba sy i Zeba ny lehiben’izy ireo, ary tahaka an’i Zebea sy i Salmanà ny andriandahy rehetra aminy.
Fa hoy izy: «Aoka halaintsika ho antsika, ireo fonenan’Andriamanitra!»
Ry Andriamanitra ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, tahaka ny mololo entin’ny rivotra!
Tahaka ny afo mandevona ny ala, tahaka ny lelafo mampirehitra ny tendrombohitra;
tahaka izany no anenjeho azy amin’ny tadionao; ampitahory azy amin’ny tafio-drivotrao.
Ataovy safo-kenatra ny tavany, mba hitadiavany ny Anaranao, ry Iaveh!
Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay, sy hangaihay ary ho azon’ny fandringanana.
Aoka ho fantany fa Ianao - dia Iaveh no Anaranao, - Ianao ihany no ilay Avo indrindra ambonin’ny tany rehetra!
Ry Andriamanitra ô, aza dia mijanom-potsiny; aza mangina na mitsahatra, ry Andriamanitra!
Fa indreto mikofokofoka amim-pitabatabana ny fahavalonao, misolanandrana erỳ izay mankahala Anao.
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.
Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony,
Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;
Ary ny Anjely tsy nahatana ny fiamboniany fa nitsoa-ponenana, dia tanany am-patorana mandrakizay ao anatin’ny haizina, sy tahiriziny ho amin’ny andro fitsarana lehibe.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy
ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra?
Araka ny voasoratra hoe: «Ianao no amonoana anay isan’andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.»
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana,
na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.
Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra.
Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Ny finoana no namoizan’i Môizy ny anarana hoe zanaky ny zanakavavin’i Faraôna, nony efa lehibe izy,
fa naleony miaraka ory amin’ny vahoakan’Andriamanitra toy izay miarana amin’ny hafaliana mandalon’ny fahotana;
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny lisy. Nataon’i Davida.
Fa ny zotom-po amin’ny tranonao mandritra aina ahy; ary ny fanaratsian’ireo manevateva Anao, mianjera amiko.
Mitomany sy mifady hanina aho, ka tonga fandàtsan’ny olona, noho izany.
Lamba malailay no ataoko fitafy, dia zary fanarabin’izy ireo aho.
Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy; ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.
Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao, ka amin’ny andro mety, ry Andriamanitra, noho ny hatsaram-ponao lehibe, ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan’ny famonjenao.
Esory amin’ny fotaka aho, ka tsy ho tafalentika ao intsony; aoka ho afaka amin’ny fahavaloko sy amin’ny rano lalina aho.
Aoka ny onjan-drano tsy hanafotra ahy intsony, ny hantsana tsy hitelina ahy; ny fasana tsy hikatona amiko.
Valio vavaka aho, ry Iaveh, fa antra ny hatsaram-ponao, mitodiha atỳ amiko, amin’ny famindra-ponao lehibe,
ary aza manafina ny Tavanao amin’ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, ka malakia mihaino ahy.
Hatony ny fanahiko, afaho izy; vonjeo aho noho ny fahavaloko.
Vonjeo aho, ry Andriamanitra, fa tafahatra amin’ny aiko ny rano!
Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona,
dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.
Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin’ity vatam-pahafatesana ity?
Hisaorana anie Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra amin’ny saina no andevon’ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo koa.
Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.
Koa aza matahotra azy ianareo. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo.
Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,
sy hanafahany an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana.
sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany.
Dia nanatona ny mpaka fanahy, ka nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, asaovy tonga mofo ireto vato ireto.»
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin’i Jedeôna, i Baràka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin’ny mpaminany:
fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan’ny liona,
namono ny herin’ny afo, afaka tamin’ny lelan’ny sabatra, nositranina tamin’ny aretina, nampiseho herim-po tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny fahavalo;
Aoka ho menatra sy ho levona, izay mitady ny aiko! Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka, izay mitady hahavery ahy.
Fantatsika fa izay rehetra nateraka avy amin’Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay nateraka avy amin’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.