Mahazo fahafahana lehibe ny famelan-keloka. Toy ny manala enta-mavesatra tsy mampandroso anao mihitsy. Tsara tarehy ny famelan-keloka, ary izay efa niaina ny namela heloka sy ny voavela heloka no mahalala izany. Andriamanitra no ohatra lehibe indrindra amintsika amin'ny famelan-keloka. Mampianatra sy mandidy antsika Izy mba hampihatra ny famelan-keloka isan'andro.
Dia mampirisika anao aho mba hamela heloka, tahaka ny namelan'i Kristy ny helokao isan'andro. Tokony hamela heloka tahaka izany koa ianao. Fotoana izao hanafahana sy hahazoana fahafahana amin'ny alalan'ny famelan-keloka.
Eto amin'ity fiainana ity dia hisy foana olona handika na handratra anao. Na dia izany aza, dia tsy maintsy mianatra mamela heloka sy mitia indray isika. Esory ao amin'ny fiainanao ny lolompo, ary izany no hampandroso sy hampitombo anao. Hanatsara ny fifandraisanao amin'Andriamanitra koa izany.
Mifaly isika zanak'Andriamanitra satria efa voavela ny helotsika noho ny soron'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana. Kanefa, zava-dehibe ny mahafantatra fa tahaka ny namelana ny helotsika no tokony hahatonga ny fontsika ho vonona hamela heloka koa.
"Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy zavatra amin'ny olona ianareo, dia mamelà izany, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra koa ny fahadisoanareo" (Marka 11:25).
Raha mibebaka sy mahatoky amin'ny famelan-keloka ny hafa isika, dia hamela ny helotsika tanteraka Andriamanitra, ary afaka manomboka fiainam-baovao marina tokoa isika!
Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo dia mba hamela ny anareo ny Rainareo izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona kosa ianareo dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka dia tsy hohelohina ianareo; mamelà dia mba havela ianareo;
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Dia nanatona i Petera ka niteny Taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.
Koa raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo ianao no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao ka mandehana aloha mihavana amin’ilay rahalahinao, ary rehefa miverina ianao dia izay vao manolotra ny fanatitrao.
Ary raha mitsangana mivavaka ianareo ka misy olona anananareo alahelo dia mamelà ny helony mba havelan’ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo.
Fa raha nisy nahatonga alahelo dia tsy izaho no nampalaheloviny fa ianareo rehetra, nefa mba tsy ho tafahoatra loatra ny teniko, dia ny sasany aminareo. Ampy ho an’izany olona izany ny fampijaliana nataon’ny maro, koa aleo kosa ianareo mamela heloka sy mampifaly azy, fandrao dia kivin’ny alahelo tafahoatra izany olona izany. Koa mananatra anareo aho mba hekenareo ny handray azy tsara amin’ny fitiavana.
Izay mikatsaka ny fihavanana dia manarona heloka, fa izay mamohafoha heloka mampisaraka ny tena mpisakaiza.
Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.
Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.
Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.
Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao dia teneno mafy izy, koa raha mibebaka izy dia mamelà ny helony. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hampisehoana ny Zanak’Olona. Amin’izany andro izany, izay eo an-tampon-trano ka ao an-trano ny entany, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’izay efa nilaozany. Tsarovy ny vadin’i Lota. Na zovy na zovy mitady hiaro ny ainy dia hahavery azy ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahatana izany. Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany dia hisy roa lahy miray fandriana; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela, Hisy roa lahy any an-tsaha; ny iray dia horaisina ary ny iray dia havela. Dia nanontany Azy izy ireo hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ny faty dia any koa no hiangonan’ny voromahery. Ary raha manota aminao impito ao anatin’ny indray andro izy, ary mifona aminao impito kosa hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana. Ny fiasan’ny vavaka ataon’ny marina dia tena mahery.
Ao Aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alalan’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.
tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany antsapaka no fizara ny fitafiany.
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana.
na helok’iza na helok’iza no avelanareo dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany.
Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny. Fa amin’izany dia hanambatra vainafo ho eo ambonin’ny lohany ianao ary NY TOMPO no hamaly soa anao.
Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy.
fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany» (Jer 31.31-34).
Raha mitahiry heloka Ianao, TOMPO ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa ao Aminao no misy ny famelan-keloka mba hatahorana Anao.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao izay manaisotra heloka sady mamela ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy fa tia mamindra fo. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika; eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
Izay manafina ny fahotany dia tsy hambinina, fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12).
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra.
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao, vonoy ny fahadisoako! Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao ary tohàny fanahy mazoto aho! Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho, koa ny mpanota dia hiverina aminao. Vonjeo ho afaka amin’ny valin-dra aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, dia hihoby ny fahamarinanao ny lelako. Tompo ô, sokafy ny molotro dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana manontolo dia tsy mahafaly Anao. Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. Manaova soa amin’i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’i Jerosalema! Dia ho sitrakao ny fanatitra amim-pahamarinana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra levonina amin’ny afo ary hanatitra vantotra ombilahy eo amin’ny alitaranao ny olona. Sasao madio aho mba ho afa-keloka ary diovy aho mba ho afa-pahotana!
