Aza adino fa ny fanam-panetren-tena sy ny fankasitrahana no tokony ahafantarana antsika ho olona mahatsapa ny hatsaran'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Rehefa miezaka manao ny asa am-pahamarinana sy amin'ny hatsarana isika, dia manome voninahitra an'ny Tompo ary manokatra làlana hidiran'ny fitahiany eo amin'ny fiainantsika.
Koa amin'izay rehetra ataontsika, dia aoka ho tsaroantsika fa ho an'ny Tompo no anaovantsika izany. Ary amin'ny finoana sy ny fankatoavana, dia ho hitantsika ny fikasany mivelatra eo amin'ny fiainantsika.
Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona,
satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.
Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!
saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
Ny asa rehetra mitera-piadanana; fa ny teniteny foana kosa, mamarina amin’ny tsy fahampiana.
Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona; fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona,
Ny fikasan’ny olo-mazoto ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Izay malaina amin’ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan’ny mazoto kosa, manangon-karena.
«Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy hipetraka aloha hitety izay holaniany, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia;
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
alamino ny asanao eo ivelany; ny sahanao aloha no iraiketo asaina, vao izay no manao ny tranonao ianao.
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Mandehana mankany amin’ny vitsika, ry ilay kamo; diniho ny lalany ka mbà hendry.
Tsy mana-mpifehy izy, na mpitandrina ny ataony, na mpanjaka,
nefa fahavaratra izy mamory hanina, manangona ny fivelomany izy amin’ny fijinjana.
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena an’i Kristy;
aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo tokoa;
ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona;
satria fantatrareo marina fa isam-batan’olona, na andevo na olona afaka, dia samy hovalian’Andriamanitra soa, amin’izay soa nataony avy.
Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.
Mahaiza miaina amim-piadanana, sy manatanteraka tsara ny raharahanareo, ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo,
mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany, sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.
Be faniriana ny kamo, fa tsy ho tanteraka, fa ny fanirian’ny olo-mazoto kosa, ho tanteraka mahafa-po.
Samia mandinika ny asany avy, mba samy ho ny amin’ny tenany ihany no ho reharehany, fa tsy ho ny amin’ny an’olon-kafa,
satria samy hitondra ny mavesatra ananany avy ny olona rehetra.
Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?
Dia nalain’i Iaveh Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.
ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka raha efa izany vao mandray ny vokatra.
Izay malaina amin’ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan’ny mazoto kosa, manangon-karena.
Zanaka hendry izay mamory amin’ny fararano; fa zaza ahazoan-kenatra kosa, izay matory amin’ny taom-pijinjana.
Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano.
Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin’olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo.
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po;
tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.
fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza.
«Fa Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.
Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: ‹Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho›.
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: ‹Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho›.
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: ‹Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao, fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahàfanao.
Ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin’ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao›.
Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: ‹Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahàfako:
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako, ary rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy omban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo an’ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.› »
Tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra noho ny mihinana sy misotro, ary ny mampanarana ny fanahiny amin’ny fiadanana, eo amin’ny fanaovana ny asany. Izany indray koa efa hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.
Zovy tokoa moa, raha tsy misy azy, no ho afa-mihinana sy miarana amin’ny fiadanana?
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany.
Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh, izay mandeha amin’ny lalany.
Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany, ka dia sambatra sy voky soa.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Misy loza makadiry hitako tatỳ ambany masoandro, dia harena tahirizin’ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany,
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Ny faniriana foan’ny kamo mahafaty azy, satria mandà tsy hiasa ny tanany.
Maniry mafy izy tontolo andro, fa manome tsy an-kijanona kosa, ny marina.
Aleo ny kely ananan’ny olo-marina, toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro;
fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka; ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh.
fa hoy ny Soratra Masina hoe: Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary; ary koa: Ny mpiasa dia mendrika ny tambiny.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny.
Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.
Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra rehetra hamoronany asa vaovao;
hanefeny volamena, volafotsy, varahina,
hisokirany vato halatsaka an-tranontranony, handrafetana hazo, ary hanaovana taozavatra isan-karazany.
Tsy hanasa-tena foana intsony izy; na hiteraka ho faty tampoka foana; fa ho taranaka ambinin’i Iaveh izy ireo mbamin’ny solofony miaraka aminy.