Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo.
Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako! Fa Izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. Ny volon’elany no hanaronany anao ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany.
raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
Mitaraina ny marina ary mihaino azy NY TOMPO ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra;
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
NY TOMPO no mandeha eo alohanao; Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahelavelona izy ary hasehoko azy ny famonjeko.
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana dia hanafaka anao Aho ka hanome voninahitra Ahy ianao.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ianareo dia ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. Hoy i Jodasy, tsy Iskariota, Taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao fa tsy amin’izao tontolo izao koa? Dia namaly azy i Jesosy hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka hanorina fonenana ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo. Efa renareo fa nilaza taminareo Aho hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo dia ho faly satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. Ary ankehitriny, efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa.
Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.
Ary izao no toky ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy.
Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana; ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana. Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
NY TOMPO no hahatanteraka ny momba ahy rehetra; TOMPO ô, mandrakizay ny famindramponao. Aza mahafoy ny asan’ny tananao.
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretin-dratsy hanakaiky ny tranolainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao; Eny an-tanany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Ny liona masiaka sy ny vipera dia hodiavinao, ny liona tanora sy ny menarana dia hohitsakitsahinao. Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy. Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahelavelona izy ary hasehoko azy ny famonjeko. Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
Izany fanantenana izany no ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba;
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao; Eny an-tanany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.
Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).
Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao; ary eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Fa NY TOMPO tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina. Harovana mandrakizay ireo; fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa dia hofongorana.
Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Fa ny Tompo, Izy tenany, no hidina avy any an-danitra, miaraka amin’ny baiko sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.
Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy hain’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy ary ho ao anatinareo.
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Indro, tsy matory na rendrehana ny Mpiaro ny Israely.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra dia ao Aminy ny eny ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay.
Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy.
Indrisy, Andriamanitra Tompo ô! Indro, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nitsotra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao atao.
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina. Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.
Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.
Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)
Mahatoky Andriamanitra izay nahatonga anareo ho voaantso, hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao. Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?
ka hoy Izy: Raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manao izay mahitsy eo imasony sy mihaino ny lalànany ary mitandrina ny didiny rehetra dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra izay nataoko tamin’ny Ejiptiana ireny; fa Izaho no TOMPO izay manasitrana anao.
izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana, ho amin’ny famonjena efa vonona haseho amin’ny fotoana farany.
hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; NY TOMPO Andriamanitra no hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafoana eny amin’ny tany rehetra ny fahafaham-baraka amin’ny olony. NY TOMPO no niteny.
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
koa amin’izany dia mahavonjy tanteraka izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
Ny handrosoan’ny fiandrianana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika ny fanantenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy dia tsy mba hangetaheta intsony.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Fa tsara NY TOMPO; mandrakizay ny famindrampony ary mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinany.
Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy NY TOMPO. Noho ny nitenenany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: I Ziona tsy misy mpitady ity,
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Koa aoka ho fantatrao fa NY TOMPO Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby,
Ao Aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny Filazantsara izay mamonjy anareo. Eny, ao Aminy koa ianareo, rehefa nino ka nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany, mba ho fiderana ny voninahiny.
Fa ny mason’NY TOMPO dia mijery eny tontolo eny manerana ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy. Adala ianao tamin’izany ka hisy ady hahazo anao manomboka izao.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; satria ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao aminy ho fiainana mandrakizay.
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
Fa NY TOMPO no Mpitsara antsika; NY TOMPO no Mpanome lalàna ho antsika; NY TOMPO no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Fa efa nomena fahasoavana ianareo noho ny amin’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny Aminy.
Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany.
Avy any lavitra no nisehoan’NY TOMPO tamiko ka nitenenany hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
Fa izao no lazain’ny Tompo, dia NY TOMPO, ny Iray Masin’ny Israely: Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fahanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo. Nefa tsy nety ianareo!
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany. Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko. Ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany» (Jer 31.31-34).
TOMPO ô, manorina fiadanana ho anay Ianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay ka tsy ho very mandrakizay izy, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako. Ny Raiko izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tanan’ny Ray. Ary izy no vohàn’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry dia mihaino ny feony; koa izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ary entiny mivoaka avy tao. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany; na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka satria NY TOMPO no mitantana azy.
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra azy na mangorohoro; fa NY TOMPO Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy.
Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, izay hanova ny tenantsika voaetry hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiasan’ny heriny, izay ahaizany mampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambany fahefany.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Misaora NY TOMPO, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora NY TOMPO, ianareo miaramilany rehetra, dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony. Misaora NY TOMPO, ianareo asany rehetra manerana ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra, izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao, izay mamoky zava-tsoa anao; mihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.