Manokana tokoa ny fanambadiana, andro iray feno fifaliana sy hafaliana maro. Andro ifanomezanao amin’ilay olona tianao, ho nofo iray ianareo. Amim-pitiavana sy fanantenana no hankalazanao io fotoana mahafinaritra io, feno fisaorana an’Andriamanitra noho ny nametrahany azy eo anilanao.
Zava-dehibe eo imason’Andriamanitra ny fanambadianareo, satria tsy tsara ny mijangajanga na manitsakitsa-bady. Maro ny andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny andraikitry ny mpivady, ary koa ny amin’ny tokony ho endriky ny fitiavana izay ifampizarànareo mandritra ny androm-piainanareo.
Aoka samy hanaja ny fanambadiana sy ny fahadiovam-pitondrantena isika rehetra, satria Andriamanitra hitsara ny mpijangajanga sy izay rehetra manao fahalotoam-pitondrantena. (Hebreo 13:4) Tadidio fa ny fitiavana dia tokony ho matanjaka, mba hahazakany ny fotoan-tsarotra rehetra. Ambonin’izany rehetra izany, aoka Andriamanitra ho ao aminareo mandrakariva mba hanampy sy hanome anareo ny fandresena amin’ny toe-javatra rehetra. Ny fitiavana tsy mitady ny azy, tsy mirehareha, tsy mitsahatra mandrakizay.
Mifandefera ianareo, noho ny fanajana an’i Kristy. Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny amin’ny Tompo. (Efesiana 5:21-22)
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana ao amin’ny teny;
Raha misy lehilahy vao nampaka-bady dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa kosa dia tsy ho leony; ny mahazaka telo olana dia tsy mora tapahina.
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: Ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy.
Aoka hanao izay mety hatao amin’ny vavy ny lahy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. aoka mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; aoka mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; aoka mba ho toy izay tsy manana ny mividy; ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao. Fa tiako tsy ho maro ahiana ianareo. Izay tsy manambady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. Fa izay manambady kosa dia miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijiny. Ny vehivavy tsy manambady dia mitandrina ny an’ny Tompo, mba samy ho masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo. Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony. Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy manery azy, fa afaka mifehy ny safidiny izy ka ninia tao am-pony hanaja ny fofombadiny, dia tsara ny nataony. Koa tsara ny ataon’izay mampakatra ny fofombadiny ary tsaratsara kokoa ny ataon’izay tsy mbola mampakatra azy. Voafehin’ny lalàna ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Tsy ny vavy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny lahy; ary mba toy izany koa, tsy ny lahy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny vavy.
«Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24).
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Noho izany dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny dia ho nofo iray ihany izy roa.
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina, satria momba ny tenany isika. «Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Zavamiafina lehibe izany; milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana mantsy aho. Na izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. na fahavetavetana, na resaka adaladala, na teniteny foana. Samy tsy tokony hatao, fa aleo teny fisaorana. Aoka ho fantatrareo mihitsy fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona tia vola, fa fanompoan-tsampy izany.
amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,
fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy;
ny vehivavy hanaiky ny vadiny, tahaka ny anekena ny Tompo satria ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy koa izay Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy koa no haneken’ny vavy ny lahy amin’ny zavatra rehetra. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana ao amin’ny teny; mba hasehony ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mbola nisy mihitsy olona tsy tia ny tenany, fa mamelona sy mitaiza azy izy tahaka izay ataon’i Kristy amin’ny fiangonana, Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina, satria momba ny tenany isika. «Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Zavamiafina lehibe izany; milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana mantsy aho. Na izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy
satria ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy koa izay Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
Ny fitiavana dia tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana dia ho levona; raha ny fiteny tsy fantatra dia hitsahatra; raha ny fahalalana dia ho foana.
Kanefa noho ny fijangajangana dia aoka samy hanana ny vadiny avy ny lehilahy rehetra ary aoka koa samy hanana ny vadiny avy ny vehivavy rehetra.
Izay mikatsaka ny fahamarinana sy ny famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; aoka iambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka, Aza miady amin’olona tsy amin’antony raha tsy nanisy ratsy anao izy. Aza mialona ny mpanao herisetra na mifidy izay lalany akory. Satria fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny mpivadika, fa ireo marina kosa no ataony sakaiza; ao an-tranon’ny ratsy fanahy ny ozon’NY TOMPO, fa tahiny kosa ny fonenan’ny marina; tsiratsirainy ny mpaniratsira, fa omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra; handova voninahitra ny hendry, fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala, dia hahita fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianao.
Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo; koa raha misy aza tsy manaiky ny teny dia ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza, «Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa dia aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hikatsaka azy. Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy» (Sal 34.12-16). Ary iza no hanisy ratsy anareo raha mazoto amin’izay tsara ianareo? Fa raha toa ka mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo dia sambatra! Aza matahotra tahaka azy ary aza mangorohoro ianareo. Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana; koa manàna fieritreretana tsara. Amin’izany dia ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy ka manendrikendrika anareo. Fa tsara kokoa ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa, raha izany ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-dratsy. Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, rehefa hitany ny fitondrantenanareo izay madio sy feno fanajana. dia izay tsy nanaiky fahiny, raha niandry tamin’ny fahari-po Andriamanitra, tamin’ny andron’i Noa ka mbola namboarina ny sambofiara izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ary namonjena azy ny rano. Izany dia tandindon’ny batisa izay mamonjy anareo koa ankehitriny; tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa izany fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, izay eo ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka nampanekena Azy ny anjely, ny fahefana ary ny hery. Ary aoka ny fihaingoanareo tsy ho ny zavatra ivelany, toy ny taovolo manaitra sy ny firavaka volamena na ny fitafiana marevaka, fa ny toetra miafina ao am-po, amin’ny fihaingoana tsy mety ho lo, dia ny fahalemem-panahy sy ny fiadanana, izay sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra. Fa tahaka izany no nihaingoan’ireo vehivavy masina fahiny izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; dia tahaka an’i Saraha izay nanaiky an’i Abrahama ka nilaza azy hoe tompoko. Koa ianareo no tonga zanany amin’ny fanaovana ny soa ka tsy hanahy na inona na inona fampitahorana. Toy izany koa ianareo lehilahy, tandrovy tsara ny fiarahanareo amin’ny vavy, amin’ny fanajana azy araka ny maha fanaka malemy kokoa azy, sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana aminareo izy, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
Iza no mahita vehivavy mahafatra-po? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
Izao no fitiavana: Tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12).
Ary NY TOMPO Andriamanitra niteny hoe: Tsy tsara raha irery Ralehilahy; hanaovako vady sahaza azy izy.
Miravoravoa amin’ny vady malalanao amin’ny andronao rehetra mandalo foana izay nomeny anao etỳ ambanin’ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ny andro iainanao sy amin’ny fisasarana izay isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro.
Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika dia mba tokony hifankatia kosa isika.
Izy ireny dia te ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia varahina maneno sy kipantsona mikarantsana ihany aho.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ny lisy.
Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza mijangajanga.» (Eks 20.14) Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao sy toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao aho; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fitoeran’ny maty ny fahasaro-piaro; ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’NY TOMPO. Na dia ny ony maro aza dia tsy afaka hamono ny afon’ny fitiavana, ary na ny renirano aza dia tsy mahapaoka azy; na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hividianana fitiavana dia hatao tsinontsinona izy.
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariany azy; lahy sy vavy no nahariany azy. Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.
Iza no mahita vehivavy mahafatra-po? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. Matoky azy ny fon’ny lahy ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. Soa no ataon-dRavehivavy aminy fa tsy ratsy, amin’ny andro rehetra iainany.
amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana, Fa ianareo kosa dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao Aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy, mba hialanareo ny toetra maha olona taloha anareo araka ny fitondrantenanareo fahiny izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. Noho izany dia esory ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra satria samy momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika. Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome toerana ho an’ny devoly. Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony, fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tanany, mba hisy homeny izay tsy manana. Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino, fahasoavana. mazotoa mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.
Kanefa noho ny fijangajangana dia aoka samy hanana ny vadiny avy ny lehilahy rehetra ary aoka koa samy hanana ny vadiny avy ny vehivavy rehetra. Aoka samy hitoetra eo amin’izay efa niantsoana azy ihany ny olona rehetra. Nantsoina va ianao raha mbola andevo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao dia aleo hararaotina izany. Fa ny andevo izay voaantso ao amin’ny Tompo dia olona afaka an’ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voaantso dia mpanompon’i Kristy. Fa olom-boavidy ianareo, koa aza mety ho andevon’olona. Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra, eo amin’izay niantsoana azy avy. Fa ny amin’ny virijiny dia tsy manana didy avy amin’ny Tompo aho, nefa omeko izay hevitro araka izay niantran’ny Tompo ahy ho mahatoky. Koa heveriko fa noho ny fahoriana miseho ankehitriny dia tsara amin’ny olona ny mitoetra amin’izao ihany. Manambady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manambady va ianao? Aza mitady vady. Nefa na dia hanambady aza ianao dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanambady aza ny virijiny dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana eo amin’ny fiainany ara-nofo ireny; fa raha izaho dia tsy ta hampiditra anareo amin’izany. Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, koa aoka mba ho toy ny tsy manambady ny manana amin’izao sisa izao; Aoka hanao izay mety hatao amin’ny vavy ny lahy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. aoka mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; aoka mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; aoka mba ho toy izay tsy manana ny mividy; ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao. Fa tiako tsy ho maro ahiana ianareo. Izay tsy manambady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. Fa izay manambady kosa dia miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijiny. Ny vehivavy tsy manambady dia mitandrina ny an’ny Tompo, mba samy ho masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo. Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony. Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy manery azy, fa afaka mifehy ny safidiny izy ka ninia tao am-pony hanaja ny fofombadiny, dia tsara ny nataony. Koa tsara ny ataon’izay mampakatra ny fofombadiny ary tsaratsara kokoa ny ataon’izay tsy mbola mampakatra azy. Voafehin’ny lalàna ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Tsy ny vavy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny lahy; ary mba toy izany koa, tsy ny lahy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny vavy. Nefa raha araka ny hevitro dia sambatra kokoa izy raha mitoetra amin’izao ihany; ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra. Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’izay fotoana sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa miraisa fandriana indray aorianan’izany mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsy faharetanareo.