Ny fahendren’ny olona dia manindry ny fahatezerany ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
Fa fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary izay mamindra fo kosa dia tsy mba matahotra ny fitsarana.
ary Izy no nitondra ny fahotantsika (Isa 53.12) tao amin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary «ny dian-kapoka taminy no nanasitranana anareo» (Isa 53.5).
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.
sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.
Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo. Ary raha angatahany hazandrano no hanome azy menarana? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy? Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy. Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira. Ny voany no hahafantaranareo azy. Mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona sa mahazo aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.
Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome fibebahana azy mba hahalalany tsara ny marina,
Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy. Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany satria ny maizina no nahajamba ny masony. Manoratra aminareo zanaka aho satria voavela ny helokareo noho ny anarany. Manoratra aminareo ray aho satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. Nanoratra taminareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray; fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. Rankizy, izao no ora farany. Araka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy sady maro ny antikristy no efa tonga sahady, dia izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Avy teto amintsika ihany no nialan’ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha toa ka namantsika izy dia ho nitoetra teto amintsika ihany; kanefa niala izy mba haseho fa tsy namantsika izy rehetra. Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.
Koa amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony marobe, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana.
Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia niteny tamin’ilay malemy hoe: Anaka, voavela ny helokao.
moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
Ny famindrampo sy ny fahamarinana no avotra amin’ny heloka, ary ny fahatahorana NY TOMPO no analavirana ny ratsy.
Efa nania aho; tadiavo toy ny fitady ondry very ny mpanomponao, fa tsy mba hadinoiko ny didinao.
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo dia mba hamela ny anareo ny Rainareo izay any an-danitra.
Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.
Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hikatsaka azy.
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Efa faharesena ho anareo ny fanananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo?
Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’i Kristy, fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny teti-dratsiny.
Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
Izaho dia Izaho ihany no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako ary tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra; nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala; Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo, ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza. Fa ny zavatra rehetra, rehefa ampahafantarina, dia asehon’ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy. Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao. Ary noho izany dia aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo. Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy; mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo. ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ka nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra sy ho fanavotana ary ho hanitra ankasitrahana.
Diovy amin’ny hisopa aho ho afa-pahotana dia hadio; sasao aho dia ho fotsy noho ny orampanala.
Dia nampiantsoin’ny tompony Ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko manontolo ny trosa taminao satria nifona tamiko ianao; moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa dia mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.
Fa raha noana ny fahavalonao dia omeo hanina izy; raha mangetaheta izy dia omeo hosotroiny; fa ny fanaovanao izany dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha 5.21-22). Aza mety ho resin’ny ratsy ianao fa reseo amin’ny soa ny ratsy.
Saiky diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.
Fa tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao Andriamanitra mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Noho izany, lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samihafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra, izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao,
Fantaro izao, ry rahalahy malalako: Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala.
Koa aza mifampitsara intsony isika fa aleo mihevitra izao: Ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy.
Andriamanitra anefa manankarena famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana.
Fa fantatsika izay niteny hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly»; ary koa: «NY TOMPO hitsara ny olony» (Deo 32.35-36). Zavatra mahatahotra no ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona.
Ary hoy izy hoe: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5); ary, «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Aza faly raha lavo ny fahavalonao, ary aza ravoravo ny fonao raha tafintohina izy; fandrao hitan’NY TOMPO izany ka ho ratsy eo anatrehany, ary esoriny aminy ny fahatezerany.
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy.
Mitsahara amin’ny fahatezerana ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy ho tezitra ianao fa ratsy no hiafaran’izany.
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: Ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny tanjaka sy ny hery avy ao anaty amin’ny alalan’ny Fanahiny; ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo
Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsy fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Efa navelany avokoa ny fahadisoantsika rehetra; novonoiny ny didy voasora-tanana izay niampanga antsika; nesoriny izany ka nohomboany tamin’ny hazofijaliana;
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
«Sambatra ireo izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra izay olona tsy isain’NY TOMPO heloka» (Sal 32.1-2).
Ary nandray ny kapoaka Izy, koa rehefa nisaotra Izy, dia natolony azy ka nataony hoe: Misotroa amin’ity ianareo rehetra; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.
Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany, fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana. Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
Fa ilay mpamory hetra kosa dia nijanona teny lavitra eny sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory fa niteha-tratra ka niteny hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota!
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy,
Ny fahotako dia nambarako Taminao ary ny heloko tsy mba nafeniko; hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin’NY TOMPO aho; ary Ianao dia namela ny heloko, ny fahotako. Fiatoana
Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka; dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ka modia any an-tranonao.
Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika ny fanantenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ireo anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.
«Koa mialà eo aminy ianareo ka misaraha aminy, hoy NY TOMPO; aza manendry izay zavatra tsy madio, ary Izaho handray anareo.
Ary raha manota ny rahalahinao dia mandehana anaro izy rehefa mitokana ianareo roa lahy. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao;
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry.
Efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona Aho, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; koa miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
sady Izy no hampihavanany Aminy ny zavatra rehetra ka ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana; eny, Izy hoy aho, no fampihavanana, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra. Ary ianareo izay vahiny fahiny sady fahavalo tamin’ny fomba fisainanareo sy ny asa ratsy nataonareo dia efa nampihavaniny tao amin’ny tenan’ny nofony ankehitriny, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona noho ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,