Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 1:16 - Baiboly Katolika

16 Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary raha nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy dia nahita an’i Simona sy i Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Ary nandalo teo amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita an’i Simôna sy i Andrea mirahalahy; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ary nandalo teo amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita an’i Simôna sy i Andrea mirahalahy; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 ARY nony nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy, dia nahita an’i Simona sy Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina; fa mpanarato izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary raha nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy dia nahita an’i Simona sy i Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 1:16
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny,


Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;


ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio, sy i Tomà, sy i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,


dia i Simôna izay nataony hoe Piera, sy i Andre rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy,


Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa.


Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe:


Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tomà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra