Sarotra izao vanim-potoana izao, mila fandraharahana araka ny rariny. Tokony ho takatsika fa ny tsy rariny dia manimba sy mandoto ny fanahy manerana ny tany. Fahasoavana lehibe ny rariny, ka tokony ho hita taratra amintsika izay noforoniny; mba hisian’ny fifandanjana, filaminana ary fandriampahalemana eto an-tany.
Ny rariny, izay toetra iray tena miavaka an’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina, dia anisan’ny sarotra tratrarina ihany koa. Sarotra ny manavaka ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny fahamasinany na ny hatsarany. Hoy ny Salamo 11:7 hoe: “Mahitsy Jehovah ka tia ny rariny; ny olo-mahitsy hahita ny tavany.”
Ahoana no hampiharantsika ny rariny? Tsotra ihany, ataontsika amin’ny hafa izay nataon’Andriamanitra tamintsika. Nametraka heloka antsika ve Andriamanitra? Aoka isika hametraka ny heloky ny hafa koa. Mitahy antsika ve Andriamanitra? Aoka isika hitahy ny hafa koa.
Ary aoka tsy hihevitra isika ho tompon’izao rehetra izao, fa mety ho tezitra Ilay tena Tompony. Aoka tsy hihevitra isika fa afaka mandrindra ny fotoana, satria tsy havitantsika ny manova na inona na inona! Aoka hanome voninahitra ny Mpamorona isika dia hotahiny.
Kolosiana 3:25 dia milaza hoe: “Fa izay manao ny tsy rariny dia hahazo valiny noho ny tsy rariny nataony; ary tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” Samy mitovy eo anoloan’Andriamanitra isika rehetra.
Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy!
Izy no Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy ka tsy misy ratsy ao Aminy; marina sy mahitsy Izy.
Kanefa NY TOMPO mitoetra mandrakizay. Nampiorina ny sezafiandrianany ho amin’ny fitsarana Izy.Hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy; eny, hitsara ny firenena amin’ny fahitsiana Izy.
Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
Ny hanao izay marina sy mahitsy no sitraky NY TOMPO mihoatra noho ny fanatitra alatsa-dra.
Fa Izaho TOMPO dia tia fitsarana marina; halako ny fandrobana amin’ny faharatsiam-panahy; homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:Fiainana mandrakizay no ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana;fahavinirana sy fahatezerana kosa no ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany sady manohitra ny marina ka manaraka ny tsy marina;
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’NY TOMPO aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny rariny sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.
Fa NY TOMPO tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina. Harovana mandrakizay ireo; fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa dia hofongorana.
Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
Rariny sy fitsarana marina no fanorenan’ny sezafiandriananao; famindrampo sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
Fifalian’ny marina ny hanao araka ny rariny, fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
Mianara hanao ny tsara, katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora,
Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hisandratra amin’ny fitsarany marina, ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin’ny fahamarinana.
Ny tena marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
Alaharo ny tenin’ny madinika sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny mahantra,vonjeo ny madinika sy ny mahantra, sariho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.
Fa NY TOMPO no Mpitsara antsika; NY TOMPO no Mpanome lalàna ho antsika; NY TOMPO no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Rahona sy haizim-pito no manodidina Azy. Fahamarinana sy fitsarana marina no fanorenan’ny sezafiandrianany.
Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay! Moa Izay mandanja ny fo va tsy hihevitra izany? Ary Izay mandinika ny fanahinao va tsy hahalala izany? Eny, hovaliany araka ny asany avy ny olona rehetra.
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hananganako Solofo marina ho an’i Davida, koa hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana marina amin’ny tany.
Maniry Anao aho nony alina; eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
tamin’ny nandeferany; mba hanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany ankehitriny ka ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy.
Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo, ny fitsaranao dia toy ny lalina lehibe. Ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, TOMPO ô!
mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy manamarina ny meloka fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Hoy aho anakampo: Samy hotsarain’Andriamanitra na ny marina na ny ratsy fanahy; fa samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra sy ny asa rehetra etỳ.
eo anatrehan’NY TOMPO, fa avy hitsara ny tany Izy. Hitsara izao rehetra izao amin’ny fahamarinana Izy ary ny firenena amin’ny fahitsiana.
Inona ary no holazaintsika? Misy tsy fahamarinana va ao amin’Andriamanitra? Sanatria izany!Fa hoy Izy tamin’i Mosesy: «Hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo» (Eks 33.19).
manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
Ny marina dia mihevitra ny adin’ny mahantra, fa ny ratsy fanahy tsy mahalala izany ho fahendrena.
Mihainoa Ahy, ry vahoakako! Ary atongilano Amiko ny sofinareo ry oloko! Fa hisy lalàna hivoaka avy Amiko; ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.Akaiky ny fahamarinako, efa hiseho ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; Izaho no antenain’ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra NY TOMPO; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin’NY TOMPO Andriamanitsika, na fizahan-tavan’olona, na fandraisana kolikoly.
Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
Miantso ny lanitra any ambony sy ny tany koa Izy mba hitsarany ny olony:Angony etỳ Amiko ny olona mahatoky Ahy dia izay manao fanekena Amiko amin’ny fanatitra!
Fa fantatsika izay niteny hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly»; ary koa: «NY TOMPO hitsara ny olony» (Deo 32.35-36).
Fantatro fa NY TOMPO no handahatra ny tenin’ny ory sady hanome rariny ho an’ny mahantra.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Efa nohenoinao, TOMPO ô, ny fanirian’ny mahantra; mampiorina ny fony Ianao sady mampihaino ny sofinaomba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny voan’ny tsindry hazo lena, koa tsy hisy olombelona hampitahotra intsony etỳ an-tany.
raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny raharahany ho amin’ny Mpitsara marina;
Tsy ho reraka Izy na ho kivy, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy dia hiandry ny lalànany.
Rain’ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina.
Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Ianao ary tsy mba hitoetra eo Aminao ny ratsy.
Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy!Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty! Eny, mihoatra noho izany aza, nitsangana tamin’ny maty koa Izy ka mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika.
Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, raha avy izay hahasolafaka ny tongony; fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy haingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Havotana amin’ny fitsarana i Ziona ary izay miverina ao dia havotana amin’ny fahamarinana.
Fa Andriamanitra va tsy hanome rariny ireo olom-boafidiny izay mitaraina Aminy andro aman’alina, ary moa hampiandry azy ireo ela va Izy?Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’Olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?
fa aoka kosa ny fitsarana hikoriana toy ny rano ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vato marina no ankasitrahany.
Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo ary jereo ny tany ambany. Fa ho levona tahaka ny setroka ny lanitra ary ho tahaka ny lamba mangarahara ny tany; ho faty tahaka ny fahafatesan’ny moka ny mponina ao, fa ny famonjeko kosa dia haharitra mandrakizay ary ny fahamarinako dia tsy mba ho rava.
Izao no lazain’NY TOMPO: Manaova fitsarana marina ianareo ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona voaroba; aza mampahory na mampidi-doza amin’ny vahiny, ny kamboty sy ny mpitondratena, ary aza mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.
Fa hofongorana ny mpanao ratsy ary izay manantena NY TOMPO no handova ny tany.Rehefa afaka kelikely dia tsy hisy ratsy fanahy intsony! Handinika ny fonenany ianao fa tsy ho ao intsony izy!Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.
«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ny Malalako izay sitraky ny foko indrindra; hapetrako ao Aminy ny Fanahiko ary hitory ny rariny amin’ny Jentilisa Izy.Tsy hifanditra na hiantso mafy Izy; tsy hisy handre ny feony any an-dalana;Tsy hotapahiny ny volotara torotoro ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;ary ny anarany no hitokian’ny Jentilisa» (Isa 42.1-4).
