Ry namako, tena fitahiana avy amin’Andriamanitra tokoa ny ankizy. Tokony hampianatra azy ireo ny tenin’Andriamanitra isika, hatrany am-bohoka, hampianatra azy ireo ny fahatahorana an’Andriamanitra. Amin’izay rehefa sendra olana eo amin’ny fiainana izy ireo dia hahatsiaro ny fampianarana rehetra ary hitady an’Andriamanitra.
Tian’i Jesosy Kristy Tompontsika ny ankizy ary nampiseho ohatra ho antsika olon-dehibe Izy mba ho tahaka azy ireo raha te-hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra isika. “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 19:14)
Ny fahadiovan’ny ankizy, ny fanetren-tena, ny famelan-keloka mora foana, dia toetra tsara ananan’ireo madinika ka mahatonga azy ireo ho manokana eo imason’Andriamanitra. Tokony harovantsika amin’ny tenin’Andriamanitra izany, ampianarintsika azy ireo andro aman’alina. “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6)
Nefa nasain’i Jesosy noentina teo Aminy ireo ary hoy Izy hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
ka niteny hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy.
ka niteny Taminy hoe: Renao va izay lazain’ireo? Dia hoy Jesosy: Eny; mbola tsy novakinareo mihitsy va fa: «Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana» (Sal 8.2)?
Tandremo fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko izay any an-danitra.
Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy.
Nefa hoy Jesosy: Avelao ny zaza ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zaza ity dia izy no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Hoy i Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina,satria ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’NY TOMPO Andriamanitsika hanatona Azy.
Rehefa natao batisa Ravehivavy mbamin’ny ankohonany dia nangataka izy hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho dia mandrosoa ao an-tranoko ka mipetraha ao. Dia naharesy lahatra anay izy.
Ary nandray azy roa lahy tamin’izany ora amin’ny alina izany izy ka nanasa ny dian-kapoka taminy; dia natao batisa avy hatrany izy mbamin’ny ankohonany rehetra.
I Krispo, lehiben’ny sinagoga mbamin’ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; maro koa ny Korintiana, raha nandre, no nino ka natao batisa.
Koa tamin’ny batisa dia niara-nalevina Taminy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
Fa niara-nalevina Taminy ianareo tamin’ny batisa, ary tao Aminy koa no niara-natsangana Taminy noho ny finoana ny asan’Andriamanitra izay nanangana Azy tamin’ny maty.
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
Nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’i Jesosy mba hokasihiny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra dia nandrara azy ireo.Nefa nasain’i Jesosy noentina teo Aminy ireo ary hoy Izy hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao aminy velively.
Kanefa tezitra Jesosy raha nahita izany ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
Dia natao batisa ireo izay nandray tsara ny teniny ka tokony ho telo arivo ireo olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany.
Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa azy ireto, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa va?Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy ireo. Ary nangatahin’ireo mba hijanona ao aminy andro vitsivitsy i Petera.
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy, na Grika, na andevo, na olona afaka; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
Zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.Koa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.
Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo.
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Izany dia tandindon’ny batisa izay mamonjy anareo koa ankehitriny; tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa izany fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,
Rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
Nefa rehefa nino an’i Filipo izay nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
Niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony dia nahita indray izy ka nitsangana ary natao batisa;
Ary ankehitriny, inona no andrasanao? Mitsangàna, aoka ianao hatao batisa ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao amin’ny fiantsoanao ny anarany.
dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina,
Hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.
Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara satria ny Fanahy no fahamarinana.
Ary tsy nahalala Azy aho; fa izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina.
Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa dia nandà ny fikasan’Andriamanitra satria tsy mba nanatona hataon’i Jaona batisa.
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?
ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
nankinina Taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Ianao.
fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho ary handefa riaka ho amin’izay tany karankaina; eny, handrotsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho ary ny fitahiako ho amin’ny naterakao.
Nefa izao no lazain’NY TOMPO: Na dia ny babon’ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ny mpampihorohoro; fa Izaho no hiady amin’izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
Dia hofafazako rano madio ianareo ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Fa tsy naniraka ahy hanao batisa Kristy fa hitory ny Filazantsara, tsy tamin’ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazofijalian’i Kristy.
na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny antitra na ny tanora,samia midera ny anaran’NY TOMPO avokoa fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.
Fa Ianao no fanantenako, RY TOMPO Andriamanitra ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.