dia tanteraho ny fifaliako, amin’ny firaisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra; Fa tsy manana olona mitovy firehana amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. Ny hafa rehetra dia samy mitady ny azy avy fa tsy ny an’i Jesosy Kristy; izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra satria efa niara-nanompo tamiko tamin’ny Filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy. Ary izy no antenaiko hirahina haingana, rehefa hitako mazava ny momba ahy. Nefa matoky ao amin’ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy haingana koa. Nihevitra koa aho fa tokony hampandehaniko hankaty aminareo i Epafrodito rahalahiko sady mpiray asa amiko no mpiantafika namako ary Apostoly nirahinareo hanompo sy hanome ahy izay nilaiko. Koa satria manina anareo rehetra izy dia difotra alahelo nony fantany fa renareo ny naharariany. Eny, narary saika maty tokoa izy; nefa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho. Izany no nampahazoto ahy haniraka azy mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, ary mba ho maivana kokoa ny alaheloko. Koa raiso ao amin’ny Tompo amin’ny fifaliana feno izy, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany, tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena. satria efa saika maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy. Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
Koa tiako raha hanambady indray ny mpitondratena mbola tanora ary hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony ka tsy hanome vahana ny fahavalo hitenenany ratsy azy.
Raha tsy NY TOMPO no manorina ny trano dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy NY TOMPO no miambina ny tanàna dia miari-tory foana ny mpiambina.
Aoka hanao izay mety hatao amin’ny vavy ny lahy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. aoka mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; aoka mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; aoka mba ho toy izay tsy manana ny mividy; ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao. Fa tiako tsy ho maro ahiana ianareo. Izay tsy manambady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. Fa izay manambady kosa dia miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijiny. Ny vehivavy tsy manambady dia mitandrina ny an’ny Tompo, mba samy ho masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo. Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony. Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy manery azy, fa afaka mifehy ny safidiny izy ka ninia tao am-pony hanaja ny fofombadiny, dia tsara ny nataony. Koa tsara ny ataon’izay mampakatra ny fofombadiny ary tsaratsara kokoa ny ataon’izay tsy mbola mampakatra azy. Voafehin’ny lalàna ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Tsy ny vavy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny lahy; ary mba toy izany koa, tsy ny lahy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny vavy. Nefa raha araka ny hevitro dia sambatra kokoa izy raha mitoetra amin’izao ihany; ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra. Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’izay fotoana sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa miraisa fandriana indray aorianan’izany mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsy faharetanareo.
Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27), hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24), koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
Ny manambady dia izao no andidiako azy, nefa tsy izaho fa ny Tompo: Aoka tsy hisaraka amin’ny lahy ny vavy nefa raha misy efa nisaraka dia aoka hitoetra tsy manambady izy, na aoka hody amin’ny lahy; ary aoka ny lahy tsy hisaraka amin’ny vavy.
Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny dia aoka izy hanome an-dRavehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo 24.1). Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra dia mijangajanga.
Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.
Fa raha misy tsy mikarakara ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
ny vavanao dia toy ny divay tsara. Eny, divay mikorotsaka mora ao an-tendan’ny malalako sady miditra misononoka amin’ny molotry ny matory.
Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ny tenany avy, fa ny olona mahatoky, iza moa no mahita azy?
Trano sy harena no lova avy amin’ny ray, fa ny vady hendry kosa dia avy amin’NY TOMPO.
Babonao ny foko, ry havako ampakariko, babonao ny foko tamin’ny fijerin’ny masonao an’ila fotsiny sy tamin’ny rojo iray amin’ny vozonao.
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!