Tsarao araka ny fahamarinanao aho, RY TOMPO Andriamanitro ô! Aoka tsy hifalian’ireo aho!
dia mihainoa any an-danitra Ianao ka mihetseha ary tsarao ny mpanomponao, mba hanamelohana ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ny lohany ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika. Lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana ary ny fahamarinana tanteraka Izy. Tsy mba mampahory olona Izy.
Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, inona ary no holazaintsika? Tsy marina va Andriamanitra raha mampihatra ny fahatezerany? Miteny araka ny fanaon’ny olona aho.Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
Indro, araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary araka ny rariny no hitondran’ny manampahefana.
Lozan’izay mamoaka lalàna mampidi-doza sady mampanoratra didy fampahorianamba hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
Izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina dia samy fahavetavetana eo imason’NY TOMPO.
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,hitory ny taona ankasitrahan’NY TOMPO sy andro famalian’Andriamanitsika; hampionona ny malahelo rehetra,
Izaho TOMPO no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.
Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely, na mandoto ny vadin’ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ny fadimbolana,na mampahory olona fa mamerina ny natao antoka, tsy mandroba fa manome ny haniny ho an’ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,tsy mampanjana-bola na maka tombony akory fa miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy, ary manao fitsarana marina amin’izay miady,ary mandeha araka ny lalànako sy mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Izay milaza amin’ny meloka hoe: Marina ianao, dia hozonin’ny olona sady ho halan’ny firenena;fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy» (Sal 34.12-16).
Ary hisy sezafiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo. Hisy hipetraka amin’ny fahamarinana eo aminy ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy sady ho haingam-pamoaka fitsarana marina.
Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy.Raha manaiky sy mankatò ianareo dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany;
izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;NY TOMPO no mampahiratra ny jamba; NY TOMPO no mampitraka ny mitanondrika; NY TOMPO no tia ny marina;NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Manaova fitsarana marina ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ny rahalahiny avy.Aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra, ary aza mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
Indro ny Mpanompoko izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; hanao fitsarana marina ho an’ny Jentilisa Izy.
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe indrindra amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto no tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony ho navelanao iretsy.
lehibe amin’ny fisainana sady mahery amin’ny atao; fa mibanjina ny alehan’ny zanak’olombelona rehetra ny masonao mba hanome azy rehetra, araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany.
Ny mason’NY TOMPO dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany.Ny tavan’NY TOMPO dia tezitra amin’ny mpanao ratsy mba hofongorany tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy.
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.
Rariny sy fitsarana marina no fanorenan’ny sezafiandriananao; famindrampo sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.Sambatra izay firenena mahalala ny feo fihobiana! TOMPO ô, amin’ny fahazavan’ny tavanao no andehanany.
Aoka izy hitsara ny olonao amin’ny fahamarinana ary ny malahelonao amin’ny fahitsiana.Ny tendrombohitra dia hahavokatra fiadanana ho an’ny olona; eny, ny havoana koa, amin’ny fahamarinana.Aoka izy hitsara ny ory eo amin’ny vahoaka sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
Ny fitsarana marina no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana no ho fandrefesana marindrano; hopaohin’ny havandra ny lainga fialofana, ary hindaosin’ny rano ny fierena.
Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy teo aminy, dia toy izany no hampisehoan’NY TOMPO Andriamanitra fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, aoreno eo amin’ny fitsarana ny rariny; angamba NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa.
Tsara sy mahitsy NY TOMPO, koa izany no anoroany lalana ny mpanota.Mampandeha ny mpandefitra amin’ny fahamarinana Izy ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
NY TOMPO no marina ao afovoany, tsy manao izay tsy marina Izy. Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ny mazava ka tsy mba diso izany; nefa tsy mba mahalala henatra ny olona tsy marina.
eo anatrehan’NY TOMPO fa avy Izy; eny, avy hitsara ny tany Izy. Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ny fahamarinany.
Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.
Raha fantatrareo fa marina Izy dia fantaro fa izay rehetra manao ny fahamarinana no zanany naterany.
Fa raha ahitsinareo tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, raha mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany ianareo,ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, na mandatsaka ran’ny tsy manan-tsiny amin’ity tany ity sady tsy manaraka andriamanitra hafa hahatonga loza aminareo,dia hamponeniko amin’ity tany ity ihany ianareo, eto amin’ny tany nomeko ny razanareo, hatramin’ny ela ka ho mandrakizay.
Manerinerina NY TOMPO satria mitoetra any amin’ny avo Izy; nofenoiny rariny sy fahamarinana i Ziona.
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny lalan’ny ratsy fanahy, fa izay mikatsaka ny fahamarinana no tiany.
Ho fanahy fitsarana ho an’izay mipetraka eo amin’ny fitsarana Izy, sady ho hery ho an’izay mampihemotra ny ady izay tonga eo am-bavahady.
TOMPO ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho fa misy ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
Tsy mahalala izay rariny ny ratsy fanahy, fa izay mitady NY TOMPO no mahalala ny zavatra rehetra.
Ny very dia hotadiaviko, ny diso lalana haveriko, ny naratra hotsaboiko, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako. Handrasako amin’ny fitondrana tsara ny ondriko.
Izao no lazain’NY TOMPO: Tandremo ny rariny ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko ary efa hiseho ny fahamarinako.
Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny madinika ary homeny rariny ny mahantra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy.
Fa hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy izy;hiantra ny madinika sy ny mahantra izy ary hamonjy ny ain’ny mahantra.Hanavotra azy amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy ary ho sarobidy eo imasony ny rany.
Avy tany an-danitra no nampandrenesanao ny didim-pitsarana; raiki-tahotra ny tany ka sinarehefa nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ny tany. Fiatoana.
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay mangeja ny marina amin’ny tsy fahamarinana;
Andriamanitra dia eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra; eo amin’ireo andriamanitra no itsarany.Hatramin’ny oviana no mbola hanaovanareo fitsarana tsy marina ka hiangaranareo amin’ny ratsy fanahy? Fiatoana.Alaharo ny tenin’ny madinika sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny mahantra,vonjeo ny madinika sy ny mahantra, sariho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.
Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.
NY TOMPO manao izay hahafantarana Azy ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ny asan’ny tanany Izy. Feon-javamaneno. Fiatoana
Fa NY TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, izay tsy mizaha tavan’olona na mandray kolikoly;manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
Maro no mila sitraka amin’ny mpanapaka, fa avy amin’NY TOMPO ny rariny ho an’ny tsirairay.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
Mahery anefa ny Mpanavotra azy, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany; handahatra ny adiny tokoa Izy mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babilona kosa.
Ankehitriny dia naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy tamin’ny lalàna anefa izany, fa nambaran’ny lalàna sy ny mpaminany;fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho an’izay rehetra mino, satria tsy misy fanavakavahana,fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra;nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.Izy no natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampiononam-pahatezerana tamin’ny rany, amin’ny finoana, mba hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namaliany ny fahotana lasatamin’ny nandeferany; mba hanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany ankehitriny ka ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy.
NY TOMPO efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao. NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony ianao.
Fa mahitsy ny tenin’NY TOMPO ary mahatoky avokoa ny asany rehetra.Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindrampon’NY TOMPO ny tany.
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe, satria tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra.Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fanamelohana.
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
Fa NY TOMPO no manome fahendrena; avy amin’ny teniny no iavian’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.Mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy fo Izy, ary ampinga ho an’izay mandeha tsy misy tsiny;mitandrina ny lalan’ny fahamarinana Izy, ary miaro ny lalan’ny olony masina.
Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo; dia samy hahazo izay dera sahaza azy avy amin’Andriamanitra ny tsirairay.
Ary mihira ny tononkiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny tononkiran’ny Zanak’ondry izy hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny firenena!Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Ianao ihany no masina ary ny firenena rehetra dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa naharihary ny fitsarana marina nataonao.