Ry sakaiza, efa nomen’Andriamanitra antsika didy, ary ny fahadimy amin’ireny dia hoe: "Aza mamono olona" (Eksodosy 20:13). Ota ny manaisotra aina, satria Andriamanitra nandidy antsika mba hifankatia sy hifamela heloka. Andriamanitra mamela ny helotsika rehetra ary manome antsika fahafahana vaovao, koa iza moa isika no tsy hamela heloka?
Matokia fa Andriamanitra hiaro anao. Tiany ianao ary tiany hoesorinao izay mety ho faniriana hamaly faty, hofongoranao izay eritreritra ratsy rehetra. Mangataha amin’Andriamanitra mba hanampy anao, hiady ho anao ary hanome anao ny fandresena na inona na inona toe-javatra misy anao, satria ny fitazonana eritreritra ratsy toy izany dia tsy hamonjy ny fanahynao tsy ho any amin’ny afobe.
Miverena amin’Andriamanitra anio, mibebaha amin’ny fo manontolo ary omeo Azy izay rehetra manahiran-tsaina anao. Mangataha mba hotanterahina ny sitrapony fa tsy ny sitraponao, aza manao ny rariny ho anao. Ampangino ny feon’ny fahavalo izay mitaona anao hanao ratsy. Aza avela handresy anao ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy, dia ho sitin’i Jesosy ianao ary ho raisina ho marina eto amin’izao tontolo izao.
Fantatro fa mety ho sarotra, mety hampangirifiry mihitsy aza, nefa avelao ny Fanahy Masina hankalaza an’Andriamanitra ao aminao. Anio dia angatahiko aminao ny mba hanafaka ny tenanao ary handray fanampiana mba tsy hanao zavatra mety hanenenanao any aoriana. Arovy ny fahafahana nomen’i Kristy anao tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ary aza mianjera amin’ny fandriky ny ratsy avy amin’i Satana.
Antsoy Jesosy mba hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainanao ary miaraha-mandeha Aminy, eo an-tanany ny fandresenao azo antoka.
sy heveriny tsara fa tsy natao ho an’ny olo-marina izy, fa ho an’ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona,
Satria Ilay nanao hoe: Aza mijangajanga ihany no nanao hoe: Aza mamono olona koa. Ka na tsy mijangajanga aza ianao, nefa mamono olona, dia mpandika lalàna ihany. Mitenena sy manaova toy ny olona hotsarain’ny lalàn’ny fahafahana.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona. Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Izay mivesatra ny ran’olona nalatsany, dia mandositra hatrany an-davaka: Aza misakana azy.
Fa raha olona mankahala ny namany kosa no manotrika hamely azy, ka irotsahany sy asiany ka mahafaty azy tokoa, ary mandositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo, dia haniraka hisambotra azy ny loholona amin’ny tanànany, sy hanolotra azy eo an-tanan’ny mpamaly ra, mba ho faty izy. Aza miantra azy ny masonao fa esory amin’i Israely ny ra tsy manan-tsiny, dia hiadana ianao.
Raha namely vy olona izy ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. Raha namely azy, ka vato mety hahafaty olona no teny an-tanany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. Raha namely azy, ka fiasana hazo mety hahafaty olona no teny an-tanany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona.
«Aza mamono olona. «Aza maka vadin’olona. «Aza mangalatra. «Aza mitsangana ho vavolombelona tsy marina hamely ny namanao.
Fongory ny fahavaloko, noho ny hatsaram-ponao; ary aringano avokoa izay mpampahory ahy, fa mpanomponao aho.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany
«Didy inona avy?» hoy izy. Dia hoy i Jesoa: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina,
Hozahanao fa tsy ho hitanao intsony, ry zareo mila sotasota aminao; hanahaka ny zava-poana, hanjary tsinontsinona, ry zareo miady aminao.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Fadio ny ady tsy marina ka aza mamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina, fa tsy hamela ny meloka Aho.
Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny ra no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin’ny ra nalatsaka afa-tsy ny ran’ny nandatsaka azy ihany. Aza manevateva ny tany onenanareo sy onenako koa, fa Izaho no Iaveh mitoetra eo afovoan’ny zanak’i Israely.
Fa hoy i Jesoa taminy: «Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra.
Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr’olona, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Izay rehetra mankahala ny namany dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny,
Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady ianareo; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh.
Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin’ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin’ny ôtely aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty.
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.
«Raha misy olona miady ary mandona vehivavy bevohoka, ka teraka azon’izany ravehivavy nefa tsy maninon-tsy maninona izy, dia izay onitra ilain’ny vadiny sy didian’ny mpitsara haloa ihany no ho sazin’ilay diso. Fa raha misy loza mihatra kosa dia hasainao efaina aina ny aina,
raha tsy ampahorînareo ny vahiny, sy ny kamboty ama-mpitondratena; ary tsy mandatsa-dra marina amin’ity tany ity ianareo, na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo,
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
Aoka ho voaozona izay mandray kolikoly mba hamono aina, dia ny ra tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe: «Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.»
«Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany; «Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery. «Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianao. «Aza manao izay hampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty; fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao, dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko ny fitarainany; hirehitra ny fahatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo; ary ny vadinareo ho mpitondra tena, ny zanakareo ho kamboty.» «Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao, amin’ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpanana vola aminy, aza maka zana-bola aminy.» «Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro, fa iny no hany firakofany, iny no fitafiana anaronany ny tavany, ka inona ary no hoentiny mandry? Raha mitaraina amiko izy, hohenoiko ny fitarainany, fa antra olona aho.» «Aza miteny ratsy an’Andriamanitra, na manozona ny filohany amin’ny firenena». «Aza milasilasy amin’ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahy matoa amin’ny zanakao lahy. fa raha efa niposaka kosa ny masoandro dia hisy valin-dra ihany. Hanonitra ny mpangalatra; raha tsy manana na inona na inona izy dia ny tenany no amidy ho onitr’izay nangalariny;
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Fa izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Ary Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe: Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao. Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.» «Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.» «Tsy hamono olona ianao.» «Tsy hijangajanga ianao.» «Tsy hangalatra ianao.» «Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.» «Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao, tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.»
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
mba tsy halatsaka amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao, ny ra tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy ra ao aminao.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;
Jereo kely ange, ry ikaky, jereo ity sisin-kapaotinao eto an-tanako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Ianao kosa manenjika ny aiko hanala azy amiko!
«Aza manely tsaho tsy marina. Aza manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka.
Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny, raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny; fa amin’izany ianao hanangona vainafo ho eo an-dohany; ary i Iaveh hamaly soa anao.
Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo. Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Toy izao ny hahavelona aina ny nahafaty olona ka mandositra ao: raha nahafaty ny namany tsy nahy izy, nefa tsy fahavalony teo aloha. Ohatra ka misy olona mandeha hikapa hazo any an’ala, miaraka amin’ny olon-kafa anankiray; dia manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, fa mitsoaka amin’ny zarany ny lela famaky ka mahavoa ilay namany sy mahafaty azy: handositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo ilay olona, dia ho velona aina. Raha tsy izany dia henjehin’ny mpamaly ra mbola mirehi-katezerana ilay nahafaty olona, ka ho trany raha lavitra loatra ny làlana, dia hasiany ho faty, nefa olona tsy tandrifin’ny hovonoina akory, noho izy tsy nanao hala volo teo aloha.
Omeo hanina ny fahavalonao raha noana, ary omeo hosotroina izy raha mangetaheta, fa ny fanaovana izany no hanangonanao vain’afo ho eo an-dohany. Aza mety ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.
Nefa raha tsy nanao otrika taminy izy, fa tolotr’Andriamanitra no nahavoazan’ny tanany azy dia hoferako aminao izay toerana hahazoany ialofana.
Mivavaha ho anay, fa te hanao tsara amin’ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay.