Ry sakaiza, Andriamanitra manolotra fampanantenana ho antsika vahoakany ho fanehoam-pitiavana sy fahatokiana. Andriamanitsika dia Andriamanitra mahatoky, ary izay lazainy no ataony foana.
Fampanantenana dia fanambarana fa hanao zavatra ho an'ny olona iray. Mampanantena fiainana mandrakizay, fanafahana ary famelan-keloka ho antsika Izy. Ary hotanterahiny izany satria Andriamanitra tsara fanahy Izy ka manatanteraka izay lazainy.
Ao amin'ny Jaona 3:16, voalaza fa "tia tokoa izao tontolo izao Andriamanitra, ka nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Ny soron'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana no fampanantenana lehibe indrindra ananantsika, fampanantenana fa voavonjy amin'ny rany isika, sitrana, tafaverina amin'ny laoniny, afaka ary voatahy.
Isan'andro ny ran'i Kristy dia mampahatsiahy antsika ny fitiavan'Andriamanitra lehibe ho antsika, sy ny faniriany mafy mba hiainantsika am-piadanana sy am-pahasoavana, matoky ny fahasoavany.
Mampanantena i Jesosy fa ho tia antsika sy hiaraka amintsika mandrakariva. Ny hany fomba hiainana amim-pahatokiana dia ny famelana ny tenin'Andriamanitra hikasika ny fanahintsika ka hiainantsika araka izany. Eo no tsy hahatonga antsika ho kivy, fa hianatra hiandry amim-paharetana an'ny Tompo kosa isika.
Ny finoana no tena ilaina mba hahitana ny fahatanterahan'ny fampanantenan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Raha misalasala isika dia mety hanemotra izay tian'Andriamanitra homena antsika izany, fa raha mino sy matoky Azy kosa isika, dia hahita fahagagana eo no ho eo, araka ny haben'ny finoantsika.
Andriamanitra tsy mahay mandainga, raha nilaza Izy dia hataony. Isika mety tsy hanatanteraka ny tenintsika, fa Andriamanitra tsy mba diso. Tsarovany ny fampanantenana rehetra nataony tamintsika. Tsara fanahy aoka izany Izy ka milaza amintsika mba tsy hanahy na inona na inona, fa hiala sasatra amin'ny heriny, ary hijery izay hataony ho antsika, ho an'ny fianakaviantsika, ho an'ny fanompoantsika, ary ho an'ny asantsika.
Mitoera tsara ary aoka ho fantatrao fa Izy no Andriamanitra, Mpahary ny fahagagana, izay manatanteraka ny fampanantenany sy manao fanekena.
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina. Moa efa nilaza va Izy nefa tsy nanatanteraka? Na efa niteny va Izy ka tsy notoviny?
Koa aoka ho fantatrao fa NY TOMPO Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby,
Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao ary hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahefanao.
Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra dia ao Aminy ny eny ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay.
Ny avako dia apetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena Amiko sy amin’ny tany. Rehefa mampiangona rahona eo ambonin’ny tany Aho ka hita eo amin’ny rahona ny avana dia hotsarovako ny fanekeko izay Amiko sy aminareo mbamin’ny zavamananaina, dia ny nofo rehetra; tsy hisy safodrano handringana ny nofo rehetra intsony.
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
Isaorana anie NY TOMPO, izay nanome fitsaharana ho an’ny Israely olony araka izay rehetra nolazainy! Tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.
TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao, miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Mahatsiaro mandrakariva ny fanekeny Izy, dia ilay teny izay voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby; eny, ilay nataony tamin’i Abrahama sy ny fianianany tamin’Isaka;
Fa raha an’i Kristy ianareo dia taranak’i Abrahama, koa araka ny teny fikasana, dia mpandova.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no sady hahazoantsika fampirisihana mafy, dia isika izay nitady fialofana amin’ny fihazonana ny fanantenana napetraka eo anoloantsika.
Dia nitondra azy nankeo ivelan’ny tranolay Izy ka niteny hoe: Jereo ange ny lanitra ka isao ireo kintana raha mahaisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka ireo ny taranakao. Ary nino NY TOMPO izy, koa nisainy ho fahamarinany izany.
NY TOMPO no hahatanteraka ny momba ahy rehetra; TOMPO ô, mandrakizay ny famindramponao. Aza mahafoy ny asan’ny tananao.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
NY TOMPO no mandeha eo alohanao; Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.
Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
Izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitahiana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ny fotoanany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Ary indro Aho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity. Tsy handao anao Aho mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Raha mbola tsy nazava ratsy aza ny andro dia nitaraina aho; ny teninao no andrasako. Nialoha ny fotoam-piambenana amin’ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao.
Tsarovy ny mpanomponao, dia i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba; fa aza mijery ny ditran’ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny na ny fahotany,
Tsy nisalasala tamin’ny tsy finoana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra izy fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady natoky tanteraka fa izay nolazainy dia hainy hatao tokoa.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny; izay mitandrina fahamarinana mandrakizay; izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ho fitahiana tokoa ianao. Dia nanome baiko ireo mpanompony i Farao handefa an’i Abrama sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao. Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony.
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’NY TOMPO amin’ny tanin’ny velona! Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao!
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana toy ny voantsinapy iray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ dia hifindra izy; ary tsy hisy zavatra tsy ho hainareo hatao.
Ary izao no toky ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy.
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako;
Ary amin’izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany, ho afaka amin’ny vozonao ny bao fitondrana entany, ho simba ny bao fitondrana entany noho ny fihatavezanao.
izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’NY TOMPO va? Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny herintaona toy izao, dia hiverina atỳ aminao Aho, ary hiteraka zazalahy i Saraha.
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Ianao izay nampahita anay fahoriana be sady mafy no hamelona anay indray ka hampiakatra anay indray hiala avy amin’ny toerana lalina amin’ny tany. Ampitomboy ny voninahitro ary aoka hampionona ahy indray Ianao!
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina. Ary tsy izany ihany koa, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; fa talohan’ny lalàna aza dia nisy ota teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna; Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy anefa ny fahafatesana; eny, fa na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy. Tsy tahaka ny avy amin’ny iray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny iray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, nefa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezana ny fahasoavana ho fanamarinana. Fa raha ny fahadisoan’ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny iray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Iray, dia Jesosy Kristy. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fankatoavan’ny olona iray no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fankatoavan’ny Iray. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Tsy mba nafeniko tato am-poko ny fahitsianao, ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonan-dehibe aho. Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva. Nanodidina ahy ny loza tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko ka tsy mahazaka mijery azy aho; maro noho ny volon-dohako ireny ka reraka ny foko. Aoka ho sitrakao, TOMPO ô, ny hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy! Aoka ho indray hitsanga-menatra sy hangaihay izay mitady hanaisotra ny aiko; aoka hiamboho sy hitsanga-menatra izay maniry ahy hidiran-doza! Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireo izay milaza amiko hoe: Hia! Akory izay! Aoka ho faly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao! Aoka izay rehetra tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO! Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô! Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy; eny, tamin’ny fotaka mandrevo; nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. Nanisy hira vaovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an’Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky NY TOMPO.
Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô!
ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Rehefa afaka izany dia tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’NY TOMPO hoe: Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao, ary ho lehibe indrindra ny valim-pitianao.
ka hoy Izy: Raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manao izay mahitsy eo imasony sy mihaino ny lalànany ary mitandrina ny didiny rehetra dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra izay nataoko tamin’ny Ejiptiana ireny; fa Izaho no TOMPO izay manasitrana anao.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.
Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao. Ary NY TOMPO mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria mialoka Aminy ireo. Ankino amin’NY TOMPO ny lalanao ary matokia Azy fa Izy no hanatanteraka.
Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ka miteny hoe: Aringano.
Izany fanantenana izany no ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba;
fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra; nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
Tohàny araka ny teninao aho mba ho velona ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho.
Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra azy na mangorohoro; fa NY TOMPO Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Kanefa NY TOMPO dia momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra; ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; ho menatra indrindra izy satria tsy hambinina. Henatra mandrakizay tsy hohadinoina izany!
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha, aza matahotra na mivadi-po fa momba anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Ny tany rehetra izay hodiavin’ny faladian’ny tongotrareo dia ho anareo: Hatreo amin’ny tany efitra sy i Libanona ary hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranomasina andrefana no ho faritaninareo.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Fa izay mihaino ahy kosa dia hitoetra tsy manana ahiahy; eny, handry fehizay izy ka tsy hatahotra ny loza.
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo.
Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.