Andininy ao amin’ny Baiboly

dokam-barotra


Sokajy Kely

ANDININY MOMBA AN’ANDRIAMANITRA

Mahery indrindra Andriamanitra ary efa nampanantena Izy fa hiaraka aminao. Mahagaga Izy ary mikarakara anao, matokia Azy fotsiny. Izy no Mpamonjy anao, ka nirahiny ny Zanany Lahitokana ho faty noho ny fahotanao.

Amin’Andriamanitra, ny zavatra rehetra dia hain’ny finoanao. Raha te hahalala an’Andriamanitra ianao dia manatòna Azy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Teniny. Maniry mafy ny hanatonanao Azy ny Tompo.

Tsy misy tsiny ny lalan’Andriamanitra; voazaha toetra ny tenin’i Jehovah. Ampinga Izy ho an’izay rehetra mialoka Aminy. (2 Samoela 22:31)


Kolosiana 3:21

Ianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.

Chapter    |  dikan
3Jaona 1:4

Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho dia ny andrenesako fa mandeha amin’ny marina ny zanako.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 23:25

Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao; eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao!

Chapter    |  dikan
Ohabolana 17:6

Satroboninahitry ny antitra ny zafiny ary voninahitry ny zanaka ny rainy.

Chapter    |  dikan
Salamo 128:3-4

Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao; ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao.

Indro, toy izany no hitahiana izay lehilahy matahotra NY TOMPO.

Chapter    |  dikan
Salamo 127:3-5

Indro, lova avy amin’NY TOMPO ny zanaka maro, valisoa ny ateraky ny kibo.

Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana.

Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny. Tsy ho menatra ireny raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 23:24

Feno fifaliana ny rain’ny olo-marina ary izay miteraka zaza hendry dia manam-pifaliana aminy!

Chapter    |  dikan
Ohabolana 10:1

Anatra samihafa nataon’i Solomona. Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.

Chapter    |  dikan
Deoteronomia 6:6-7

Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao,

ary ampianaro tsara ny zanakao izany ka resaho aminy mandrakariva na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha;

Chapter    |  dikan
Salamo 127:4-5

Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana.

Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny. Tsy ho menatra ireny raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.

Chapter    |  dikan
Jaona 8:56

Miravoravo i Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.

Chapter    |  dikan
Josoa 24:15

Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo NY TOMPO dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny ony Eofrata na ny andriamanitry ny Amorita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo NY TOMPO izahay.

Chapter    |  dikan
2Korintiana 9:15

Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay tononina.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 22:6

Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.

Chapter    |  dikan
Salamo 103:13

Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy.

Chapter    |  dikan
Salamo 118:24

Ity no andro nataon’NY TOMPO; hifaly sy ho ravoravo amin’izany isika.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 3:11-12

Anaka, aza manamavo ny fitaizan’NY TOMPO, ary aza tofoka amin’ny fanitsiana ataony;

fa izay tian’NY TOMPO no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 19:18

Anaro ny zanakao fa mbola misy azo antenaina ihany, nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 22:15

Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana, fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 13:24

Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, fa izay tia zanaka dia tsy misalasala manitsy azy.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 28:7

Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry, fa izay misakaiza amin’ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 14:26

Ny fahatahorana NY TOMPO dia fiarovana mahatoky ka hahazo fialofana ny zanany.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 29:17

Anaro ny zanakao dia ho famelombelomana ny fonao izy, sady ho fifalian’ny fanahinao.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 20:7

Ny olona marina dia mandeha amin’ny fahitsiany; sambatra ny zanany mandimby azy.

Chapter    |  dikan
Salamo 128:1-4

Sambatra izay rehetra matahotra NY TOMPO, dia izay mandeha amin’ny lalany.

Fa hohaninao tokoa ny vokatry ny asan’ny tananao; sambatra sady ambinina ianao.

Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao; ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao.

Indro, toy izany no hitahiana izay lehilahy matahotra NY TOMPO.

Chapter    |  dikan
Isaia 38:19

Ny velona, ny velona ihany no hidera Anao, tahaka ahy izao anio izao; hampahalala ny zanany ny fahamarinanao ny ray.

Chapter    |  dikan
Mika 6:8

Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’NY TOMPO aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny rariny sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.

Chapter    |  dikan
Romana 12:10

Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.

Chapter    |  dikan
Lioka 11:11-13

Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? Na angatahany hazandrano ka hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano?

Na angatahany atody ka hanome azy maingoka?

Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahay hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy?

Chapter    |  dikan
Efesiana 5:25-28

Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy

mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana ao amin’ny teny;

mba hasehony ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.

Dia tahaka izany koa, ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

Chapter    |  dikan
Efesiana 6:4

Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny fanabeazana sy ny fananaran’ny Tompo izy.

Chapter    |  dikan
1Tesaloniana 2:11-12

Fantatrareo koa fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no nampirisihanay sy nampiononanay anareo tsirairay avy sy nananaranay mafy anareo

mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.

Chapter    |  dikan
1Timoty 5:8

Fa raha misy tsy mikarakara ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.

Chapter    |  dikan
Hebreo 12:7-9

Fanitsiana no anton’ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo toy ny zanaka; fa iza moa no zanaka tsy ahitsin’ny rainy?

Fa raha tsy ahitsy tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo dia zazasary fa tsy zanaka.

Ary isika koa dia nanana ny raintsika ara-nofo ho mpanitsy antsika, ary nanaja azy isika; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy ka ho velona isika?

Chapter    |  dikan
Jakoba 1:5

Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.

Chapter    |  dikan