Marka 1 - Baiboly KatolikaI FANOMANANA NY FANDRAHARAHANA HATAON’I JESOA Toritenin’i Joany Batista (Jereo Mt 3,1-12 ; Lk 3,3-17 ) 1 Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra. 2 Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia mpaminany hoe: Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny làlanao; 3 injay misy feo miantso any an’efitra hoe: «Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany», 4 dia niseho tany an’efitra i Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka. 5 Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo, rehefa niaiky ny fahotany. 6 Volon-drameva no nitafian’i Joany, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notorìny: 7 «Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho. 8 Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina.» Nanaovana batemy an’i Jesoa (Jereo Mt 3,13-17 ; Lk 3,21-22 ) 9 Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany. 10 Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny; 11 ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko.» Fakam-panahy tany an’efitra (Jereo Mt 4,1-11 ; Lk 4,1-13 ) 12 Dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra niaraka tamin’izay Izy, 13 ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy. II. NY FANDRAHARAHAN’I JESOA TANY GALILEA Misantatra ny toriteniny i Jesoa (Jereo Mt 4,12-17 ; Lk 4,14-15 ) 14 Ary rehefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, 15 ka nanao hoe: «Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.» Ny niantsoana ireo mpianatra efatra voalohany (Jereo Mt 4,18-22 ; Lk 5,1-11 ) 16 Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. 17 Ary hoy i Jesoa taminy: «Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.» 18 Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy. 19 Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa, nanamboatra ny haratony. 20 Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy. I Jesoa nampianatra tao Kafarnaoma sy nanasitrana olona azon’ny demony (Jereo Lk 4,31-37 ) 21 Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin’ny sinagoga Izy sy nampianatra ny olona. 22 Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary tao amin’ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy 24 nanao hoe: «Mifampaninona izahay sy ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.» 25 Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe: «Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io.» 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. 27 Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.» 28 Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany. Ny nanasitranana ny rafozam-bavin’i Simôna (Jereo Mt 8,14-15 ; Lk 4,38-39 ) 29 Raha vao nivoaka avy tao amin’ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre Izy sy i Jakôba ary i Joany. 30 Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay. 31 Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nandroso sakafo ho Azy izy. Fanasitranana maro (Jereo Mt 8,16 ; Lk 4,40-41 ) 32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony, 33 ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. 34 Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahalala Azy. I Jesoa niala mangina tao Kafarnaoma ary nitety an’i Galilea (Jereo Lk 4,42-44 ) 35 Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany. 36 Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany, 37 ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe: «Tadiavin’ny olona rehetra Ianao.» 38 Fa izao no navaliny: «Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako.» 39 Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagogan’ny olona sy eran’i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony. Fanasitranana ilay boka (Jereo Mt 8,2-4 ; Lk 5,12-16 ) 40 Ary nisy boka anankiray nanatona Azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: «Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.» 41 Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» 42 Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. 43 Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy 44 nanao hoe: «Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao, fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.» 45 Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangigina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society