Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 14 - Baiboly Katolika7. TOLONA TAMIN’I NIKANORA JENERALIN’I DEMETRIOSA - ANDRON’I NIKANORA Teny fanelanelanana nataon’i Alsima mpisorom-be 1 Nony afaka telo taona, ren’i Jodasa sy ny namany fa hoe: niondrana avy ao amin’ny fitodian-tsambon’i Tripolìi Demetriosa zanak’i Seleokosa, nitondra miaramila maro sy andian-tsambo, 2 ka nahalasa ny tany, sy namono an’i Antiôkosy mbamin’i Lisiasy mpiahy azy. 3 Nisy anankiray izay atao hoe Alsima izay efa tonga mpisorona lehibe teo aloha, saingy nandoto tena an-tsitrapo, tamin’ny andron’ny fikorontanana, ka nahalala fa tsy misy azony anantenana famonjena intsony sy tsy misy azony anatonana ny ôtely masina intsony, 4 ka tonga nihaona tamin’ny mpanjaka Demetriosa izy, tamin’ny taona faha-150, nanolotra izao ho azy: satrok’andriana volamena iray mbamin’ny sampan-drofia iray ary koa sampan’ôliva vitsivitsy, araka ny fanatitra fanao amin’ny tempoly; ary tsy nanao afa-tsy izany izy aloha, tamin’io andro io. 5 Nahita fotoana azon’ny haratsiam-panahiny hararaotiny anefa izy, dia tamin’ny niantsoan’ny mpanjaka azy ho ao amin’ny fivorian’ny mpanolo-tsaina sy nanontaniany azy ny amin’ny toetra aman-kevitry ny Jody. 6 Ka hoy ny navaliny: «Ireo Jody atao hoe Asideanina, tarik’i Makabeo, no mpamelona ady amam-pikomiana, ary tsy zakany raha mandry feizay ny fanjakana. 7 Ka noho izany, rehefa voaongana tamin’ny voninahitro lovako amin’ny razako aho, izany hoe, tamin’ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe, dia tonga teto, 8 ary velom-paniriana marina hanohana ny hajan’ny mpanjaka aho aloha; manaraka izany, mikendry izay mba hiadanan’ny iray tanindrazana amiko aho; fa loza loatra no manjò ny firenena manontolo, azon’ny hasahian’ireo olona ireo loatra. 9 Ary ianao, ry mpanjaka, rehefa fantatrao izany rehetra izany izao, ataovy izay hamonjena ity taninay amam-pirenenany tra-pahoriana; araka ny hamoram-po izay mahatonga anao ho mora mifankahazo amin’ny olona rehetra. 10 Fa raha velona koa i Jodasy, tsy mety ho vita ny mampandry feizay ny fanjakana indray.» (Jereo 1Mak 7,26 ) 11 Vao niteny toy izany izy, ny sakaizan’ny mpanjaka sisa izay nankahala an’i Jodasy vao mainka koa nampirehitra fatratra ny hatezeran’i Demetriosa. 12 Nantsoin’io niaraka tamin’izay i Nikanôra, izay efa nifehy ny antokon’ny elefanta, dia nasainy nandeha; 13 nomeny teny an-tsoratra hampamono an’i Jodasy, hampiparitaka ireo namany ary hametraka an’i Alsima ho mpisorona lehibe amin’ny Tempoly mendrika hohajaina. 14 Nanao andiany nivory nanaraka an’i Nikanôra avokoa ireo Jentily nandositra niala tamin’i Jodea teo anoloan’i Jodasy, matoky marina fa ny voina aman-doza manjò ny Jody, dia hody soa ho azy ireo kosa. I Nikanôra nody nisakaiza tamin’i Jodasy (Jereo 1Mak 7,27-28 ) 15 Nony ren’ny Jody ny hiavian’i Nikanôra sy hamelezan’ny Jentily dia nihosim-bovoka izy, sy nivavaka tamin’Ilay nanorina ny vahoakany ho mandrakizay sy niaro tsy tapaka ny lovany, tamin’ny famantarana miharihary. 16 Vao nobaikoin’ny lehibeny izy dia niainga niaraka tamin’izay, ka nandraikitra ady tamin’ny fahavalo tao am-bohitr’i Desao. 17 I Simôna rahalahin’i Jodasy no nandrafitra ny ady tamin’i Nikanôra, nefa tratry ny fisehoan’ny fahavalo tampoka ka voan’ny faharesena kely ihany izy. 18 I Nikanôra anefa nandre ny herim-pon’i Jodasy sy ny namany mbamin’ny fahasahiana niadian’izy ireo ho an’ny tanindrazany, ka natahotra ny hanankina ny raharaha amin’ny fitsarana amin’ny ady. 19 Dia nirahiny i Pôsidôniosa sy i Teôdôty ary i Matatiasa hanolotra ny tanany amin’ny Jody sy handray ny azy. 20 Nony ela no nandinihan’ny jeneraly ny fanekena naposaka dia nambarany tamin’ny tafika rehetra, ka rehefa niharihary fa miray hevitra avokoa izy rehetra no vao nekena ny hifampiraharahana. 21 Nisy andro anankiray notendrena hihaonan’izy roa lahy samy lohany mitokana, dia nankao i Jodasy ary sezam-boninahitra no napetraka ho azy ireo. 22 Nisy miaramila mitam-piadiana anefa, napetrak’i Jodasy tao amin’ny fitoerana tsara rahateo, fandrao misy famadihana tampoka avy amin’ny fahavalo. Tsara resaka izy ireo. 23 Nitoetra andro vitsivitsy tao Jerosalema i Nikanôra, tsy nanao ny tsy marina na dia kely aza, nalefany hody avokoa ny vahoaka nivory nitsitokotoko. 24 Nifankahazo toy ny sakaiza fatratra tamin’i Jodasy izy ary voasintona hiraiki-po aminy mihitsy aza. 25 Notarihiny hanam-bady izy mba hiteraka; dia nanambady tokoa i Jodasy ka nivelona tamim-piadanana sy niarana tamin’ny fiainana. I Alsima mandrehitra ny fifankahalana ary i Nikanôra mandrahona hamely ny Tempoly 26 Nahita ity fisakaizana nanjaka tamin’izy ireo i Alsima, ka nokôpiaziny ny fanekena natao, dia lasa izy nankany amin’i Demetriosa nilaza taminy fa manao hevitra mifanohitra amin’izay hanasoa ny fanjakana i Nikanôra, satria i Jodasy fahavalon’ny fanjakana indray no notendreny hisolo azy. 27 Nisamontitra ny mpanjaka tamin’izay; nentanin’ny endrikendrik’ilay tsy misoro-doza io izy, ka nanoratra ho an’i Nikanôra nilaza ny tsy fankasitrahany velively ny fanekena natao, sy nandidy azy handefa faingana an’i Makabeo migadra, ho any Antiôkia. 28 Nivarahontsaka foana i Nikanôra no nandray izany taratasy izany; mafy aminy loatra ny hamadika ny fanekena efa raikitra, sady tsy nanao ny tsy marina na dia kely aza i Jodasy. 29 Tsy azony atao anefa ny manohitra ny mpanjaka ka dia izay fotoana tsara hanatanterahany ny didiny, amin’ny tetik’ady, no notadiaviny. (Jereo 1Mak 7,29-30 , 33-38 ) 30 I Makabeo kosa tetsy an-daniny nahita fa niolonolona taminy i Nikanôra ary nihanangatsiaka ny fifankahazoany taminy andavanandro; dia nahalala fa tsy fambara tsara velively izany fangatsiaham-po izany, ka namory ny maro tamin’izay momba azy izy dia nihataka tamin’i Nikanôra. 31 Vao hitan’i Nikanôra fa voasingotry ny herim-pikasan’i Jodasy izy, dia nankao amin’ny Tempoly mendrika hohajaina sy masina izy, raha nanatrika ilay sorona fanao iny ireo mpisorona, ka nandidy azy ireo hanolotra izany lehilahy izany aminy. 