Andininy ao amin’ny Baiboly

- dokam-barotra -


ANDININY HO AN'NY TANORA

ANDININY HO AN'NY TANORA

Anaka, mifalia ary miravoravoa amin'ny andro fahatanoranao, ampiasao amin'ny drafitr'Andriamanitra ny andronao tsirairay. Hararaoty ny tanjaka anananao ankehitriny, aza avela hahakivy anao ny fahatanoranao. Matetika rehefa tanora dia mahatsiaro ho kivy amin'ny ho avy, ary mety ho sorena ihany koa indraindray.

Matokia an'Andriamanitra Mpamorona anao, Izy no mifehy ny fiainanao, katsaho amin'ny fonao rehetra Izy, ary miezaha hanamasina tena isan'andro ao Aminy. Aoka ho modely ianao na aiza na aiza alehanao, amin'ny fitiavana, ny fiteny, ny fitondran-tena, ny finoana ary ny fahadiovana.

Hoy Andriamanitra ao amin'ny teniny fa ny tanora dia hanadio ny lalany amin'ny teniny, koa vakio isan'andro ny Baiboly dia handresy ianao eo amin'ny fiainanao. Araraoty ny fotoana rehetra mba hanatonana ny Rainao any an-danitra, dieny mbola tsy tonga ny andro izay tsy hahaizanao fifaliana intsony, na tsy hanananao hery intsony tahaka ny anananao ankehitriny, na ny fotoana anananao ankehitriny. Zava-dehibe amin'Andriamanitra ianao, manana drafitra tonga lafatra ho anao Izy ary te-hanatanteraka izany eo amin'ny fiainanao, ka katsaho Izy dia hapetrany ao aminao ny drafiny. (1 Timoty 4:12) Aza avela hisy hihevitra anao ho tsinontsinona noho ny fahatanoranao; fa aoka ho modely ho an'ny mpino ianao, amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.




Ohabolana 3:5-6

Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao;mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:9

Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany ho madio? Ny fitandremana araka ny teninao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 29:11

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 4:12

Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:4

Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:5

Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 12:1

Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory ary tsy mbola mihatra ny taona izay hilazanao hoe: Tsy sitrako izao;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:13

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:33

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 41:10

Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:2

Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:105

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 6:10-11

Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny.Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 23:1-3

NY TOMPO no Mpiandry ahy: Tsy misy zava-mahory ahy.Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 10:13

Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 1:7

Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahalalana; fa ny adala dia manamavo ny fahendrena sy ny anatra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:6-7

Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:8

Andramo ka zahao fa tsara NY TOMPO! Sambatra izay olona mialoka Aminy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 14:6

Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 4:23

Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 40:31

fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:7

ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 25:4-5

Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô, ampianaro ny sitrakao aho.Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:7

Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 2:15-17

Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray;fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:2

Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 12:1-2

Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:28

Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:22-23

Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 2:10

Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:13-14

Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao.Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 15:58

Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 1:7

Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:16

Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 1:9

Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 19:21

Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa ny fikasan’NY TOMPO no mitoetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:38-39

Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 16:3

Ankino amin’NY TOMPO ny asanao dia ho tanteraka izay nokasainao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 46:10

Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 6:19-20

Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 26:3

Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 4:7-8

Koa maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy.Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:11

Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 9:23

Hoy Jesosy tamin’izy rehetra: Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isanandro ka hanaraka Ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:8

Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 5:3-4

Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana;ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 2:3-4

tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:15

Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:1-2

Anaka, aza manadino ny fampianarako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:12-14

Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala.Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 15:5

Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 16:8

Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 22:37-39

Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5).Izany no didy lehibe sady voalohany.Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 5:15-16

Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry.Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:5-6

Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 20:24

NY TOMPO no mitantana ny dian’ny olona; fa ny olombelona, hataony ahoana ny hahafantatra ny lalany?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 55:8-9

Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO.Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 5:7

fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:23

Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:7

Aza mihevi-tena ho hendry; matahora NY TOMPO ka mifadia ny ratsy

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:16-18

Mifalia mandrakariva.Mivavaha ka aza mitsahatra.Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 27:14

Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:13

Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:23

aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 8:12

Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 6:1-2

Anaka, ankatoavy ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo fa rariny izany.«Manajà ny ray sy ny reninao» fa izany no didy voalohany misy teny fikasana,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 2:9

Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 19:14

Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 12:9

Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 91:1-2

Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 6:31

Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo no mba ataovy aminy kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 4:7

Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:8

Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 13:4-7

Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa,mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 43:1-2

Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 14:8

Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 4:16

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:17-18

Mitaraina ny marina ary mihaino azy NY TOMPO ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra;akaiky an’izay manana fo mangorakoraka NY TOMPO ary mamonjy izay torotoro fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 4:29

Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino, fahasoavana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:9

Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 13:34-35

Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa.Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 9:10

Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahendrena ary ny fahalalana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 32:8

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:19-21

Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.Fa izay itoeran’ny harenanao dia ho any koa ny fonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 11:6

Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 4:3-4

Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana;mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 22:6

Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:133

Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 15:13

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:10

Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 3:20-21

Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 16:13-14

Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza.Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:1-2

Sambatra ny mahitsy lalana, dia izay mandeha araka ny lalànan’NY TOMPO.Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo manontolo;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 10:27

Ary hoy izy hoe: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5); ary, «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 3:16-17

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana,mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 27:1

NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 30:21

Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 14:12

Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 14:13

Koa aza mifampitsara intsony isika fa aleo mihevitra izao: Ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:23

Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 51:10

Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:22

Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 10:10

Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 11:14

Raha tsy misy fahaiza-mitondra dia rava ny firenena, fa famonjena ny fahamaroan’ny mpanolotsaina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:165

Be fiadanana izay tia ny lalànanao ary tsy misy mahatafintohina azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 15:7

Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 9:24-25

Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa dia ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa toy izany mba hahazoanareo.Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa dia mitady ny tsy mety ho lo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 45:22

Mijere Ahy dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 1:15-16

fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetrasatria voasoratra hoe: «Ho masina ianareo, satria masina Aho» (Lev 11.44).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 12:1

Izay tia fananarana no tia fahalalana, fa izay mankahala anatra dia biby.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 84:11

Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:12

Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:24-25

ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 6:23

Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 63:1

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 3:13-14

Ry rahalahy, tsy mihevi-tena ho efa nahazo aho; fa zavatra iray loha no ataoko: Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha;eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 16:33

Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 4:26-27

Ataovy marina ny lalana alehan’ny tongotrao, ary aoka ho voalamina ny alehanao rehetra.Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; aoka hihataka amin’ny ratsy ny tongotrao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 4:4

Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 2:9

Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 138:8

NY TOMPO no hahatanteraka ny momba ahy rehetra; TOMPO ô, mandrakizay ny famindramponao. Aza mahafoy ny asan’ny tananao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 18:27

Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 17:3

Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:13-14

Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any.Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 13:12-14

Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana.Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 33:6

Tsy hanam-piovana ny andronao; harena mahavonjy ny fahendrena sy ny fahalalana; ny fahatahorana NY TOMPO no harenany amin’izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:4-5

Nitady NY TOMPO aho dia namaly ahy Izy ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.Izay mijery Azy dia miramirana sady tsy mangaihay ny tavany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 1:6

Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 4:10

Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 6:10

Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 18:10

Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 4:32

ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 10:9

Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 46:1

Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 9:37-38

Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hanangona ny vokatra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 13:8

Aza avela hisy trosa tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia nahatanteraka ny lalàna.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 73:26

Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 2:20

koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 6:13

Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo dia ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra ireo zavatra roa ireo. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:18

Ampahirato ny masoko mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:1

Koa amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:9

Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 3:18

Fa isika rehetra kosa dia amin’ny tava tsy misarona no ibanjinantsika ny voninahitry ny Tompo, tahaka ny amin’ny fitaratra, ka ovany hitovy endrika Aminy, avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 13:20

Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry, fa izay misakaiza amin’ny adala dia hihadala.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:15

Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:14-16

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano.Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 6:35

Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy dia tsy mba hangetaheta intsony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 3:23-24

fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra;nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:23

Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo manontolo ka ho voatahiry avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Petera 1:5-7

Noho izany indrindra dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, koa amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra,ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Andriamanitra ô, Anao anie ny voninahitra sy ny haja! Andriamanitro any an-danitra ô, avy eto aho mba hangataka famelan-keloka aminao. Miala tsiny raha nisy zavatra nataoko ka nahatezitra Anao. Fantatro fa nandeha tamin'ny lalako manokana aho ary nanadino izay nataonao ho ahy sy ny fitiavanao lehibe ahy. Fanahy Masina ô, araraho ny herinao eo amin'ny fiainako mba hialako amin'ny fijangajangana sy ny fiankinan-doha amin'ny pôrnôgrafia, mba hahitako asa mendrika ary mba handrosoako amin'ny fianarako. Tompo ô, omeo fahendrena aho amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainako mba hahafantarako ny sitraponao ho ahy. Omeo fahazavan-tsaina aho sy fo mahay mandinika mba hahitako vady sahaza ahy, mba hananako namana tsara ary mba handehanako amin'ny lalana mahitsy. Hoy ny teninao: "Aza avela hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao; fa aoka ho fianarana ho an'ny mpino ianao, amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana." Aoka izay rehetra ataoko ho fiderana sy fanomezam-boninahitra ny anaranao masina. Arovy aho amin'ny fakam-panahy sy ny rivo-drano eto amin'izao tontolo izao. Arovy ny tenako sy ny fanahiko ary ny saiko tsy ho voaloto. Mangataka aho izao mba hametrahanao ny herinao sy ny fanosoran'ny Fanahy Masinao eo amiko. Tompo ô, akombony ny varavarana rehetra nosokafako ho an'ny fahavalo ary amin'ny fanosoranao izay manapotika zioga, afaho amin'ny fahalotoana aho. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amena!
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra