Ny fahafolon-karena, toy ny hetra nofaritan’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha dia natao hikarakarana ny Levita, ny fandaniana momba ny tempoly na ny tabernakely, ary hanampiana ny mpitondratena sy ny kamboty ary ny malahelo. Tsy zavatra kely akory ny fanomezana ny fahafolon-karena sy ny fanatitra eo amin’ny alitara, fa maneho ny toe-ponao. Tsy vola fotsotsiny no omena fa fanehoana fahatsoram-po sy fahalalahan-tanana.
Rehefa manome ny fahafolon-karena ianao, dia mampihatra ny finoanao, mampiseho fahatokisana ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra. Maneho ny fitiavanao ianao amin’izany, sady mahatsiaro fa Andriamanitra no nanome izay tsara indrindra nananany, dia i Jesosy Zanany, noho ny fitiavana. Koa ny fanomezana tsara dia tsy fireharehana amin'ny habetsahana fa fanehoam-pitiavana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifaliana sy ny fankatoavana.
Ny fahafolon-karena dia ampahafolon’izay anananao atolotrao ho an’Andriamanitra. Ny fahafolon-karena voalohany voasoratra ao amin'ny Baiboly dia ny an'i Abrahama nomena an'i Melkizedeka mpisorona ho fisaorana. Rehefa manome ny fahafolon-karena ianao dia maneho fankasitrahana ny Ray noho ny fitahiana rehetra azonao, manaiky ny famindram-pony ary te hamaly soa ny fahasoavany tsy mendrika ianao.
Ny fanomezana ny fahafolon-karena sy ny fanatitra dia fanompoam-pivavahana an’Andriamanitra, izay ahitana zava-dehibe maro. Rehefa manao izany ianao dia miditra ao amin'ny tsingerin'ny fahafahana ara-bola izay nataon'Andriamanitra ho anao. Raha mahazo nefa tsy manome ny fahafolon-karena ianao dia manapaka izany tsingerina izany. Ny antony lehibe indrindra anomezana ny fahafolon-karena dia ny fandraisana anjara amin’ny fitahian’Andriamanitra voatokana ho an’ny fiainan’ny mpino rehetra. Rehefa takatrao izany dia hiova ny fiainanao.
Aza manaraka ny ohatr’ireo izay tsy manome fahafolon-karena noho ny antony manokana, satria izany no manakana ny firotsahan’ny haben’ny fitahian’Andriamanitra. Omeo Andriamanitra satria tianao Izy ary feno fankasitrahana ianao noho izay rehetra nataony ho anao.
Ary nifoha vao maraina i Jakoba dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangambato dia nandraraka diloilo taminy. Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna teo aloha. Miaingà ka mankanesa any Padana-Arama, any amin’ny tranon’i Betoela rain’ny reninao, dia makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana anadahin-dreninao. Dia nivoady i Jakoba ka niteny hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’izao lalana alehako izao, sady hanome ahy mofo hohaniko sy akanjo hitafiako, ka ho tafaverina soa amantsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia NY TOMPO no ho Andriamanitro, ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity dia ho tranon’Andriamanitra, koa amin’izay rehetra homenao ahy dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
Aloavy tsara ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona; aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varinao, ny ranom-boalobokao, ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, mba hianaranao hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao mandrakariva.
Dia nitsodrano an’i Abrama izy ka niteny hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie i Abrama, dia Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany! dia nandeha izy ireo ka nanafika an’i Bera, mpanjakan’i Sodoma, i Birsa, mpanjakan’i Gomora, i Sinaba, mpanjakan’i Adma, i Semebera, mpanjakan’i Zeboima, ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany. Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao! Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe indrindra amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto no tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony ho navelanao iretsy.
Fa io Melkizedeka io dia mpanjakan’i Salema sy mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’i Abrahama rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitsodrano azy satria mbola tao an-kibon’ny rainy ihany izy tamin’ny nitsenan’i Melkizedaka an’i Abrahama. Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ny fisoronan’i Levy, fa tamin’izany no nahazoan’ny olona ny lalàna, ahoana no mbola ilàna mpisorona hafa hiseho araka ny fomban’i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina araka ny fomban’i Arona? Fa raha ovana ny fisoronana dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. Fa izay nolazaina amin’izany teny izany dia avy tamin’ny firenena hafa izay tsy nisy olona nanompo teo amin’ny alitara. Fa hita marimarina fa avy tamin’i Joda no nisehoan’ny Tompontsika, ary izany foko izany dia tsy nisy nolazain’i Mosesy akory rehefa niteny ny amin’izay ho mpisorona izy. Ary vao mainka hita mazava kokoa indray izany raha misy mpisorona hafa miseho ka tahaka an’i Melkizedeka izay natao tsy araka ny lalànan’izay didy araka ny nofo fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana. Fa izao no nambara ny Aminy: «Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkizedeka» (Sal 110.4). Eny, foana ny didy teo aloha noho ny halemeny sy noho izy tsy nahasoa, fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona, ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra. sady nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra rehetra aza. Raha adika ny anarany, ny heviny voalohany dia mpanjakan’ny fahamarinana aloha, izay vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ny fiadanana.
Mitenena indray amin’ny levita hoe: Rehefa raisinareo avy amin’ny Zanak’Israely io fahafolonkarena io, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo indray ny ampahafolon’izany ho fanomezana ho an’NY TOMPO.
Rehefa voaangonao ny fahafolonkarena rehetra avy amin’ny vokatrao amin’ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolonkarena, dia mba omeo ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, mba hisy hohaniny ao an-tanànanao ka ho voky izy. Ary lazao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànanao rehetra izay nomenao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanao fanatitra an-tsitrapo toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
Misy malala-tanana nefa mitombo fananana ihany ary misy izay fatra-pitahiry loatra nefa tonga mahantra ihany. Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
omeo dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo ampofoanareo. Fa izay fatra amaranareo no hamarana ho anareo kosa.
Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Manolora fanatitra ka mankanesa eo an-kianjany!
dia aoka ho avy ny levita, satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana ireo ka ho voky, mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny asan’ny tananao rehetra ianao.
Nony niely izany teny izany dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’Israely, dia vary, ranom-boaloboka, diloilo, tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ny fahafolonkarena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no noentiny.
Ary izay avy tamin’ny taranak’i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolonkarena amin’ny olona araka ny lalàna, dia amin’ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’i Abrahama aza ireny;
Dia nivoady i Jakoba ka niteny hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’izao lalana alehako izao, sady hanome ahy mofo hohaniko sy akanjo hitafiako, ka ho tafaverina soa amantsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia NY TOMPO no ho Andriamanitro, ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity dia ho tranon’Andriamanitra, koa amin’izay rehetra homenao ahy dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay nampirisihin’ny fony dia hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’NY TOMPO hotanterahin’i Mosesy; ireny Zanak’Israely rehetra ireny dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO.
Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova fa hatoky an’Andriamanitra izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika. Aoka hanao soa izy ireo mba hanankarena amin’ny asa tsara, ary hazoto manome sy miantra, dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy mba hihazonany ny tena fiainana.
Fa raha misy ny fahazotoana dia araka izay ananana no ankasitrahana ny mpanome fa tsy araka izay tsy ananana.
Manolora fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Manolora fanatitra ka mankanesa eo anatrehany! Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina!
Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja amim-pifaliana. Mandeha mitomany mitondra ny voa hafafiny izy fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.
Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra ary mitantana ny raharahany amin’ny fahamarinana.
Fa lozanareo, Fariseo! Fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo iretsy.
Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia hoentinao ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
Amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia samia manokana tahiry any an-tranony avy araka izay azony atao fanomezana mba tsy ho amin’ny fahatongavako vao hatao ny fanangonana izany.
Fa sitrapon’i Makedonia sy i Akaia ny hamory vola ho fifanohanana amin’ny mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.
Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tananao.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy. Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
avy ao amin’ny tempolinao eo an-tampon’i Jerosalema izay itondran’ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.
Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay misy ihany anio fa hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana? Koa aza manahy ianareo ka miteny hoe: Inona no hohaninay? Na: Inona no hosotroinay? Na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny Jentilisa fatratra; fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany, aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro iray ny ratsy miseho ao aminy. mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.
Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena.
Ny loholona izay mahay mitarika dia mendrika ny hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.
Izay mampahory ny madinika dia manala baraka ny Mpanao azy, fa ny mamindra fo amin’ny mahantra kosa manome voninahitra Azy.
Any no hitondranareo ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitrareo an-tsitrapo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo;
Malala-tanana izy; eny, manome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany; hisandratra amim-boninahitra ny fahamboniany.
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga handrava Aho fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoanan’ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory ny amin’ny lalàna, na dia iota iray na tsipika kely iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Ary amin’izany na zovy na zovy no mamaha ny iray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona hanao toy izany dia hatao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Izao no hataonao amin’ny ombinao sy ny ondry aman’osinao: Hafitoana no hitoerany ao amin’ny reniny, ary amin’ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny ampahafolony amin’izay azoko rehetra aho.
Satria tsy mihevitra ny asan’NY TOMPO izy na ny asan’ny tanany dia aoka horavan’NY TOMPO izy fa tsy haoriny!
dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitrareo dorana manontolo, ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ny fahafolonkarenanareo, ny fanomezana atolotrareo ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’NY TOMPO.
Ny santatra amin’ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
Hidera NY TOMPO amin’ny foko manontolo aho; hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.
Ary koa, raha masina ny santatry ny mofo dia masina koa ny vongany manontolo; ary raha masina ny fotony dia masina koa ny sampany.
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy.
Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely dia kely no hojinjainy; fa izay mamafy be dia be kosa no hojinjainy.
Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Izay manolotra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.
Izao no haloan’izay rehetra mandalo ny fanisana: Antsasaky ny sekela avy araka ny sekela masina ka gera roapolo ny sekela iray; eny, antsasaky ny sekela ho anjara fanomezana ho an’NY TOMPO.
Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ny alitara dia mahazo anjara amin’ny zavatra izay natao sorona teo amin’ny alitara? Toy izany koa no nandidian’ny Tompo fa izay mitory ny Filazantsara dia hahazo fivelomana avy amin’ny Filazantsara.
Hoy ireo Taminy: An’i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Ny tany dia nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika. Mitahy antsika Andriamanitra ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Nanopy ny masony Jesosy ka nahita ny mpanankarena nandrotsaka rakitra tao amin’ny fandatsahan-drakitra; Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Hisy horohoron-tany lehibe sy mosary ary areti-mandringana any amin’ny tany samihafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra. Raha tsy mbola tonga izany rehetra izany dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny sinagoga sy any an-tranomaizina ka hoentina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny manampahefana ianareo noho ny anarako. Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra mialoha izay ho fiarovan-tenanareo; fa Izaho no hanome anareo teny sy fahendrena izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra toherina na valìna. Hatolotry ny ray sy ny reny, ny rahalahy sy ny havana aman-tsakaiza koa aza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza. Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo. ary nahita mpitondratena mahantra iray koa Izy izay nandrotsaka lepta roa tao. Rehefa mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila ianareo dia aoka ho fantatrareo fa efa manakaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany, aoka handositra ho any an-tendrombohitra; izay ao Jerosalema, aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha, aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. Fa loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! Satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezerana amin’ity firenena ity. Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka hoentina ho babon’ny firenena rehetra, ary hohitsahin’ny Jentilisa i Jerosalema mandra-pahatanteraka ny andron’ny Jentilisa. Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hitebiteby ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, koa ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ireo herin’ny lanitra dia hohozongozonina. Amin’izany dia hahita ny Zanak’Olona tonga eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo. Ary nilaza fanoharana tamin’izy ireo Izy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io no nandrotsaka be noho izy rehetra. Raha hitanareo fa vao mitsiry ny rantsany dia fantatrareo ihany fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho tapitra ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko dia tsy mba ho levona. Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka ho afa-mandositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’Olona. Nony antoandro dia nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; ary nony alina dia niala tao izy ka nitoetra teny amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva. Ary ny vahoaka rehetra dia tonga vao maraina teo Aminy, tao amin’ny tempoly, mba hihaino Azy. Fa ireo rehetra ireo dia tamin’ny haben’ny fananany no nandrotsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandrotsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ny fiderana! Miderà Azy, misaora ny anarany! Fa tsara NY TOMPO; mandrakizay ny famindrampony ary mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinany.
Koa araka ny ananantsika fotoana, aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny Filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho dia tsy nisy fiangonana nifampiraharaha tamiko ny amin’ny fanomezana ho ahy sy izay avy amiko, afa-tsy ianareo ihany.
Inona no havaliko NY TOMPO noho ny soa rehetra nataony tamiko? Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’NY TOMPO. Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho; eny, eo anatrehan’ny olony rehetra.
Rehefa tonga ao amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao Ankehitriny, TOMPO ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ny tany izay nomenao ahy. Avelao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ny voaloham-bokatra noentinao ary miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao. Mifalia ianao sy ny levita mbamin’ny vahiny eo aminao amin’ny soa rehetra izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao. Rehefa voaangonao ny fahafolonkarena rehetra avy amin’ny vokatrao amin’ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolonkarena, dia mba omeo ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, mba hisy hohaniny ao an-tanànanao ka ho voky izy. Ary lazao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànanao rehetra izay nomenao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy. Tsy nisy nohaniko teo amin’ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin’ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitro aho ka nanatanteraka izay rehetra nandidiany ahy. Tsinjovy ao amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio ny Israely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely. Anio no andidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ireo. Efa nampianiana NY TOMPO ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, koa handeha amin’ny lalany sy hitandrina ny lalànany sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ka hihaino ny feony. Ary efa nampianiana anao NY TOMPO androany fa firenena fananany sarobidy indrindra ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra, sy hanandratany anao ho ambonin’ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho laza ary ho voninahitra; ary mba ho firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy. dia akao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ny tany, izay alainao avy amin’ny taninao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
Fa tony sady mangina tsara ny fanahiko ato anatiko; tahaka ny zaza eo amin’ny reniny eny, tahaka ny zazakely eo amin’ny reniny ny fanahiko.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany. Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana. Manampia ny olona masina araka izay ilainy. Mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao ka miankina aminareo dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35). Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy.
ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao. NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolonkarena, fa any kosa dia izay ambara fa velona.
Fa izay tsy nahafantatra kosa ka nanatanteraka izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be no hitadiavana be; ary izay nampitahirizina be no hitakina bebe kokoa.
Sambatra izay rehetra matahotra NY TOMPO, dia izay mandeha amin’ny lalany. Fa hohaninao tokoa ny vokatry ny asan’ny tananao; sambatra sady ambinina ianao.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina. Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra ary hotahina ny taranany.
Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po.
Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny fahantrany.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5). Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)
Fa ho avy ny Zanak’Olona amin’ny voninahitry ny Rainy, miaraka amin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny asany.
Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany.
Ary tamy i Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nitondra mofo sy divay; izy io dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra. Dia nitsodrano an’i Abrama izy ka niteny hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie i Abrama, dia Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany! dia nandeha izy ireo ka nanafika an’i Bera, mpanjakan’i Sodoma, i Birsa, mpanjakan’i Gomora, i Sinaba, mpanjakan’i Adma, i Semebera, mpanjakan’i Zeboima, ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany. Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao! Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.
Dia nanatona ny olona rehetra izay nohetsehin’ny fony sy izay rehetra nentanin’ny fanahiny avy ka samy nitondra ny anjara fanomezany ho an’NY TOMPO hanaovana ny tranolay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina. Ary ny olona rehetra na lahy na vavy dia nitondra izay rehetra nanentanan’ny fony azy, dia fisisika, kavina, peratra, mason-drojo volamena, firavaka volamena isan-karazany; toy izany koa ny olona rehetra izay nanolotra volamena ka nataony fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO. Ary ny olona rehetra izay nanana lamba manga, volomparasy, jaky, lamba rongony fotsy madinika, volon’osy, hoditr’ondrilahy voaloko mena ary hoditra trozona, dia nitondra ireo. Izay rehetra nanatitra volafotsy sy varahina ho anjara fanomezana dia nitondra izany ho an’NY TOMPO; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ny fanompoana dia nitondra izany koa. Ny vehivavy rehetra nanan-talenta namoly tamin’ny tanany dia nitondra izay nofolesiny, dia ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika. Ary ny vehivavy rehetra nanan-talenta ka nazoto am-po dia namoly volon’osy. Ny loholona dia nitondra ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ny efoda sy ho amin’ny saron-tratra, ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ny diloilo fanosorana ary ho amin’ny ditin-kazo mani-pofona. Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay nampirisihin’ny fony dia hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’NY TOMPO hotanterahin’i Mosesy; ireny Zanak’Israely rehetra ireny dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO.
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe indrindra amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto no tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony ho navelanao iretsy. Ry jamba nefa mpitarika! Tantavaninareo ny moka nefa atelinareo ny rameva.
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny tanimbary na avy amin’ny saha, dia an’NY TOMPO; masina ho an’NY TOMPO izany.
Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao! Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.
ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity dia ho tranon’Andriamanitra, koa amin’izay rehetra homenao ahy dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano fitahirizako mba hasian-kanina ao an-tranoko; izahao toetra amin’izany Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, raha tsy hovohako ho anareo ny varavaran’ny lanitra ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
Aoka ny olona rehetra samy hanome araka izay noheveriny tao am-pony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; satria «ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra» (Oha 22.8).
Indro, efa nomeko ny taranak’i Levy ho fananany ny fahafolonkarena rehetra amin’ny Israely noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ny tranolay fihaonana.
Afaka handroba an’Andriamanitra va ny olona? Satria mandroba Ahy ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao? Amin’ny fahafolonkarena sy ny anjara fanomezana.
Isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ny vokatrao rehetra amin’izany taona izany ka ataovy ao an-tanànanao;
ary mba hitondranay ho an’ny mpisorona koa ny voalohan’ny kobanay voafetafeta sy ny fanomezanay, ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra, ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay dia ho an’ny levita; fa ny levita no mpandray ny fahafolonkarena eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay.
aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varinao, ny ranom-boalobokao, ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, mba hianaranao hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao mandrakariva.