32 Nony nilaza marina tamim-pianianana ireo fa tsy nahalala izay misy ny lehilahy tadiaviny akory, dia naninji-tanana tamin’ny tempoly i Nikanôra, 33 sady nianiana nanao hoe: «Raha tsy atolotrareo ahy migadra i Jodasy, ity fitoerana masin’Andriamanitra ity hofongorako hitovy amin’ny tany, ny ôtely horavako, ary tempoly kanto ho an’i Bakosa no hatsangako eto.» 34 Avy niteny izany izy, dia lasa. Ny mpisorona kosa tetsy an-daniny nanangan-tanana niandrandra ny lanitra, niantso ilay niady ho an’ny firenentsika izay ela izay, nanao hoe: 35 «Tompo ô, tsy mila na inona na inona Ianao, nefa sitrakao ho eto afovoanay ny tempoly honenanao. 36 Koa ankehitriny, ry Tompo masina amin’ny fahamasinana rehetra, arovy tsy ho voan’ny loto na inona na inona ity fonenana vao avy nodiovina ity.» Ny nahafatesan-dRazisa 37 Ary nampangaina tamin’i Nikarôna ity olona anankiray atao hoe Razisa, anankiray amin’ny loholon’i Jerosalema, lehilahy tia ny iray tanindrazana aminy izy io, sady tsara laza indrindra, ka natao hoe rain’ny Jody, noho ny soa nataony. 38 Fa tamin’ny andro tany aloha, izay tsy maintsy ho nihatahana tsy hifankazahoana akory amin’ny mpanompo sampy, dia nahatarika fiampangana azy ho manaraka ny fivavahan’ny Jody ary tamim-paharetana tsy azo nohozongozonina no nanaovany vy very ny tenany aman’ainy ho an’ny fivavahan’ny Jody. 39 Tian’i Nikanôra ny haneho famantaran’ny fankahalany ny Jody, ka miaramila 500 lahy mahery no nirahiny hisambotra azy; 40 satria tsy nisalasalany akory fa fahavoazana lehibe ho an’ny Jody ny fisamborana azy. 41 Efa ho azon’io antoko-miaramila io ny tilikambo, efa hidirany an-keriny ny efitra fidirana ary efa nahazo baiko handoro azy sy hanakila ny varavarana izy ireo; kanjo nony efa ndeha hisambotra an-dRazisa izy, niantoraka tamin’ny sabany izy, 42 fa naleony maty amim-boninahitra toy izay voasambotry ny tanan’olo-meloka, sy iharan’ny fanevatevana tsy mendrika ny fiandrianany. 43 Nikorapaka loatra anefa izy, ka tsy voa tamin’ny faritra mety hahafaty ny tenany; nony nahita ity vahoaka nibosesika teo amin’ny varavarana izy, nihazakazaka tamin-kerim-po nankany an-tampon’ny manda, dia nivarina an-kasahiana teo amin’ny vahoaka. 44 Nisava niaraka tamin’izay izy rehetra, ka nisy fitoerana nanjary foana teo, dia teo afovoan’io izy no nianjera. 45 Mbola velona izy ary nirehitra ny fony, ka niarina, nanorika tamin’ny tenany rehetra ny ra, ary na dia voaratra mahatsiravina aza izy dia nihazakazaka namakivaky ny vahoaka nitsangana eo ambonin’ny vatolampy anankiray, nijoro teo, 46 ary efa lany ra mihitsy dia noraotiny ny tsinainy ka natsipiny tamin’ny tanany tao amin’ny vahoaka, dia nangataka tamin’ny Tompon’ny aina amam-panahy izy, mba hamerina izany aminy, indray andro any; toy izany no nahafatesany. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society