Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 12:12 - Baiboly Katolika

12 Koa mifalia, ry lanitra, mbaminareo monina ao aminy. Fa hahita loza kosa ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa navarina any aminareo ny devoly, misafoaky ny hatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Noho izany dia mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina any! Fa loza ho an’ny tany sy ny ranomasina kosa! Fa nidina ho any aminareo ny devoly amin’ny fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 12:12
18 Rohy Ifampitohizana  

Mihobia an-kafaliana, ry lanitra, fa efa vitan’i Iaveh izany. Mirohondrohòna, ry fanambanin’ny tany! Ataovy maresaka ny fifaliana, ry tendrombohitra, mbamin’ireo ala sy hazo rehetra eo aminareo: fa I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba, sy naneho ny voninahiny eo amin’i Israely!


Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»


Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.»


«Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona etỳ ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.»


Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hiatoato Izy.


Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala: amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.


ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;


Hifaly ny mponina etỳ ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tetỳ an-tany ireo mpaminany roa ireo.


Lasa ny loza faharoa; indro hisosoka faingana ny loza fahatelo.


ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.


Dia nanokatra ny vavany izy, ka nanevateva an’Andriamanitra sy nanevateva ny Anarany mbamin’ny tranolainy, sy ireo monina any an-danitra.


Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.


Nanaraka izany dia nijery aho, ary nandre feom-boromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny lanitra, niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Loza, loza, loza ho an’izay monina eny ambonin’ny tany, noho ny feon’ny trômpetra telo sisa izay efa hotsofin’ny Anjely.»


Lasa izay ny loza voalohany; fa indro hisosoka koa ny loza roa sisa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra