Resaka momba ny fahafatesana ao amin'ny Apokalipsy, dia resaka farihy afo, toerana nomanin'Andriamanitra ho an'ny devoly sy ireo anjeliny ary izay rehetra tsy voasoratra anarana ao amin'ny Bokin'ny Fiainana, izany hoe ireo tsy nandray ny famonjena avy amin'i Jesosy Kristy. Ao amin'ny Apokalipsy 21:81 dia voalaza hoe: "Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa."
I Jesosy Kristy irery ihany no lalana mankany an-danitra. Raha tsy tianao ny hijaly mandrakizay, tadiavo i Jesosy, mangataha famelan-keloka amin'izay ratsy nataonao ary miaina araka ny fampianarany. Amin'izay ianao ho afaka amin'ny fampahoriana rehetra, ary ho vonona rehefa hiverina haka ny fiangonany i Jesosy. Tombontsoa ny maty ao amin'i Kristy, fa fijaliana kosa ny miaina tsy misy Azy.
Ataovy izay haha voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Fiainana ny anaranao mba hahafahanao miara-manjaka amin'i Jesosy Tompontsika, Izy izay mendrika ny voninahitra sy ny haja ary ny fiderana rehetra.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Tsy mba hanam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy i Kristy izy, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Toa voan’ny ratra mahafaty ny lohany iray, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy ary gaga ny tany rehetra, ka sady nanaraka azy
ka hitady ny fahafatesana ny olona amin’izany andro izany, fa tsy hahita azy; ary haniry ny ho faty izy, fa handositra azy ny fahafatesana.
efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.
Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy: Izay mandresy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa.
Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo: - izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo.
Aoka hinaonaona ianareo, fa antomotra ny andron’i Iaveh: toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.
Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly hatsatra, ary ilay nitaingina azy dia atao hoe i Fahafatesana, sady nanaraka azy ny Fonenan’ny maty. Nomena fahefana amin’ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin’ny mosary aman-tsabatra, sy amin’ny fahafatesana mbamin’ny biby masiaka etỳ an-tany.
Mitresaka mafy dia mafy ny tany; mipoaka mikotrokotroka ny tany; mihozongozona mafy ny tany; Ary ho sahala ihany no hanjò ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompo sy ny mpanompo, ny tompo vavy sy ny mpanompo vavy, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpisambotra sy ny mpampisambotra. mivembena, hoatra ny olona mamo ny tany; mitsingevingevina, hoatra ny fandriana mihantona izy; mitambesatra aminy ny tsy fahamarinany; mirodana tsy ho tafarina intsony izy.
Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;
Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy.
Noho izany kosa, indray hiantonta aminy indray andro monja ny lozany, dia fahafatesana, fisaonana, mosary, ary fandevonan’ny afo ny tenany, satria mahery Andriamanitra Izay hitsara azy.
Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Ny maty sisa kosa dia mbola tsy velona, raha tsy efa tapitra ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany avy any amin’ny maty.
Ary nandre feo avy any an-danitra aho, nanao hoe: Soraty: Sambatra hatramin’izao ny maty izay maty ao amin’ny Tompo. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin’ny asany izy, ka ny asany hanaraka azy.
Loza ho an’izay maniry ny andron’i Iaveh! ho inona ho anareo moa, ny andron’i Iaveh? Ho haizina izy, fa tsy ho fahazavana. Toy ny olona mandositra ny liona, nefa tonga mitsena azy kosa ny orsa; miditra ao an-tranony izy, mitehin-tanana amin’ny rindrina dia kaikerin’ny menarana!... Efa lavo, efa tsy hahatsangana intsony, ilay virjinin’i Israely! Mitsingàdina amin’ny tany izy, ary tsy hisy hanarina azy. Moa tsy haizina va ny andron’i Iaveh fa tsy fahazavana, haizina tsy misy mangirana?
Indro misy andro ho avy ho an’i Iaveh ka ny babo aminao hozaraina eo afovoanao. Hovana ho tany lemaka ny tany rehetra, hatrany Bagaà ka hatrany Remôna, eo atsimon’i Jerosalema. Ary hasandratra sy hipetraka amin’ny toerany i Jerosalema, dia hatreo amin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatreo amin’ny fitoeran’ny vavahadin’ny Zoro, ary hatreo amin’ny tilikambo Hananeely ka hatrany amin’ny famiazam-boaloboky ny mpanjaka. Ny olona, honina ao, ny anatema tsy hisy intsony; ary i Jerosalema handry feizay. Izao no fery hamelezan’i Iaveh ny firenena niady tamin’i Jerosalema: ny nofony hataony hihalò am-pitsanganana; ny masony hihalò ao anaty taola-masony; ary ny lelany hihalò ao am-bavany. Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: Avy amin’i Iaveh no hisian’ny fikorontanana lehibe eo amin’izy ireo, ka samy hisambotra ny tanan’ny rahalahiny avy ny olona, sady hanainga tanana hamely ny namany avy. I Jodà koa hiady amin’i Jerosalema. Ary ho voaangona ny harena amin’ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy, ary fitafiana be dia be. Ary ny fery hamely ny soavaly, ny mole, ny rameva, ny ampondra, mbamin’ny biby rehetra amin’ireny toby ireny, ho sahala amin’io fery io ihany. Izay rehetra sisa tavela amin’ny firenena niakatra namely an’i Jerosalema, hiakatra isan-taona avokoa, hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika, sy hankalaza ny fetin’ny Tabernakla. Izay fianakaviana tsy mba hiakatra any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika, dia tsy mba hilatsahan’ny orana. Ary raha ny fianakavian’i Ejipta no tsy miakatra sy tsy tonga, dia tsy hilatsahan’ny ranonorana koa izy, sady hasian’ny fery hamelezan’i Iaveh an’izay tsy miakatra hankalaza ny fetin’ny Tabernakla. Izany no sazy hanjò an’i Ejipta sady sazy hanjò ny firenena rehetra, izay tsy miakatra hankalaza ny fetin’ny Tabernakla. Hangoniko eo anoloan’i Jerosalema ny firenena rehetra hiady, ary ny tanàna, ho afaka; ny trano horobaina, ny vehivavy hanaovana an-keriny; ary ny antsasaky ny tanàna ho lasan-ko babo; fa ny vahoaka sisa kosa, tsy hofongorana eo an-tanàna akory.
Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony; ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany.
«Ary raha vao afaka izany andron’ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin’ny lanitra. Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Lazao anay izay andro hahatongavan’izany, sy ny famantarana ny hiavianao mbamin’ny hahataperan’izao tontolo izao.» Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe. Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»
Fa ny amin’izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany.
«Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:
Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.» «Mitandrema, miambena ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana;
«Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
«Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»
Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany. Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy. Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankatỳ aminareo Aho, Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.» Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?» Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany. rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Hampiseho fahagagana eny amin’ny habakabaka ambony Aho, sy famantarana ety amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka. ary tampoka, injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany, Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza;
Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an’izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty.»
Indro, milaza zava-miafina aminareo aho: tsy hody mandry avokoa isika rehetra, fa hovana isika rehetra. Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika.
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha; raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. aza manamavo ny faminaniana, fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara; fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza. Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo. Tsy mivadika Ilay niantso anareo, ka Izy ihany koa no hanefa izany. Mivavaha ho anay, ry kristianina havana! Mampanao veloma ny rahalahy rehetra amin’ny fanorohana masina izahay. Mihanta aminareo amin’ny Anaran’ny Tompo aho, mba vakio amin’ny rahalahy rehetra ity taratasy ity. Ho ao aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen. Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.
Ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry kristianina havana, sady harahiny ny fanangolen-dratsy rehetra an’izay ho very, noho ireo tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana tokony ho nahitany famonjena. Hany ka anirahan’Andriamanitra fitaka mahadiso hevitra izy ireo, hinoany ny lainga, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina; ary ny Evanjelinay no niantsoany anareo ho amin’izany, mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa tomoera tsara, ry kristianina havana; ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin’ny teny am-bava, na ny tamin’ny taratasinay. Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra! mba tsy hety hohozongozonin-tsaina mora foana ianareo, na ho azo ampitahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny, na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo. Aza mety hofitahin’olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana. izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.
ka dia hiseho amin’izany ilay ratsy, ka holevonin’i Jesoa amin’ny fofon’ain’ny vavany, sy hofoanany amin’ny fisehoan’ny fahatongavany.
Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony,
Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo. Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina, fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra. fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.
miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
Koa mahareta àry, ry kristianina havako, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny vokatsoan’ny tany: miandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Aoka àry ianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.
Fantaro tsara aloha fa any am-parany any, dia hisy mpaniratsira fetsy ratsy, izay hanaraka ny danin’ny kibony, ka hilaza hoe: «Aiza ity fampanantenany hoe ho avy? Fa hatrizay nahafatesan’ny razana izay, tsy misy miova ny zavatra rehetra, fa toy ny hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ihany.»
Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Ireo koa no efa novinanin’i Enôka, ilay fahafito avy amin’i Adama, hoe: «Indro avy ny Tompo, omban’ny olo-masiny tsy tambo isaina, hitsara ny olona tsy an-kanavaka: hampiharihary ny halozan’ny asa ratsy rehetra nataon’ny ratsy fanahy, sy ny haratsian’ny teny rehetra nanevatevan’ny mpanota mankahala ny fivavahana an’Andriamanitra»
Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.
Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny fandeferana, Izaho kosa hitandrina anao amin’ny andron’ny fakam-panahy, izay ho tonga amin’izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany.
Nony nosokafany ny tombokase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny ra; ary ny kintan’ny lanitra niraraka tamin’ny tany, toy ny voan’aviavy manta mihintsana fa voahozongozon’ny rivotra mafy. Ny lanitra niampirina toy ny horonan-taratasy, ary ny nosy aman-tendrombohitra rehetra nesorina tamin’ny toerany.
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»
Ny olona rehetra, na kely na lehibe, na mpanan-karena na mahantra, na olona tsotra na mpanompo, dia nasainy nasiana marika tamin’ny tanany ankavanana na tamin’ny handriny avokoa; mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay voaisy mariky ny anaran’ny Biby, na ny isan’ny anarany.
Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany; tahaka ny lelafo ny masony, ary satroboninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery; akanjo nipentina ra no niakanjoany, ary ny TENIN’ANDRIAMANITRA no anarany; nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany; nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha; izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.
Ary nahita Anjely anankiray nidina avy any an-danitra aho, izay nitana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tanany. itoeran’ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, sy hijalian’izy ireo andro aman’alina mandrakizay mandrakizay. Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony; ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra. Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy. Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo: - izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo. Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa. Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona, dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.
Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony; ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina. Dia nentiny am-panahy tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra. Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary voazavan’ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy Anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely. Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna; ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo, dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry. Nitondra volotara volamena fandrefesana ilay niteny tamiko, mba handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany. Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony. Norefesiny koa ny mandany ka efatra amby efapolo amby zato hakiho araka ny refin’ny olona sy ny an’ny Anjely koa. Vato jaspa no nanaovana ny mandan’ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna. Voaravaka vatosoa isan-karazany ny vato fanorenana ny mandan’ny tanàna. Jaspa ny fanorenana voalohany, safira ny faharoa, kalsedoàna ny fahatelo, emeraoda ny fahefatra, Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny. sardôniksa ny fahadimy, sardoana ny fahenina, krisôlita ny fahafito, berila ny fahavalo, tôpazy ny fahasivy, krisôpazy ny fahafolo, hiasenty ny faharaika ambin’ny folo, ary ametista ny faharoa ambin’ny folo. Ny vavahady roa ambin’ny folo dia voahangy roa ambin’ny folo, fa voahangy iray ihany ny vavahady iray, ary ny lalam-ben’ny tanàna dia tena volamena madio, manganohano hoatra ny fitaratra. Tsy nahita Tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no Tempoliny. Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony. Ny firenena rehetra handeha amin’ny fahazavany, ary ny mpanjakan’ny tany hitondra ny fiamboniany ao aminy. Tsy hihidy ny vavahadiny isan’andro, fa ny alina tsy mba hisy ao aminy. Ny laza aman-java-tsoan’ny firenena rehetra ho tapitra ao avokoa; ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany. Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo. Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.
Izao no lazain’ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!