Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

2Makabeo 14:30 - Baiboly Katolika

30 I Makabeo kosa tetsy an-daniny nahita fa niolonolona taminy i Nikanôra ary nihanangatsiaka ny fifankahazoany taminy andavanandro; dia nahalala fa tsy fambara tsara velively izany fangatsiaham-po izany, ka namory ny maro tamin’izay momba azy izy dia nihataka tamin’i Nikanôra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 I Joda Makabeo kosa tetsy an-daniny nahita fa niolonolona taminy bebe kokoa i Nikanôra ary nihamangatsiaka ny fandraisany azy andavanandro; dia nahatsapa izy fa tsy fambara tsara velively izany fangatsiaham-po izany. Ka novorîn’i Joda ny maro tamin’ireo namany ary nihataka niafina tamin’i Nikanôra izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Makabeo 14:30
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra